Hosea 10:1-15

  • Voaloboka efa simba ny Israely, ary haringana (1-15)

10  “Voaloboka efa simba* ny Israely, sady mamoa.+ Rehefa mihabetsaka ny voany, dia vao mainka manao alitara be dia be izy.+Rehefa mihamamokatra ny taniny, dia vao mainka ataony tsara tarehy ny tsato-kazony masina.+  2  Mihatsaravelatsihy* ny fony,Ka ho hita hoe meloka izy ireo. Hisy hanapotika ny alitarany, ary hisy handrava ny tsato-kazony masina.  3  Dia hiteny izy ireo hoe: ‘Tsy manana mpanjaka isika,+ satria tsy natahotra an’i Jehovah. Ary na manana aza moa, inona no ho azony atao ho antsika?’  4  Manao fampanantenana poakaty izy ireo, mianiana lainga,+ ary manao fifanekena.Hoatran’ny zavamaniry misy poizina eny an-tanimboly àry ny tsy rariny.+  5  Hatahotra noho izay hanjo an’ilay zanak’omby nataony sampy tao Beti-avena ny mponin’i Samaria.+ Halahelo an’ilay sampy izy ireoSy ny mpisoron’ny andriamani-kafa, izay nirehareha erỳ tamin’ilay zanak’omby sy tamin’ny voninahitr’izy io.Hatao sesitany lavitra azy ireo mantsy ilay zanak’omby.  6  Hoentina any Asyria izy io ka hatao fanomezana ho an’ny mpanjaka lehibe.+ Hatao afa-baraka i Efraima,Ary ho afa-baraka ny Israely satria nanaraka ny torohevitr’izy io.+  7  Haringana* i Samaria sy ny mpanjakany,+Toy ny tapaka rantsankazo eny ambony rano.  8  Horavana+ ny toerana avo ao Beti-avena,+ izay nahatonga ny Israely hanota.+ Hisy tsilo haniry eo amin’ny alitarany.+ Dia hilaza amin’ny tendrombohitra ny olona hoe: ‘Saròny izahay!’, Ary amin’ny havoana hoe: ‘Mianjerà aminay!’+  9  Efa tamin’ny andron’ireny zavatra nitranga tany Gibea ireny ny Israely no nanota.+ Tsy niova mihitsy izy ireo tany. Tsy ripaky ny* ady daholo ny olona nanao ny tsy marina tany Gibea. 10  Hanafay azy ireo àry aho rehefa te hanao an’izany. Ary hisy firenena hangonina hamely azy,Rehefa hafatotra eo amin’ny vozony ny fahadisoana roa nataony.* 11  Vantotr’ombivavy efa nozarina hiasa i Efraima, ary tia niasa teny am-pamoloana izy,Dia tsy nasiako zioga ny vozony tsara tarehy. Hasaiko hotaingenan’olona* anefa izao i Efraima,+ Dia hiasa tany i Joda, ary i Jakoba hamaky bainga. 12  Afafazo ny marina, dia hijinja fitiavana tsy mety lefy* ianareo.Tany azo volena no asao,+Dieny mbola misy ny fotoana itadiavana an’i Jehovah,+ Mandra-pahatongany hampianatra anareo hanao ny marina.+ 13  Namafy voa ratsy anefa ianareo satria nanao ratsy,Dia nijinja zava-dratsy.+Namitaka ianareo dia nihinana ny vokatr’izany.Natoky tena mantsy ianareo,Sady natoky an’ireo miaramilanareo be dia be. 14  Dia hihorakoraka hanafika ny firenenareo ny fahavalo.Ary horavana daholo ny tanànanareo misy manda,+Toy ny nandravan’i Salamana ny tranon’i Arbela,Tamin’ilay andron’ny ady, rehefa niara-natao torotoro ny vehivavy sy ny zanany. 15  Izany no hatao aminareo, ry Betela,+ satria be loatra ny ratsy vitanareo. Rehefa mazava ratsy ny andro, dia tsy maintsy haringana* ny mpanjakan’ny Israely.”+

Fanamarihana

Na mety hoe “Voaloboka misandrahaka.”
Na: “Malama.”
Abt: “Hatao tsy mahateny.”
Abt: “Tsy tratran’ny.”
Izany hoe rehefa hitondra ny saziny hoatran’ny mitondra zioga izy ireo.
Na: “Hasiako zioga.”
Na: “fitiavana sy tsy fivadihana.”
Abt: “hatao tsy mahateny.”