Isaia 14:1-32

14  Fa hamindra fo amin’i Jakoba i Jehovah,+ ary mbola hifidy ny Israely ihany izy.+ Dia hataony mandry feizay eo amin’ny taniny izy ireo,+ ary hiaraka amin’izy ireo ny mpivahiny ka hifikitra amin’ny taranak’i Jakoba.+  Hoentin’ny hafa firenena izy ireo ka hampodiny any aminy. Ary hataon’ny taranak’Israely ho mpanompolahiny sy mpanompovaviny any amin’ny tanin’i Jehovah izy ireo.+ Dia ho lasa mpamabo+ an’ireo namabo azy ny taranak’Israely, ka hifehy an’ireo nanery azy hiasa.+  Amin’ny andro hampitsaharan’i Jehovah ny fahorianao sy ny tebitebinao ary ny fanandevozana mafy nampanaovina anao,+  dia ataovy izao teny fanarabiana ny mpanjakan’i Babylona izao: “Oadray! Nitsahatra tsy nanery ny olona hiasa intsony angaha izato izy, ka nitsahatra ny fampahoriana!+  Notapahin’i Jehovah ny tsorakazon’ny ratsy fanahy sy ny tehin’ny mpitondra,+  izay tsy mitsahatra mikapoka an’ireo vahoaka amim-pahatezerana,+ sy mamolaka an’ireo firenena amim-pahavinirana ka manenjika azy tsy misy farany.+  Nanjary nilamina ny tany manontolo,+ ka mandry feizay. Koa mifaly sy mihoby ny olona.+  Samy faly noho izay manjo anao ny hazo zenevrie+ sy ny sederan’i Libanona, ka manao hoe: ‘Hatrizay nahalavoanao izay, dia tsy nisy intsony mpikapa hazo+ tonga hikapa anay.’  “Na ny toeran’ny maty*+ any ambany aza mientanentana hitsena anao amin’ny fahatongavanao. Noho ny aminao, dia fohaziny ireo maty izay tsy mahefa na inona na inona,+ izany hoe ny mpitarika rehetra eto an-tany izay toy ny osy.+ Ary asainy mitsangana avy eo amin’ny seza fiandrianana ny mpanjaka rehetran’ireo firenena.+ 10  Dia hoy izy rehetra aminao: ‘Ianao koa angaha natao osa tahaka anay?+ Natao mitovy aminay koa angaha ianao?+ 11  Navarina atỳ amin’ny toeran’ny maty* ny reharehanao, dia ny tabataban’ny lokanganao.+ Olitra no farafara atorianao, ary kankana no irakofanao.’+ 12  “Oadray! Nianjera avy any an-danitra+ angaha izato ianao, ry ilay mamirapiratra, zanaky ny maraina! Voakapa hianjera amin’ny tany ianao,+ ry ilay nandresy an’ireo firenena!+ 13  Fa hoy ianao anakampo: ‘Any an-danitra no hiakarako.+ Ambonin’ny kintan’Andriamanitra+ no hanandratako ny seza fiandrianako,+ ary hipetraka eny amin’ny tendrombohitra fivoriana+ aho, any amin’ny farany avaratra.+ 14  Hiakatra any ambonin’ny toerana avo eny amin’ny rahona+ aho, ka hataoko izay hampitovy ahy amin’ny Avo Indrindra.’+ 15  “Any amin’ny toeran’ny maty* anefa no hampidinana anao,+ any amin’ny farany ambany amin’ny lavaka.+ 16  Hibanjina anao izay mahita anao, ka handinika tsara anao, sady hilaza hoe: ‘Ity ve ilay lehilahy nampihorohoro ny tany, sy nampihozongozona fanjakana,+ 17  sy nahatonga ny tany lonaka ho tany efitra ka nandrava an’ireo tanàna tao,+ ary tsy namela an’ireo voafonjany hiverina hody?’+ 18  Samy mandry amim-boninahitra ao am-pasany ny mpanjakan’ireo firenena,+ 19  fa ianao kosa nariana fa tsy naiditra am-pasana,+ tahaka ny tsimoka tsy tiana. Mandrakotra anao ny fatin’ireo voatsindrona sabatra izay midina any amin’ireo vato ao an-davaka,+ ary tahaka ny faty voahitsakitsaka+ ianao. 20  Tsy hiara-milevina amin’ireo mpanjaka ao am-pasana ianao, satria nosimbanao ny taninao, ary novonoinao ny vahoakanao. Tsy hotononina mandritra ny fotoana tsy voafetra ny anaran’ny taranaky ny mpanao ratsy.+ 21  “Manomàna toerana hamonoana ny zanany, noho ny fahadisoan’ny razany,+ sao hitsangana haka ny tany indray izy ireo ka hofenoiny tanàna ny tany lonaka.”+ 22  “Hitsangana hamely azy ireo aho”,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika. “Hofoanako ny anaran’i+ Babylona sy izay sisa miangana aminy ary ny zanany sy ny taranany”,+ hoy i Jehovah. 23  “Hataoko fonenan’ny sokina izy, ary hataoko kamory anirian’ny bararata. Hofafako amin’ny kifafa fandringanana koa izy”,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika. 24  Efa nianiana i Jehovah+ Tompon’ny tafika hoe: “Izay efa nokasaiko no tsy maintsy hitranga, ary izay fanapahan-kevitro no ho tanteraka,+ 25  mba hanapotehana ny Asyrianina ao amin’ny taniko+ sy hanitsakitsahako azy eny an-tendrombohitro,+ ary mba hialan’ny ziogany tsy ho eo amin’ny oloko sy hialan’ny entany tsy ho eo an-tsoroky ny oloko.”+ 26  Izany no fanapahan-kevitra momba ny tany manontolo, ary izany no tanana ahinjitra amelezana ny firenena rehetra. 27  Fa i Jehovah Tompon’ny tafika no nanapa-kevitra,+ ka iza no mahafoana izany?+ Ary maninjitra ny tanany izy, ka iza no afaka mampihemotra izany?+ 28  Tamin’ny taona nahafatesan’i Ahaza+ Mpanjaka no nanaovana izao fanambarana izao: 29  “Aoka tsy hisy hifaly ao aminao,+ ry Filistia,+ satria hoe tapaka ny tehin’ilay namely anao.+ Fa hisy bibilava misy poizina+ hipoitra avy amin’ilay menarana,+ ka ny taranany dia ho bibilava misidina sady misy poizina mampamaivay.+ 30  Hihinan-kanina ny lahimatoan’ny olona ambany, ary hatory tsy hanana ahiahy ny mahantra.+ Fa hataoko matin’ny mosary kosa ny fakanao, ary hovonoina izay sisa tavela aminao.+ 31  Midradradradrà, ry vavahady ô! Miantsoantsoa, ry tanàna ô! Ho kivy ny ao aminao rehetra, ry Filistia! Fa misy setroka tamy avy any avaratra, ary tsy misy miala an-daharana ny miaramilany na iray aza.”+ 32  Inona no havaly an’ireo iraky+ ny firenena? Efa nametraka ny fototr’i Ziona,+ hono hoe, i Jehovah, ka ao no hialofan’ny olony ory.

Fanamarihana

Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.
Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.
Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.