Isaia 20:1-6

20  Tamin’ny taona nahatongavan’i Tartana+ tao Asdoda,+ tamin’izy nirahin’i Sargona mpanjakan’i Asyria,+ dia niady tamin’i Asdoda izy ka namabo azy.+  Tonga tamin’i Isaia zanak’i Amoza+ ny tenin’i Jehovah, tamin’izay fotoana izay, hoe: “Mandehana+ ka vahao ny lamba gony isikinanao,+ ary esory ny kapa eny an-tongotrao.”+ Dia nanao izany i Isaia, ka nandeha nitanjaka* sady tsy nanao kapa.+  Ary hoy i Jehovah: “Nandeha nitanjaka sy tsy nanao kapa telo taona i Isaia mpanompoko, ho famantarana+ sy fambara ny amin’izay hanjo an’i Ejipta+ sy Etiopia.+  Koa hitanjaka sy tsy hanao kapa ary hiseho fitombenana toy izany koa ny babo rehetra avy any Ejipta+ sy ireo mponin’i Etiopia hatao sesitany, na ny tovolahy na ny lahiantitra, rehefa hoentin’ny mpanjakan’i Asyria. Eny, hiseho ny fitanjahan’i Ejipta.+  Dia hihorohoro izy ireo, sady ho menatra noho ny amin’i Etiopia izay fanantenany,+ sy noho ny amin’i Ejipta izay hatsaran-tarehiny.+  Amin’izany andro izany, dia hiteny ny mponin’ilay morontsiraka hoe: ‘Jereo ny manjo an’ilay nantenaintsika, izay nihazakazahantsika mba hanampy antsika tsy ho azon’ny mpanjakan’i Asyria!+ Koa ahoana no hahafahantsika handositra?’”

Fanamarihana

Na: “zara raha nitafy.”