Hosea 11:1-12
11 “Tiako ny Israely tamin’izy mbola kely,+Ary nantsoiko hiala avy tany Ejipta ny zanako.+
2 Arakaraka ny niantsoan’ireny* azy ireoNo vao mainka nampitsoaka azy.+
Nanao sorona ho an’ny sarin’i Bala+ foana izy ireo,Ary nanao sorona ho an’ny sary sokitra.+
3 Izaho anefa no nampianatra an’i Efraima handeha,+ sy nitrotro azy.+Tsy nekeny anefa hoe izaho no nanasitrana azy.
4 Tady fitarihana olona* no nitarihako azy ireo, dia tadim-pitiavana.+Dia nesoriko teo amin’ny vozon’izy ireo ny ziogany,*Ary nanome sakafo azy tsirairay aho sady tsara fanahy taminy.
5 Tsy hiverina any Ejipta izy ireo, fa i Asyria no ho mpanjakany,+Satria tsy nety niverina tamiko izy.+
6 Ary hisy sabatra hihodinkodina ka hamely an’ireo tanànany,+Dia hanapatapaka ny bara hidim-bavahadiny sy handripaka azy ireo, satria izy ireo nitetika ny hanao ratsy.+
7 Aleon’ny vahoakako mivadika amiko.+
Na dia nantsoina hiverina ho any amin’ilay avo* aza izy ireo, dia tsy misy mitsangana na iray aza.
8 “Hataoko ahoana anefa ny hahafoy anao, ry Efraima ô?+
Ary hataoko ahoana no hanolotra anao amin’ny fahavalonao, ry Israely ô?
Hataoko ahoana no handrava anao hoatran’i Adma?
Ary hataoko ahoana no handrava anao hoatran’i Zeboima?+
Fa efa niova hevitra aho,Sady tena te hangoraka anao.*+
9 Tsy hanampatra ny hatezerako aho.
Tsy handringana an’i Efraima intsony koa aho.+Andriamanitra mantsy aho fa tsy olona,Ary izaho Ilay Masina eo aminareo.Tsy hamely anareo amin-katezerana aho.
10 Hanaraka an’i Jehovah izy ireo, ary hierona hoatran’ny liona Andriamanitra.+Rehefa mierona izy, dia hangovitra ny zanany ka hanatona azy avy any andrefana.+
11 Hangovitra hoatran’ny vorona izy ireo rehefa mivoaka avy any Ejipta,Dia hangovitra hoatran’ny voromailala rehefa mivoaka avy any Asyria.+Ary hapetrako ao an-tranony izy ireo”, hoy i Jehovah.+
12 “Nataon’i Efraima voahodidina lainga aho,Ary nataon’ny taranak’Israely voahodidina fitaka.+
Ny Joda anefa mbola miara-mandeha* amin’Andriamanitra,Ary tsy mivadika amin’Ilay Masina Indrindra.”+
Fanamarihana
^ Izany hoe ny mpaminany sy ny olon-kafa nirahina hampianatra ny Israely.
^ Na: “Tadin’ny hatsaram-panahy.” Mety ho nampiasa tady ny ray aman-dreny taloha mba hampianarana ny zanany handeha.
^ Abt: “Hoatran’ny olona nanala ny zioga teo amin’ny valanoranony aho.”
^ Izany hoe hiverina hanaraka ny fivavahana marina.
^ Abt: “mahamay ny fangorahako.”
^ Na: “miara-mandehandeha.”