Hosea 4:1-19

  • Miady amin’ny Israely any amin’ny fitsarana i Jehovah (1-8)

    • Tsy misy mahalala an’Andriamanitra ao amin’ilay tany (1)

  • Manompo sampy sy mijangajanga ny Israely (9-19)

    • Te hijangajanga izy ireo ka manao zava-dratsy (12)

4  Henoy ny tenin’i Jehovah, ry vahoakan’Israely,Fa miady amin’ny mponin’ity tany ity any amin’ny fitsarana i Jehovah,+Satria tsy misy manao ny marina eto, na maneho fitiavana sy tsy mivadika, na mahalala an’Andriamanitra.+  2  Be dia be no mianiana lainga, mandainga,+ mamono olona,+Mangalatra ary manitsakitsa-bady.+Misesisesy koa ny fandatsahan-dra.+  3  Hisaona àry ny tany,+Ary ho reraka tsikelikely ny olona ao ka efa ho faty daholo.Dia ho faty ny bibidia sy ny voro-manidina,Ary na ny trondro any an-dranomasina koa aza.  4  “Tsy tokony hisy hiady aminao na hananatra+ anao anefa,Fa hoatran’ny olona miady amin’ny mpisorona+ ny firenenao.  5  Ho tafintohina amin’ny antoandro be, toy ny rehefa amin’ny alina, ianao.Dia ho tafintohina miaraka aminao koa ny mpaminany, Ary hovonoiko* ny reninao.  6  Ho ringana* ny vahoakako satria tsy mahalala ahy. Tsy mety mianatra momba ahy ianao,+Ka tsy hekeko ho mpisorona intsony.Manadino ny lalàn’ilay Andriamanitrao* ianao,+Dia hohadinoiko koa ny zanakao.  7  Nihabetsaka ny mpisorona nefa vao mainka ny olona nanota.+ Dia hataoko afa-baraka ny mpisorona fa tsy homeko voninahitra.*  8  Lasa matavy izy ireo rehefa manota ny vahoakako,Ary tena tiany hanota foana aza izy ireny.  9  Mitovy ihany ny vahoaka sy ny mpisorona,Ka samy hofaiziko izy ireo noho izay ataony.Ary hataoko mivaly aminy ny ratsy nataony.+ 10  Hihinana izy ireo nefa tsy ho voky,+ Ary hanao firaisana amin’olona be dia be* izy ireo nefa tsy hihamaro.+Tsy miraharaha an’i Jehovah mantsy izy ireo. 11  Ny fijangajangana* sy ny divay efa niotrika ela ary ny divay vaovaoNo mahatonga ny olona tsy te hanao ny tsara.*+ 12  Any amin’ny hazo ataony sampy ny vahoakako no mangataka hevitra,Ka izay lazain’ny tehiny* no ataony.Te hijangajanga* mantsy izy ireo ka manao zava-dratsy.Mijangajanga* izy ireo ka tsy mety manaiky an’Andriamanitra. 13  Eny an-tampon-tendrombohitra izy ireo no manao sorona,+Ary eny amin’ny havoana no ataony midona-tsetroka ny sorona ataony,Eo ambanin’ny hazo oaka sy ny hazo stiraksa ary ny hazobe rehetra,+Satria malomaloka tsara eny. Izany no mahatonga ny zanakareo vavy hijangajanga,*Sy ny vinantovavinareo hanitsakitsa-bady. 14  Tsy hofaiziko anefa ny zanakareo vavy na dia mijangajanga* aza,Ary tsy hofaiziko ny vinantovavinareo na dia manitsakitsa-bady aza. Ny lehilahy mantsy no lasa manaraka mpivaro-tena,Sy manao sorona miaraka amin’ny mpivaro-tenan’ny tempoly.Ho ringana ny olona tsy misaina+ hoatr’izany. 15  Na mijangajanga* aza ianao, ry Israely ô,+Dia enga anie i Joda mba tsy hanao hoatr’anao!+ Aza mankany Gilgala+ na Beti-avena,+Ary aza mianiana hoe: ‘Raha mbola velona koa i Jehovah!’+ 16  Fa lasa maditra hoatran’ny ombivavy maditra ny Israely.+ Koa i Jehovah ve dia mbola hiandry azy eny amin’ny tany be vilona,* toy ny ataon’ny mpiandry zanak’ondry? 17  Lasa mpanompo sampy i Efraima,+ Ka avelao izy ho any! 18  Rehefa laniny ny labierany,*Dia lasa mijangajanga* izy. Tena tia manao zavatra mahamenatra ny mpitondra* eo aminy.+ 19  Ho lasan’ny rivotra izy,Dia ho menatra noho ny sorona nataony.”

Fanamarihana

Na: “hataoko tsy mahateny.”
Na: “toromarik’ilay Andriamanitrao.”
Na: “Hataoko tsy mahateny.”
Na mety hoe “Natakalon’ny mpisorona fahafaham-baraka ny voninahitro.”
Na: “Ary hivaro-tena.”
Abt: “No maka ny fon’ny olona.”
Na: “fivarotan-tena.”
Na: “tehin’ny mpisikidy.”
Na: “hivaro-tena.”
Na: “Mivaro-tena.”
Na: “hivaro-tena.”
Na: “mivaro-tena.”
Na: “mivaro-tena.”
Abt: “tany malalaka.”
Na: “labierany vita amin’ny varimbazaha.”
Na: “mivaro-tena.”
Abt: “ampinga.”