Isaia 10:1-34

10  Lozan’izay mamoaka fitsipika mampidi-doza,+ sy izay tsy mitsahatra manoratra didy mampahory,  mba hisakanana ny mahantra tsy ho eo amin’ny fitsarana, sy mba tsy hanomezana rariny an’ireo ory eo amin’ny vahoakako,+ sy mba hakana ny mpitondratena ho babo, ary mba handrobana ny kamboty ray!+  Koa ahoana no hataonareo rehefa tonga ny andro hifantohana aminareo,+ sy rehefa tonga ny fandravana avy any lavitra?+ Any amin’iza ianareo no handositra hitady fanampiana,+ ary havelanareo aiza ny voninahitrareo?+  Tsy maintsy hihohoka ao ambanin’ireo voafonja ianareo, sady ho lavo ao ambanin’ireo voavono.+ Noho izany faharatsiana rehetra izany, dia tsy mitony mihitsy ny fahatezerany, fa mbola maninjitra ny tanany ihany Izy.+  “Jereo ny Asyrianina+ izay tsorakazon’ny fahatezerako!+ Ary ny tehina eny an-tanany no hoentiko hanamelohana.  Hirahiko hamely firenena mpivadi-pinoana+ izy, ary hodidiako hamely an’ilay vahoaka iharan’ny fahatezerako,+ mba hamaboany zavatra maro sy handrobany zavatra be dia be, ary hanosihoseny azy toy ny fanosihosy fotaka eny an-dalambe.+  Na tsy toy izany aza izy dia ho voatosika hanao izany ihany, ary na tsy toy izany aza ny fony dia hanao tetika ihany izy, satria efa ao am-pony ny handringana+ sy ny handripaka firenena maro.+  Hilaza mantsy izy hoe: ‘Tsy mpanjaka koa angaha ireo andrianako?+  Tsy tahaka an’i Karkemisy+ ihany ve i Kalno?+ Tsy tahaka an’i Arpada+ ihany ve i Hamata?+ Ary tsy tahaka an’i Damaskosy+ ihany ve i Samaria?+ 10  Azon’ny tanako ireo fanjakan’ny andriamanitra tsy misy dikany, izay nanana sary sokitra maro kokoa noho ireo any Jerosalema sy Samaria.+ 11  Koa tsy toy ny nataoko tamin’i Samaria sy ny andriamaniny tsy misy dikany+ ihany ve no hataoko koa amin’i Jerosalema sy ny sampiny?’+ 12  “Rehefa vitan’i Jehovah daholo ny asany eo amin’ny Tendrombohitra Ziona sy any Jerosalema, dia hataoko ampamoaka ny mpanjakan’i Asyria, noho izy manivaiva sy miandranandrana manambony tena.+ 13  Fa hoy izy: ‘Amin’ny herin-tsandriko sy ny fahendreko no hanaovako zavatra,+ satria manam-pahalalana aho. Ary hanafoana ny sisin-tanin’ireo firenena aho,+ sady handroba ny zavatra nangoniny,+ ka handavo ny mponina toy ny ataon’ny lehilahy mahery.+ 14  Toy ny fakàna tranom-borona no hakako+ ny haren’ireo+ firenena, ary toy ny fanangon’ny olona ny atody tavela ao no hanangonako ny tany manontolo. Dia tsy hisy ho afaka hikopak’elatra na hanoka-bava na hikiakiaka.’” 15  Ny famaky ve dia hanandra-tena ho ambony noho izay mikapa aminy? Ny tsofa ve dia hihevi-tena ho ambony noho izay manatsofa aminy? Ny tehina indray ve no hanakipilipily an’ilay manainga azy? Sa ny tsorakazo no hanainga an’izay mitazona azy?+ 16  Koa handefa aretina mankahia any amin’ireo Asyrianina matavy i Jehovah+ Tompon’ny tafika, ilay tena Tompo. Ary hisy zavatra hirehitra toy ny firehitry ny afo eo ambanin’ny voninahitr’i Asyria.+ 17  Ho lasa afo+ ilay Fahazavan’ny+ Israely, ary ho lelafo+ Ilay Masiny. Hirehitra midedadeda izy io, ka holevoniny ao anatin’ny iray andro ny ahidratsy sy ny tsilon’i+ Asyria. 18  Hofoanany tanteraka ny voninahitry ny alan’i Asyria sy ny saham-boankazony,+ ka hitsonika toy ny olona marary.+ 19  Hazo vitsy kely sisa no ho tavela any an’alany, ka na ankizilahikely aza dia hahasoratra ny isany.+ 20  Amin’izany andro izany, dia tsy hiantehitra intsony amin’ilay namely azy+ ny sisa tavela amin’i Israely,+ sy ny sisa miangana amin’ny taranak’i Jakoba. Fa i Jehovah Ilay Masin’ny Israely+ kosa no tena hianteheran’izy ireo.+ 21  Hisy sisa tavela hiverina amin’ilay Andriamanitra Mahery, dia ireo sisa amin’i Jakoba.+ 22  Fa na maro toy ny fasika any an-dranomasina aza ny olonao,+ ry Israely, dia ny sisa amin’izy ireo ihany no hiverina.+ Ho avy toy ny safodrano ny fandripahana+ efa voatendry, ary ho ara-drariny+ izany, 23  satria hahatonga fandripahana+ sy hampihatra didim-pitsarana hentitra eo amin’ilay tany manontolo i Jehovah Tompon’ny tafika,+ ilay Tompo Fara Tampony. 24  Koa izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika, ilay Tompo Fara Tampony:+ “Ry oloko mitoetra any Ziona!+ Aza matahotra noho ny amin’ny Asyrianina izay namely anareo tamin’ny tsorakazo,+ sady nanainga ny tehiny hamelezana anareo toy ny nataon’i Ejipta.+ 25  Fa tsy ho ela dia ho tanteraka ny fanamelohana,+ ary hihatra amin’izy ireo ny fahatezerako ka handany azy.+ 26  Ary i Jehovah Tompon’ny tafika dia hanambana azy amin’ny karavasy,+ toy ny tamin’ny fotoana naharesy ny Midianina, teo akaikin’ny harambaton’i Oreba.+ Ho eo ambony ranomasina ny tehiny,+ ary hingainy toy ny nataony tamin’i Ejipta izany.+ 27  “Amin’izany andro izany, dia hiala tsy ho eo an-tsorokao ny entana nampitondrain’i Asyria,+ ary hiala tsy ho eo am-bozonao ny ziogany+ ka ho tapatapaka,+ noho ny fisian’ny menaka.” 28  Tonga tao Aiata+ i Asyria, ary nandalo an’i Migrona. Dia napetrany tao Mikmasy+ ny fitaovany. 29  Ary nandeha teo amin’ny toerana fiampitana izy, ka natory tao Geba.+ Mihorohoro i Rama,+ ary mandositra i Gibean’i+ Saoly. 30  Miantsoantsoa, ry zanakavavin’i Galima!+ Mihainoa, ry Laisy! Miantsoantsoa ianao, ry Anatota,+ izay ampahorina! 31  Mandositra i Madmena, ary mitady fialofana ny mponin’i Gebima. 32  Hijanona ao Noba+ i Asyria raha mbola antoandro ny andro. Hambanany amin’ny tanany ny tendrombohitr’i Ziona zanakavavy, dia ilay havoanan’i Jerosalema.+ 33  I Jehovah Tompon’ny tafika, ilay tena Tompo, dia hanapaka an’ireo sampana ka hampidaraboka azy mafy.+ Hokapaina ireo hazo avo, ary hietry ny olona ambony.+ 34  Nokapainy tamin’ny fitaovana vy ny kirihitrala, ary hisy mahery handavo an’i Libanona.+

Fanamarihana