Isaia 12:1-6

12  Hiteny toy izao ianao amin’izany andro izany:+ “Hisaotra anao aho, Jehovah ô, satria na dia tezitra be tamiko aza ianao, dia nitony ihany ny fahatezeranao,+ ary nampionona ahy ianao.+  Andriamanitra no mpamonjy ahy.+ Hatoky aho ka tsy hatahotra,+ satria i Jah* Jehovah no tanjako sy heriko,+ ary izy no mpamonjy ahy.”+  Amim-pifaliana no hanovozanareo rano ao amin’ny loharanon’ny famonjena.+  Hiteny toy izao koa ianareo amin’izany andro izany: “Misaora an’i Jehovah, rey olona!+ Miantsoa ny anarany.+ Ampahafantaro an’ireo firenena ny zavatra nataony.+ Ambarao fa misandratra ny anarany.+  Manaova hira fiderana ho an’i Jehovah,+ fa lehibe tokoa ny zavatra nataony,+ ary ambara eran-tany izany.  “Mihorakoraha sy mihobia, ry mponin’i Ziona, fa Ilay Masin’ny Israely dia lehibe eo anivonareo.”+

Fanamarihana

Fanafohezana ny hoe Jehovah.