Hebreo 6:1-20

6  Koa satria efa nialantsika ny fampianarana fototra+ momba an’i Kristy,+ dia aoka isika handroso haingana ho amin’ny fahamatorana,+ ka tsy hametraka fototra indray,+ dia fibebahana amin’ny asa maty,+ finoana an’Andriamanitra,+  fampianarana ny amin’ny batisa samihafa+ sy fametrahan-tanana+ sy fitsanganana amin’ny maty+ ary fitsarana mandrakizay.+  Ary hanao izany isika, raha avelan’Andriamanitra.+  Fa izay olona efa nohazavaina indray mandeha monja,+ sy efa nanandrana ny fanomezana maimaim-poana+ avy any an-danitra, sy efa anisan’ny nahazo ny fanahy masina,+  ary efa nanandrana+ ny teny tsaran’Andriamanitra sy ny herin’ilay tontolo ho avy,+  kanefa nihemotra,+ dia tsy azo velomina indray ho amin’ny fibebahana,+ satria mamantsika ny Zanak’Andriamanitra amin’ny hazo fijaliana indray izy ireo, ka manala baraka azy ampahibemaso.+  Mifoka ny ranonorana milatsaka matetika eo aminy, ohatra, ny tany ka mamokatra zavamaniry tsara ho an’ny mpamboly.+ Amin’izay ny tany dia mahazo fitahiana avy amin’Andriamanitra.  Fa raha tsilo sy ahidratsy kosa no vokarin’izany tany izany, dia tsy misy ilana azy* ilay izy ary tsy ho ela dia hozonina,+ ka hodorana no hiafarany.+  Na dia miteny toy izany aza anefa izahay ry malala, dia matoky fa manana zavatra tsara kokoa ianareo, sy manana zavatra mitondra famonjena. 10  Andriamanitra mantsy tsy mba tsy marina ka hanadino izay nataonareo, sy ny fitiavana nasehonareo ho an’ny anarany,+ tamin’ny nikarakaranareo sady mbola ikarakaranareo ny olona masina.+ 11  Ary irinay ianareo tsirairay mba haneho fahazotoana toy izany koa, mba ho tena azonareo antoka tanteraka+ hatramin’ny farany+ ilay fanantenana.+ 12  Amin’izay dia tsy ho kamo ianareo,+ fa hanahaka+ kosa an’ireo mandova ny fampanantenana noho izy ireo nanana finoana sy faharetana.+ 13  Fa nianiana tamin’ny tenany Andriamanitra fony izy nilaza ny fampanantenany tamin’i Abrahama,+ satria tsy misy lehibe noho ny tenany azony nianianana.+ 14  Koa hoy izy: “Hitahy dia hitahy anao tokoa aho, ary hataoko maro dia maro ianao.”+ 15  Koa nahazo izany fampanantenana izany i Abrahama, rehefa avy nampiseho faharetana.+ 16  Fa mianiana amin’izay lehibe noho izy ny olona.+ Ary mampitsahatra ny adihevitra rehetra ny fianianana ataony, satria efa antoka ara-dalàna izany amin’ny olona.+ 17  Ary nanao toy izany Andriamanitra ka nianiana rehefa te hampiseho mazava kokoa amin’ireo mpandova+ ny fampanantenana fa tsy miova+ ny fikasany. 18  Amin’izay dia mba ho zavatra roa tsy mety miova sady tsy hain’Andriamanitra andaingana+ no ahazoantsika fampirisihana mafy mba hifikitra amin’ny fanantenana+ napetraka teo anoloantsika, dia isika izay nandositra ho amin’ny fialofana. 19  Izany fanantenana+ ananantsika izany no vatofantsiky ny aintsika, sady azo antoka no mafy orina, ary miditra ao ambadiky ny ridao.+ 20  Tao koa no niditra ho antsika ny mpialoha lalana,+ dia i Jesosy, izay tonga mpisoronabe mandrakizay tahaka an’i Melkizedeka.+

Fanamarihana

A.b.t.: “lavina.”