Isaia 11:1-16

11  Hisy rantsana+ hitsiry avy amin’ny foto-kazon’i Jese,+ ary hisy tsimoka+ hipoitra avy amin’ny fakany ka hamokatra.+  Hitoetra eo aminy ny fanahin’i* Jehovah,+ dia fanahy manome fahendrena+ sy fahiratan-tsaina+ sy torohevitra sy hery+ sy fahalalana,+ ary tahotra an’i Jehovah.+  Hahafaly azy ny fahatahorana an’i Jehovah.+ Tsy hitsara araka izay hitan’ny masony fotsiny izy, na hananatra araka izay ren’ny sofiny,+  fa araka ny rariny no hitsarany ny mahantra,+ ary araka ny hitsiny no hananarany ny olona ho tombontsoan’ny mpandefitra eto an-tany. Hikapoka ny tany amin’ny tehin’ny vavany izy,+ ary izay aloaky ny vavany* no hamonoany ny ratsy fanahy ho faty.+  Fehikibo eo amin’ny andilany ny fahamarinana,+ ary fehikibo anaovany koa ny tsy fivadihana.+  Dia hiaraka tsindraindray ny zanak’ondry sy ny amboadia,+ hatoritory hiaraka amin’ny zanak’osy ny leopara, ary hiaraka daholo ny zanak’omby sy ny liona tanora+ ary ny biby nohatavezina,+ ka ankizilahikely no hitarika azy ireo.  Hiara-misakafo ny ombivavy sy ny orsa, ary hiara-matoritory ny zanany. Na ny liona aza hihina-mololo toy ny omby.+  Hilalao eo amin’ny lavaky ny kôbrà+ ny zaza minono, ary ny zaza nisara-nono dia hametraka ny tanany eo amin’ny lavaky ny bibilava misy poizina.  Tsy handratra+ na hanimba eran’ny tendrombohitro masina+ izy ireo, satria ho feno fahalalana an’i Jehovah ny tany, toy ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.+ 10  Amin’izany andro izany+ dia hisy fakan’i Jese+ hitsangana ho toy ny tsato-kazo famantarana ho an’ireo firenena.+ Izy no hotadiavin’ireo firenena ka hanontaniany,+ ary ho be voninahitra ny toeram-ponenany.+ 11  Amin’izany andro izany dia hanome tanana indray i Jehovah, eny, hanao izany fanindroany izy,+ mba hanangonany ny olony sisa niangana, avy any Asyria+ sy Ejipta+ sy Patrosa+ sy Kosy+ sy Elama+ sy Sinara+ sy Hamata ary avy any amin’ireo nosin-dranomasina.+ 12  Ary hanangana tsato-kazo famantarana ho an’ireo firenena izy ka hanangona an’ireo Israelita niparitaka.+ Dia hangoniny avy any amin’ny vazan-tany efatra ny mponin’i Joda izay niely.+ 13  Dia tsy hialona intsony i Efraima,+ ary haripaka ireo mankahala an’i Joda. I Efraima tsy hialona an’i Joda, ary i Joda tsy hankahala an’i Efraima.+ 14  Dia hanidina ho any amin’ny tehezan-kavoanan’ny Filistinina any andrefana+ izy ireo, ka hiaraka handroba an’ireo zanaky ny Atsinanana.+ Amin’i Edoma sy Moaba no haninjiran’izy ireo ny tanany,+ ary ny taranak’i Amona no hofeheziny.+ 15  Koa hohamainin’i Jehovah ny helodranomasin’i Ejipta,+ ary hambanany amin’ny tanany sy amin’ny rivotra mahamay ny Renirano.+ Dia hamely an’ireo sampany fito izy, ary ny olona dia hampandehaniny tsy miala kapa.+ 16  Ary hisy lalambe+ avy any Asyria ho an’ny olony sisa miangana,+ izay sisa tavela,+ toy ny nisian’ny lalambe ho an’ny Israely tamin’ny andro nivoahany avy tany Ejipta.

Fanamarihana

‘fanahy.’ Heb.: roah. Jereo F.F. 3B.
A.b.t.: “fanahin’ny molony.”