Hebreo 9:1-28

  • Fanompoana masina tao amin’ny toerana masina tetỳ an-tany (1-10)

  • Niditra tany an-danitra i Kristy nitondra ny rany (11-28)

    • Mpanelanelana amin’ny fifanekena vaovao (15)

9  Ary tao amin’ilay fifanekena taloha, dia nisy lalàna momba ny fanompoana masina, sady nisy toerana masina+ tetỳ an-tany. 2  Fa naorina ny efitra voalohany tao amin’ny tranolay, ka tao amin’io efitra io no nisy ny fitoeran-jiro+ sy ny latabatra ary ny mofo atolotra.*+ Ary nantsoina hoe Toerana Masina+ io efitra io. 3  Tao ambadik’ilay ridao faharoa+ kosa no nisy an’ilay efitra nantsoina hoe Masina Indrindra.+ 4  Tao no nisy ny fitaovana volamena fandoroana emboka manitra+ sy ny Vata misy ny fifanekena.+ Nopetahana takela-bolamena+ ilay Vata manontolo, ary tao amin’izy io ny siny volamena nisy ny mana,+ sy ilay tehin’i Arona nitsimoka,+ ary ny takela-baton’ny+ fifanekena. 5  Ary teo amboniny no nisy ny kerobima be voninahitra, izay nanaloka an’ilay sarony fampihavanana.*+ Tsy izao anefa no fotoana tokony hiresahana an’izany rehetra izany amin’ny an-tsipiriany. 6  Rehefa voaorina hoatr’izany ireo zavatra ireo, dia miditra ao amin’ny efitra voalohany ao amin’ilay tranolay ny mpisorona mba hanao fanompoana masina, ary miditra ao isan’andro izy.+ 7  Ny mpisoronabe irery anefa no miditra ao amin’ilay efitra faharoa, indray mandeha isan-taona.+ Ary tsy miditra ao izy raha tsy mitondra ra,+ izay atolony noho ny fahotany+ sy noho ny fahotana nataon’ny vahoaka+ vokatry ny tsy fahalalan’izy ireo. 8  Asehon’ny fanahy masina mazava amin’izany àry, fa mbola tsy naharihary ny lalana mankao amin’ny toerana masina raha mbola teo ilay tranolay voalohany.+ 9  Fanoharana ilazana an’izao fotoana izao+ io tranolay io. Araka io fanoharana io, dia misy fanomezana sy sorona atolotra.+ Tsy mahatonga an’izay manao fanompoana masina hanana feon’ny fieritreretana madio tanteraka anefa ireny.+ 10  Zavatra momba ny sakafo sy ny zava-pisotro ary ny fombafomba fisasana*+ samihafa fotsiny ireny. Zavatra notakin’ny lalàna momba ny vatana ireny,+ ary natao nanan-kery mandra-pahatongan’ny fotoana voatondro hanitsiana ny zava-drehetra. 11  Efa lasa mpisoronabe anefa i Kristy, ary mandray fitahiana avy amin’izany isika. Rehefa lasa mpisoronabe izy, dia niditra tao amin’ny tranolay lehibe kokoa sy lavorary kokoa ary tsy nataon’ny tanan’olona, izany hoe tsy anisan’ny zavatra eto an-tany. 12  Indray mandeha fotsiny izy no niditra tao amin’ny toerana masina, nefa tsy ran’osilahy sy ran’ny vantotr’ombilahy no nentiny, fa ny ran’ny tenany,+ ary tamin’ny alalany no nahazoantsika fanafahana* mandrakizay.+ 13  Fa raha ny ran’osilahy sy ny ran’ombilahy+ ary ny lavenon’ny vantotr’ombivavy nafafy teo amin’izay naloto aza manamasina sy manadio ny vatana,+ 14  mainka fa ny ran’i Kristy!+ Natolony ho sorona tsy misy tsiny ho an’Andriamanitra mantsy ny tenany noho ny fiasan’ny fanahy masina mandrakizay. Ny rany koa no manadio ny feon’ny fieritreretantsika, ka tsy manao asa tsy misy dikany*+ intsony isika. Amin’izay isika dia ho afaka hanao fanompoana masina ho an’ilay Andriamanitra velona.+ 15  Izany no mahatonga azy ho mpanelanelana amin’ny fifanekena vaovao.+ Amin’izay dia hahazo an’ilay fampanantenana momba ny lova mandrakizay+ ny olona voantso. Maty mantsy i Kristy ka ny vidim-panavotana+ no nanafahany azy ireo noho izy ireo nandika lalàna teo ambanin’ilay fifanekena taloha. 16  Rehefa misy fifanekena atao mantsy, dia tokony ho faty ilay olona nanao fifanekena. 17  Fa ny fahafatesana no mampanan-kery ny fifanekena, satria tsy manan-kery mihitsy ilay izy raha mbola velona ilay olona nanao fifanekena. 18  Noho izany, na ilay fifanekena taloha aza tsy natao nanan-kery* raha tsy nisy ra nalatsaka. 19  Fa rehefa nolazain’i Mosesy tamin’ny olona rehetra ny didy tsirairay tao amin’ny Lalàna, dia nalainy ny ran’ny vantotr’ombilahy sy ny ran’osilahy ary ny rano, ka nafafiny teo amin’ny boky* sy ny vahoaka rehetra, ary volonondry mena midorehitra sy hysopa no namafazany an’izany. 20  Hoy izy tamin’izay: “Ity no ran’ny fifanekena nataon’Andriamanitra taminareo, dia ilay fifanekena nasainy nohajainareo.”+ 21  Nofafazany ra koa ny tranolay sy ny fitaovana rehetra fanaovana fanompoana masina.*+ 22  Saika ny zava-drehetra no diovina amin’ny ra,+ araka ny Lalàna. Ary raha tsy misy ra alatsaka dia tsy misy famelan-keloka.+ 23  Tsy maintsy nodiovina hoatr’izany+ koa àry ny taratry+ ny zavatra any an-danitra. Mila sorona tsara lavitra noho izany anefa ny zavatra any an-danitra. 24  I Kristy mantsy tsy niditra tao amin’ny toerana masina nataon’ny tanan’olona,+ izany hoe toerana masina sahala amin’ilay tena izy,+ fa niditra tany an-danitra mihitsy,+ mba hiseho eo anatrehan’Andriamanitra* ho antsika amin’izao.+ 25  Tsy hoe nanao an’izany izy mba hanao sorona ny tenany imbetsaka, tsy hoatran’ny mpisoronabe izay miditra isan-taona+ ao amin’ny toerana masina, sady mitondra ra nefa tsy ny ran’ny tenany. 26  Raha izany mantsy, dia ho voatery nijaly matetika izy nanomboka tamin’ny nanorenana an’izao tontolo izao. Efa niseho indray mandeha fotsiny anefa izy mandritra ny fotoana ifaranan’izao tontolo izao,* mba hanala tanteraka ny ota amin’ny alalan’ilay sorona nataony.+ 27  Maty indray mandeha fotsiny ny olona, ary hotsaraina aorian’izay, 28  dia hoatr’izany koa fa natolotra indray mandeha fotsiny i Kristy mba hitondra ny fahotan’ny olona maro.+ Ary rehefa miseho fanindroany izy, dia tsy hoe hanala fahotana,* fa hiseho amin’izay miandry azy mafy mba hamonjy azy ireo.+

Fanamarihana

Na: “mofo aseho.”
Na: “toerana fandrakofam-pahotana.”
Abt: “ny batisa.”
Abt: “vidim-panavotana; fanavotana.”
Abt: “asa maty.”
Abt: “tsy notokanana.”
Na: “horonam-boky.”
Na: “fanompoana ho an’ny besinimaro.”
Abt: “eo anatrehan’ny tarehin’Andriamanitra.”
Na: “ifaranan’izao vanim-potoana izao.” Jereo F.T.
Na: “tsy hoe noho ny fahotana.”