Isaia 21:1-17

21  Ny fanamelohana ny tany efitra any amin’ny ranomasina:+ Avy any an-tany efitra izany, avy any amin’ny tany mampahatahotra,+ ary mandroso hatrany toy ny tafio-drivotra+ avy any atsimo.  Misy fahitana mafonja+ naseho tamiko: Ny mpamitaka dia mamitaka, ary ny mpandroba mandroba.+ Miakara, ry Elama! Manaova fahirano, ry Media!+ Efa natsahatro daholo ny fisentoana vokatry ny nataony.+  Izany no nahatonga ny andilako hanaintaina mafy.+ Manaintaina toy ny vehivavy efa hiteraka+ aho. Sahiran-tsaina aho ka tsy mandre, ary very hevitra aho ka tsy mahita.  Midobodoboka ny foko. Mihorohoro mafy aho ka mangovitra. Manjary mampahatahotra ahy ny maraina+ vao mangiran-dratsy izay tiako taloha.  Aoka homanina ny latabatra, aoka halamina ny toerana hipetrahana, ary aoka hisy fihinanana sy fisotroana!+ Mitsangàna, ry andriana,+ ka hosory menaka ny ampinga!+  Fa izao no nolazain’i Jehovah tamiko: “Mandehana manendry mpitily mba hilaza izay zavatra hitany.”+  Dia nahita kalesin’ady tarihin’ny soavaly mandeha tsiroaroa izy, ary koa kalesin’ady tarihin’ampondra sy kalesin’ady tarihin-drameva. Ary nandinika fatratra sy nijery tsara izy.  Dia niantsoantso toy ny liona+ izy hoe: “Eto amin’ny tilikambo fiambenana aho no mijoro mandritra ny andro, Jehovah ô, ary eto amin’ny toeram-piambenako aho isaky ny alina.+  Iny misy kalesin’ady mitondra olona sady tarihin’ny soavaly roa!”+ Hoy koa izy: “Nianjera, nianjera i Babylona,+ ary vaky miparitaka amin’ny tany daholo ny sary sokitra izay andriamaniny!”+ 10  Ry oloko voahosihosy sy zanaky ny famoloana!+ Izay reko tamin’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely, no lazaiko aminareo. 11  Ny fanamelohana an’i Doma: Misy miantso ahy avy any Seira,+ hoe: “Ry mpitily ô! Aiza ho aiza amin’ny alina isika izao? Ry mpitily ô! Aiza ho aiza amin’ny alina isika izao?”+ 12  Dia hoy ny mpitily: “Ho tonga ny maraina, ary ho tonga koa ny alina. Koa manontania raha te hanontany ianareo. Tongava indray e!” 13  Ny fanamelohana ny lemaka karakaina: Any anaty ala any amin’ny lemaka karakaina no hatorianareo, ry olona miara-dia avy any Dedana.+ 14  Mitondrà rano hitsenana ny mangetaheta. Tsenao izay mandositra ka itondray mofo, ry mponin’i Tema.+ 15  Fa nandositra izy ireo satria efa voatsoaka tao anaty tranony ny sabatra, sady efa vonona ny tsipìka, ary mafy ny ady. 16  Fa izao no nolazain’i Jehovah tamiko: “Ao anatin’ny herintaona, araka ny taona iasan’ny mpikarama,+ dia ho levona avokoa ny voninahitr’i Kedara.+ 17  Vitsy kely sisa no ho tavela amin’ireo mpandefa tsipìka, dia ireo lehilahy mahery amin’ny taranak’i Kedara,+ fa i Jehovah Andriamanitry ny Israely no efa niteny.”+

Fanamarihana