Hebreo 3:1-19

  • Lehibe noho i Mosesy i Jesosy (1-6)

    • Andriamanitra no nanao ny zava-drehetra (4)

  • Tandremo sao lasa tsy mino (7-19)

    • “Raha mihaino ny feony ianareo anio” (7,15)

3  Noho izany, ry rahalahy masina izay anisan’ny voantso* ho any an-danitra,+ eritrereto ilay apostoly sady mpisoronabe ekentsika, dia i Jesosy.+ 2  Tsy nivadika tamin’Ilay* nanendry azy+ izy, hoatran’i Mosesy rehefa nanompo tao amin’ny tranon’Andriamanitra manontolo.+ 3  Mendrika hahazo voninahitra+ lehibe noho ny an’i Mosesy mantsy izy,* satria ny mpanao trano dia mendrika hohajaina kokoa noho ny trano nataony. 4  Mazava ho azy fa nisy nanao ny trano rehetra, fa ilay nanao ny zava-drehetra kosa dia Andriamanitra. 5  Ary mpanompo mendri-pitokisana tao amin’ny tranon’Andriamanitra manontolo i Mosesy. Nifanitsy tamin’ny* zavatra mbola holazaina atỳ aoriana koa ny fanompoany. 6  Fa i Kristy kosa zanaka+ mendri-pitokisana miandraikitra ny tranon’Andriamanitra.+ Isika izany tranony izany, raha miezaka foana isika mba ho sahy hiteny sady hifikitra amin’ilay fanantenana ireharehantsika hatramin’ny farany. 7  Noho izany, dia hoy ny fanahy masina:+ “Raha mihaino ny feony ianareo anio, 8  dia aza manamafy ny fonareo hoatran’ny tamin’ilay fotoana nampahatezitra be ahy, tamin’ilay andro nitsapana ahy tany an-tany efitra.+ 9  Nitsapa toetra ahy mantsy ny razambenareo tamin’izay, na dia efa hitany aza ny asa nataoko nandritra ny 40 taona.+ 10  Noho izany, dia lasa rikoriko tamin’izany taranaka izany aho ka nilaza hoe: ‘Mafy loha foana ireo sady tsy manao afa-tsy izay tiany, ary tsy fantany ny lalako.’ 11  Tezitra àry aho sady nianiana hoe: ‘Tsy hiditra amin’ny fitsaharako ireo.’”+ 12  Tandremo, ry rahalahy, sao misy aminareo lasa manana fo ratsy sady tsy mino, ka hiala amin’ilay Andriamanitra velona.+ 13  Miezaha foana kosa hifampahery isan’andro, raha mbola eo koa ilay antsoina hoe “Anio”,+ sao hisy ho lasa mafy fo ianareo satria mahavita mamitaka anareo ny ota. 14  Tsy hahazo an’izay efa azon’i* Kristy mantsy isika, raha tsy tazonintsika mafy hatramin’ny farany ilay toky nananantsika tamin’ny voalohany.+ 15  Voalaza mantsy hoe: “Raha mihaino ny feony ianareo anio, dia aza manamafy ny fonareo toy ny tamin’ilay fotoana nampahatezitra be ahy.”+ 16  Fa iza moa no naheno ny feon’Andriamanitra nefa mbola nampahatezitra be azy ihany? Tsy izay rehetra nentin’i Mosesy nivoaka avy tany Ejipta ve?+ 17  Iza koa no naharikoriko an’Andriamanitra nandritra ny 40 taona?+ Tsy izay nanota ve ka niampatrampatra tany an-tany efitra ny fatiny?+ 18  Ary tamin’iza izy no nianiana hoe tsy hiditra amin’ny fitsaharany ireo? Tsy tamin’ireo tsy nankatò ve? 19  Hitantsika àry fa tsy afaka niditra izy ireo satria tsy nino.+

Fanamarihana

Na: “nasaina.”
Na: “Mendri-pitokisana teo anatrehan’Ilay.”
Izany hoe Jesosy.
Na: “Porofon’ny; Vavolombelon’ny.”
Na: “Tsy ho mpiombona amin’i.”