Hosea 14:1-9

  • Miverena amin’i Jehovah (1-3)

    • Toy ny fanatitra ny fiderana (2)

  • Hositranina ny Israely dia tsy hivadika intsony (4-9)

14  “Miverena amin’i Jehovah Andriamanitrao, ry Israely ô!+Lavo mantsy ianao noho ny fahadisoana nataonao.  2  Miverena amin’i Jehovah ka milazà aminy hoe:‘Mba avelao ny fahadisoanay+ ary mba ekeo izay tsara avy aminay,Dia hidera anao izahay ka ho toy ny fanatitra vantotr’ombilahy ny fiderana ataon’ny molotray!*+  3  Tsy hamonjy anay i Asyria,+ Ary tsy hitaingin-tsoavaly izahay.+Tsy hiteny amin’ny asan’ny tananay intsony izahay hoe: “Ianao no Andriamanitray!”Ianao mantsy no mamindra fo amin’ny kamboty ray.’+  4  Hanasitrana azy ireo aho, dia tsy hivadika amiko intsony izy.+ Sitrapoko ny ho tia azy,+Satria tsy tezitra aminy intsony aho.+  5  Ho toy ny ando ho an’ny Israely aho,Dia hamelana hoatran’ny lisy izy,Ary hisy fakany lava be hoatran’ny fakan’ny hazon’i Libàna.  6  Hisandrahaka ireo rantsany,Dia ho tsara tarehy hoatran’ny hazo oliva izy,Ary ho manitra be hoatran’ny hazon’i Libàna.  7  Hipetraka eo ambany alokaloko indray ny vahoakako. Hamboly varimbazaha izy ireo, ary hitsimoka hoatran’ny voaloboka.+ Dia halaza be* hoatran’ny divain’i Libàna aho.  8  Hiteny i Efraima hoe: ‘Inona intsony no ilako sampy?’+ Fa hihaino azy aho ary hikarakara azy.+ Ho lasa hoatran’ny hazo zenevrie midoroboka aho, Dia ho eo amiko izy no haka voankazo.”  9  Iza no hendry? Asaivo miezaka hahazo ny dikan’izany izy! Ary iza no malina? Asaivo miezaka hahalala an’izany izy! Fa mahitsy ny lalan’i Jehovah,+Ka ny olo-marina no handeha eo amin’izy io,Fa ny mpandika lalàna kosa ho lavo eo.

Fanamarihana

Abt: “Dia hanolotra ny vantotr’ombilahin’ny molotray izahay.”
Abt: “hotsaroana.”