Isaia 13:1-22

13  Ny fanamelohana an’i Babylona,+ tao amin’ny fahitana azon’i Isaia zanak’i Amoza:+  “Manangàna tsato-kazo famantarana+ eo amin’ny tendrombohitra mangadihady. Dia antsoy izy ireo, ka hofahofao tanana+ mba hidirany eo amin’ny fidiran’ny olona ambony.+  Nanome baiko an’ireo nohamasiniko aho,+ ary nantsoiko mba hampihatra ny fahatezerako ireo olo-maheriko,+ dia ireo dibo-kafaliana indrindra.  Injay ny feon’ny vahoaka any an-tendrombohitra, toy ny fitabataban’ny vahoaka be!+ Injay ny tabataban’ireo fanjakana, dia ireo firenena voangona!+ Angonin’i Jehovah Tompon’ny tafika ireo miaramila mpiady.+  Tonga avy any an-tany lavitra,+ eny, avy any amin’ny faravodilanitra i Jehovah sy ny fitaovam-piadiana fanamelohany, mba handrava ny tany manontolo.+  “Midradradradrà, rey olona,+ fa akaiky ny andron’i Jehovah!+ Ho avy toy ny fandrobana ataon’ilay Mahery Indrindra izany.+  Koa hiraviravy tanana ny rehetra, ary hihorohoro daholo ny fon’ny olombelona mety maty.+  Ho very hevitra ny olona.+ Ho tratran’ny fanintona izy ireo sady hanaintaina toy ny mihetsi-jaza, eny, hanaintaina toy ny vehivavy efa hiteraka.+ Hifampijery izy ireo sady ho gagagaga, ary hivaloarika ny tarehiny.+  “Ho avy ny andron’i Jehovah, izay andro feno fisafoahana sy fahatezerana tsy azo ivalozana, mba hahatonga an’ilay tany higagan’ny olona,+ sy mba handripahana ny mpanota tsy ho ao intsony.+ 10  Tsy hampamirapiratra ny hazavany ny kintana eny amin’ny lanitra sy ireo antokon-kintana Kesila.+ Vao miposaka ny masoandro dia efa maizina, ary tsy hampamirapiratra ny hazavany ny volana. 11  Dia hatsingeriko amin’ny tany ny faharatsiany,+ ary hatsingeriko amin’ny ratsy fanahy ny fahadisoany. Hatsahatro koa ny fireharehan’izay sahisahy ratsy, ary haetriko ny fiandranandran’ny mpitondra jadona.+ 12  Hataoko vitsy kokoa noho ny volamena voadio tsy fahita firy ny olona,+ ary ny olombelona ho vitsy kokoa noho ny volamena avy any Ofira izay tsy fahita firy.+ 13  Koa hataoko mihorohoro ny lanitra+ ary hihovotrovotra hiala amin’ny toerany ny tany, noho ny fisafoahan’i Jehovah Tompon’ny tafika,+ amin’ny andro hampiharany ny fahatezerany mirehitra.+ 14  Ho toy ny gazela noroahina sy ny andian’ondry tsy misy manangona izy ireo,+ ka samy hody any amin’ny fireneny avy, ary samy handositra any amin’ny taniny avy.+ 15  Ho voatrobaka izay rehetra hita ao, ary ho lavon-tsabatra izay rehetra tratra ao.+ 16  Ny zanany hotorotoroina eo imasony,+ ny tranony horobaina, ary ny vadiny hovetavetaina.+ 17  “Koa hoentaniko hamely azy ireo ny Medianina,+ izay tsy miraharaha volafotsy sady tsy tia volamena. 18  Dia hotorotoroin’izy ireo amin’ny tsipìka ny tovolahy.+ Ny aloaky ny kibo tsy hananany antra,+ ary ny ankizy tsy hangorahany. 19  Dia ho rava toy ny nanaovan’Andriamanitra an’i Sodoma sy Gomora+ i Babylona, ilay ravak’ireo fanjakana,+ ilay hatsaran-tarehin’ny Kaldeanina+ sy reharehany. 20  Tsy honenana intsony izy,+ ary tsy hisy toerana ho azy intsony hatramin’ny taranaka fara mandimby.+ Tsy hanangana ny tranolainy any ny Arabo, ary tsy hisy mpiandry ondry hampandry ny andian’ondriny any. 21  Any no handrian’ny biby mpirenireny eny amin’ny faritra karakaina, ary ho feno vorondolo+ lehibe ireo trano. Any koa no honenan’ny aotirisy, ary hisy demonia miendrika osy hitsambikimbikina any.+ 22  Hinaonaona eny amin’ny tilikambo fonenana ny alikadia,+ ary ny bibilava ngezabe no ho ao amin’ireo lapa kanto. Efa akaiky ny fotoana fanamelohana azy, ka tsy hohalavaina ny androny.”+

Fanamarihana