Hosea 1:1-11

  • Vadin’i Hosea sy ny zanaka naterany (1-9)

    • Jezirela (4), Lo-rohama (6), ary Lo-amy (9)

  • Fanantenana hoe hangonina ny Israely mba hiray hina (10, 11)

1  Niteny tamin’i Hosea* zanak’i Bery i Jehovah, tamin’ny andron’i Ozia+ sy Jotama+ sy Ahaza+ ary Hezekia,+ izay samy mpanjakan’ny Joda,+ sy tamin’ny andron’i Jeroboama+ zanak’i Joasy,+ mpanjakan’ny Israely. 2  Dia nanomboka nampita ny teniny tamin’ny vahoaka, tamin’ny alalan’i Hosea, i Jehovah. Ary hoy i Jehovah tamin’i Hosea: “Mandehana maka vady. Ary hijangajanga* ilay vadinao, dia hahazo zanaka avy amin’ny fijangajangany* ianao. Nijangajanga* mantsy ity tany ity ka niala tanteraka tamin’i Jehovah.”+ 3  Nanambady an’i Gomera zanakavavin’i Diblaima àry i Hosea. Dia bevohoka i Gomera ka nitera-dahy taminy. 4  Ary hoy i Jehovah taminy: “Ataovy hoe Jezirela* ny anarany, fa kely sisa dia hofaiziko ny taranak’i Jeho+ satria namono olona* be dia be tao Jezirela. Ary hataoko tsy hisy mpanjaka intsony avy amin’ny taranak’Israely.+ 5  Amin’izany andro izany, dia hotapahiko eo amin’ny Lohasahan’i* Jezirela ny tsipìkan’ny Israely.” 6  Ary bevohoka indray i Gomera ka niteraka vavikely. Dia hoy Andriamanitra tamin’i Hosea: “Ataovy hoe Lo-rohama* ny anarany, satria tsy hamindra fo+ amin’ny taranak’Israely intsony aho, fa tena horoahiko izy ireo.+ 7  Ny taranak’i Joda+ kosa no hamindrako fo. Amin’ny herin’i Jehovah Andriamaniny no hamonjeko azy,+ fa tsy amin’ny sabatra na tsipìka na ady na soavaly na mpitaingin-tsoavaly.”+ 8  Rehefa nisara-nono i Lo-rohama, dia bevohoka indray i Gomera ka nitera-dahy. 9  Ary hoy Andriamanitra: “Ataovy hoe Lo-amy* ny anarany, satria tsy vahoakako ianareo, ary tsy ho Andriamanitrareo aho. 10  “Ho lasa be dia be anefa ny Israelita,* hoatran’ny fasika any an-dranomasina, izay tsy voafatra na voaisa.+ Ary any amin’ilay toerana nilazako tamin’izy ireo hoe: ‘Tsy vahoakako ianareo’,+ no hilazako aminy hoe: ‘Zanak’ilay Andriamanitra velona ianareo.’+ 11  Hangonina ny vahoakan’i Joda sy ny vahoakan’Israely mba hiray hina,+ ka hifidy mpitondra iray hitarika azy izy ireo. Dia hiala ao amin’ilay tany izy ireo, satria ho andro lehibe ho an’i Jezirela+ izany.

Fanamarihana

Fanafohezana ny hoe Hosaia, izay midika hoe “Novonjen’i Jah; Namonjy i Jah.”
Na: “hivaro-tena.”
Na: “fivarotan-tenany.”
Na: “Nivaro-tena.”
Midika hoe “Hamafy Voa Andriamanitra.”
Abt: “nandatsa-dra.”
Na: “Lemaka Ivan’i.”
Midika hoe “Tsy Namindrana Fo.”
Midika hoe “Tsy Vahoakako.”
Na: “zanak’Israely.”