Hosea 8:1-14

  • Hizaka ny vokatry ny fanompoan-tsampy (1-14)

    • Mamafy rivotra, hijinja tadio (7)

    • Nanadino ny Mpanao azy ny Israely (14)

8  “Tsofy ny anjombona!+ Fa misy fahavalo hoatran’ny voromahery tonga hamely ny tranon’i Jehovah,+Satria nivadika tamin’ny fifanekena nataoko+ taminy izy ireo, sady nandika ny lalàko.+  2  Miantso ahy izy ireo ka miteny hoe: ‘Ry Andriamanitray ô, mahafantatra anao izahay Israely.’+  3  Tsy nanao ny tsara intsony anefa ny Israely.+ Dia avelao izy henjehin’ny fahavalo!  4  Efa nanendry mpanjaka izy ireo, nefa tsy niteny tamiko akory. Efa nanendry andriana izy, nefa tsy niera tamiko. Ny volafotsiny sy ny volamenany no nanaovany sampy,+Ka ho ringana izy ireo.+  5  Nariako ilay zanak’ombinao, ry Samaria ô!+ Tezitra be aminao aho.+ Rahoviana ihany ianao vao tsy hanan-tsiny intsony?*  6  Fa avy tamin’ny Israely ilay zanak’ombin’i Samaria. Mpanao asa tanana no nanao azy, ka tsy Andriamanitra izy io,Dia hopotipotehina.  7  Fa rivotra no afafiny,Ka tadio no hojinjainy.+ Tsy mamoa ny varimbazaha na dia maniry aza.+Ary na mamoa aza dia tsy ahazoana lafarinina, Ary na ahazoana lafarinina aza, dia ny hafa firenena* no hihinana azy.+  8  Hatelin’ny fahavalo ny Israely.+ Ho lasa any amin’ireo firenena izy,+Toy ny vilany tsy misy ilana azy.  9  Niakatra tany Asyria izy,+ hoatran’ny ampondradia mandeha any amin’izay tiany fotsiny. Nanakarama mpivaro-tena i Efraima, dia ireny no niarahany.+ 10  Na dia manakarama an’ireny avy any amin’ireo firenena aza izy ireo,Dia hanangona azy ireo aho.Hijaly izy ireo+ satria hampitondra enta-mavesatra azy ny mpanjaka sy ny andriana. 11  Vao mainka nanao alitara be dia be i Efraima ka nanota.+ Nihamaro ny alitarany ka vao mainka izy ireo nanota.+ 12  Nanoratra lalàna* be dia be aho,Nefa tsy noraharahiany ireny.+ 13  Manolotra fanatitra atao fanomezana ho ahy izy ireo, dia mihinana ny henan’ilay fanatitra.Tsy tian’i Jehovah anefa ireny fanatitra ireny.+ Hahatsiaro ny fahadisoan’izy ireo izy, ka hanasazy azy noho izy nanota.+ Niverina tany* Ejipta izy ireo.+ 14  Nanadino ny Mpanao azy+ ny Israely, ka nanorina tempoly be dia be,+Ary ny Joda vao mainka nanao tanàna be dia be, sady nasiany manda ireny.+ Handefasako afo anefa ireny tanàna ireny,Ka ho levon’ny afo ny tilikambon’ny tanàna tsirairay.”+

Fanamarihana

Na: “vao hadio indray?”
Na: “ny vahiny.”
Na: “toromarika.”
Na mety hoe “Hiverina any.”