Hebreo 13:1-25

  • Fandrisihana sy firarian-tsoa (1-25)

    • Aza hadinoina ny mandray vahiny (2)

    • Aoka ho mendri-kaja ny fanambadiana (4)

    • Ankatoavy ireo mitarika eo aminareo (7,17)

    • Manaova sorona fiderana (15, 16)

13  Mifankatiava foana hoatran’ny mpirahalahy.+ 2  Aza hadinoina ny mandray vahiny,*+ fa izany no nahatonga ny sasany hampiantrano anjely+ nefa tsy fantany akory. 3  Tsarovy izay migadra,*+ toy ny hoe miara-migadra aminy ianareo.+ Tsarovy koa izay ampijalina, satria ianareo koa mba olombelona* ihany. 4  Aoka ho mendri-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aza avela ho voaloto ny fandrianan’ny mpivady,+ fa homelohin’Andriamanitra ny mpijangajanga* sy ny mpanitsakitsa-bady.+ 5  Asehoy amin’ny fomba fiainanareo hoe tsy tia vola+ ianareo, ary miezaha hianina amin’izay efa eo.+ Fa hoy izy: “Tsy handao anao mihitsy aho, ary tsy hahafoy anao mihitsy.”+ 6  Dia ho be herim-po isika amin’izay, ka hilaza hoe: “I Jehovah* no mpanampy ahy, ka tsy hatahotra aho. Inona moa no azon’ny olona atao amiko?”+ 7  Tsarovy ireo mitarika* eo aminareo,+ dia ireo nilaza ny tenin’Andriamanitra taminareo. Ary rehefa mandinika ny soa entin’ny fitondran-tenany ianareo, dia tahafo ny finoany.+ 8  Tsy miova i Jesosy Kristy omaly sy anio ary mandrakizay. 9  Aza manaiky ho voatariky ny fampianarana maro samihafa sy ny fampianarana hafahafa. Fa aleo ny hatsaram-panahy miavaka asehon’Andriamanitra no hanatanjaka ny fonareo, fa tsy ny lalàna momba ny sakafo. Tsy mandray soa akory mantsy izay mihevitra hoe ny sakafo no tena zava-dehibe.+ 10  Manana alitara isika, ary tsy manana fahefana hihinana eo izay manao fanompoana masina ao amin’ny tranolay.+ 11  Fa rehefa avy nentin’ny mpisoronabe tao amin’ny toerana masina ny ran’ny biby mba hatao fanatitra noho ny ota, dia dorana any ivelan’ny toby+ ny fatiny. 12  Noho izany, dia nijaly tany ivelan’ny vavahadin’ny tanàna koa i Jesosy,+ mba hohamasininy amin’ny alalan’ny rany ny vahoaka.+ 13  Andao àry isika ho any aminy any ivelan’ny toby, ka hitondra ny latsa nentiny.+ 14  Fa tsy manana tanàna maharitra eto isika, fa ilay ho avy no tena tadiavintsika.+ 15  Koa manaova foana sorona fiderana ho an’Andriamanitra+ amin’ny alalan’i Jesosy, izany hoe vokatry ny molotra,+ ka resaho amin’ny hafa ny momba ny anarany.+ 16  Ankoatra izany, dia aza hadinoina ny manao soa sy ny mizara amin’ny hafa,+ fa tena mahafaly an’Andriamanitra ny sorona+ toy izany. 17  Ankatoavy sy ekeo+ ireo mitarika* eo aminareo.+ Miahy* anareo foana mantsy izy ireny, toy ny olona mbola hatao ampamoaka.+ Amin’izay dia ho faly izy ireny rehefa manao an’izany fa tsy hisento, satria tsy hahasoa anareo izany. 18  Mivavaha foana ho anay. Matoky mantsy izahay hoe madio* ny eritreritray, satria te hanao ny marina amin’ny zava-drehetra izahay.+ 19  Fa ny tena ampirisihako anareo dia hoe mivavaha mba ho tafaverina haingana kokoa any aminareo aho. 20  Nafahan’ilay Andriamanitry ny fiadanana avy tany amin’ny maty ilay mpiandry+ ondry lehibe, dia i Jesosy Tompontsika, izay nitondra ny ran’ny fifanekena mandrakizay. Enga anie ilay Andriamanitry ny fiadanana 21  hanome anareo ny zavatra tsara rehetra mba hanaovanareo ny sitrapony! I Jesosy Kristy no ampiasainy mba hahatonga antsika hanao an’izay mahafinaritra azy. Ho an’Andriamanitra anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amena. 22  Ary mampirisika anareo aho, ry rahalahy, mba haharitra hihaino an’izany teny mampahery izany. Fohy ihany mantsy ity taratasy nosoratako ho anareo ity. 23  Tiako ho fantatrareo fa efa nafahana i Timoty rahalahintsika. Ary raha vetivety izy dia tonga atỳ, dia hiaraka ho any aminareo izahay. 24  Mampamangy any amin’izay rehetra mitarika* eo aminareo, sy any amin’ny olona masina rehetra. Mampamangy, hono, ianareo, hoy ry zareo atỳ Italia.+ 25  Enga anie ianareo rehetra mba hanehoana hatsaram-panahy miavaka!

Fanamarihana

Na: “ny hatsaram-panahy amin’ny vahiny.”
Abt: “ireo mifatotra.”
Na mety hoe “mba hoatran’ny hoe miara-mijaly aminy.” Abt: “ao amin’ny vatana.”
Jereo F.F. A5.
Na: “mitari-dalana.”
Na: “Miaro.”
Na: “mitari-dalana.”
Abt: “tsara.”
Na: “mitari-dalana.”