Hebreo 4:1-16

  • Raha tsy miditra amin’ny fitsaharan’Andriamanitra (1-10)

  • Andao hiditra amin’ny fitsaharan’Andriamanitra (11-13)

    • Velona ny tenin’Andriamanitra (12)

  • Jesosy, ilay mpisoronabe ambony (14-16)

4  Mampanantena Andriamanitra hoe mbola hiditra amin’ny fitsaharany isika. Noho izany, dia andao isika hiambina* sao hisy aminareo ho lasa tsy mendrika an’izany fampanantenana izany.+ 2  Isika koa mantsy mba efa nitoriana ny vaovao tsara+ hoatr’azy ireo. Tsy nahasoa azy ireo akory anefa ny zavatra henony, satria tsy mba nanana finoana matanjaka hoatran’ireo olona nihaino izy ireo. 3  Isika izay mino mantsy no tena miditra amin’ilay fitsaharana. Fa raha ny amin’izy ireo indray, dia efa nilaza izy hoe: “Tezitra àry aho sady nianiana hoe: ‘Tsy hiditra amin’ny fitsaharako ireo’”,+ na dia efa hatramin’ny nanorenana an’izao tontolo izao aza ny asany no vita.+ 4  Hoy mantsy izy momba ny andro fahafito, ao amin’ny andininy iray: “Ary nitsahatra tamin’ny asany rehetra Andriamanitra tamin’ny andro fahafito.”+ 5  Hoy koa izy ao amin’ny andininy iray: “Tsy hiditra amin’ny fitsaharako ireo.”+ 6  Mbola azo atao ny miditra amin’izany fitsaharana izany, ary izay nitoriana ny vaovao tsara tamin’ny voalohany koa tsy niditra satria tsy nankatò.+ 7  Noho izany àry, dia mbola nifidy andro iray izy ka nilaza tao amin’ny salamon’i Davida, ela be tatỳ aoriana, hoe: “Anio.” Efa voalaza tetsy aloha koa mantsy hoe: “Raha mihaino ny feony ianareo anio, dia aza manamafy ny fonareo.”+ 8  Fa raha tena nentin’i Josoa+ tany amin’ny toeram-pitsaharana izy ireo, dia tsy ho niresaka andro anankiray hafa Andriamanitra taorian’izany. 9  Mbola misy sabata fitsaharana ho an’ny vahoakan’Andriamanitra+ àry. 10  Fa izay olona niditra tamin’ny fitsaharan’Andriamanitra, dia nitsahatra tamin’ny asany koa, hoatran’ny nataon’Andriamanitra.+ 11  Andao àry isika hanao izay rehetra azontsika atao mba hidirana amin’izany fitsaharana izany, sao hisy amintsika ho lasa tsy mankatò hoatr’azy ireo koa.+ 12  Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra,+ sady maranitra noho ny sabatra roa lela,+ ary manindrona ka mahavita manavaka an’izay miseho etỳ ivelany sy ny any am-po, sady mahavita manasaraka ny tonon-taolana sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritry ny fo sy ny fikasany. 13  Ary tsy misy zavaboary miafina eo imasony,+ fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy mibaribary eo imason’ilay hanao ampamoaka antsika.+ 14  Ary manana mpisoronabe ambony isika. I Jesosy Zanak’Andriamanitra+ izany mpisoronabe izany, ary efa lasa nankany an-danitra izy. Andao àry horesahintsika amin’olona foana ny zavatra inoantsika momba azy.+ 15  Fa ny antsika tsy hoe mpisoronabe tsy mba mahay mangoraka antsika amin’ny fahalementsika,+ fa mpisoronabe efa notsapaina tamin’ny zavatra rehetra hoatr’antsika koa, nefa tsy nanota.+ 16  Andao àry isika hanatona ny seza fiandrianan’ilay Andriamanitra maneho hatsaram-panahy miavaka, sady ho sahy hiteny+ rehefa manao an’izany. Amin’izay isika hahazo famindram-po ary hanehoana hatsaram-panahy miavaka, mba hanampiana antsika amin’ny fotoana mety.

Fanamarihana

Abt: “hatahotra.”