Isaia 24:1-23

24  Ataon’i Jehovah tsy misy na inona na inona ny tany, ka manjary lao.+ Nataony nivadika ambony ambany+ ny tany, ary naparitany ny mponina teo aminy.+  Koa hitovy ihany ny hanjo ny vahoaka sy ny mpisorona, ny mpanompo sy ny tompony, ny mpanompovavy sy ny tompovaviny, ny mpividy sy ny mpivarotra, ny mpampisambo-bola sy ny mpisambotra, ary ny mpampanjana-bola sy ny mpandoa zanabola.+  Ho foana tsy misy na inona na inona tokoa ny tany sady horobaina,+ fa i Jehovah no efa nilaza izany teny izany.+  Misaona ny tany+ sady lany hery. Malazo ny tany lonaka sady lany hery. Milofika ireo olona ambony+ eo amin’ny vahoakan’ilay tany.  Nandoto ny tany ny mponina eo aminy,+ satria nandika ny lalàna+ sy nanova ny fitsipika,+ ary nivadika tamin’ny fifanekena,+ dia ilay fifanekena mandritra ny fotoana tsy voafetra.  Koa nandevona ny tany ny ozona,+ ary meloka ny mponina ao. Nihena koa ny isan’ny mponina ao, ka vitsy kely sisa ny olona tavela.+  Misaona ny divay vaovao, malazo ny voaloboka,+ ary misento daholo ireo olona falifaly am-po.+  Nitsahatra ny feo falifalin’ny ampongatapaka, nifarana ny horakoraky ny olona ravoravo fatratra, ary nitsahatra koa ny feo falifalin’ny harpa.+  Tsy misy mihira intsony mandritra ny fisotroan-divay, ary ny zava-pisotro mahamamo dia lasa mangidy amin’ireo mpisotro azy. 10  Rava ilay tanàna nilaozana,+ ary mihidy ka tsy azo idirana ny trano rehetra. 11  Miantsoantso eny an-dalambe ny olona satria tsy misy ny divay. Foana ny fifaliana rehetra, ary tsy misy intsony ny firavoravoan’ilay tany.+ 12  Nanjary nigagan’ny olona ny niafaran’ilay tanàna. Rava ny vavahady, ka lasa korontam-bato miavosa.+ 13  Dia ho toy izany no hitranga ao amin’ilay tany, eo amin’ireo firenena, izany hoe ho toy ny rehefa manintsana voan’oliva,+ sy ho toy ny rehefa mioty izay voaloboka sisa aorian’ny fotoam-piotazana.+ 14  Hanandra-peo izy ireo ka hihoby. Ary hanao horakora-pifaliana izy ireo avy any an-dranomasina, noho ny fahalehibeazan’i Jehovah.+ 15  Koa hanome voninahitra an’i Jehovah+ izy ireo any amin’ilay faritry ny hazavana,+ ary hanome voninahitra ny anaran’i Jehovah+ Andriamanitry ny Israely izy ireo any amin’ireo nosin-dranomasina. 16  Misy hira fiderana toy izao renay avy any amin’ny faran’ny tany:+ “Ho an’Ilay Marina anie ny famirapiratana!”+ Fa izaho kosa milaza hoe: “Trotraka+ aho, eny, trotraka! Hahita loza aho! Ny mpamitaka dia mamitaka.+ Mampiasa fitaka ny mpamitaka ka mamitaka.”+ 17  Horohoro sy lavaka ary fandrika no miandry anao, ry mponin’ilay tany.+ 18  Koa izay mandositra noho ny feon-javatra mampihorohoro dia ho latsaka ao an-davaka, ary izay miakatra avy ao an-davaka kosa ho azon’ny fandrika.+ Fa hosokafana ny vavahadin-drano any ambony,+ ary hihovotrovotra ny fototry ny tany.+ 19  Mitresaka tanteraka ilay tany! Mihovotrovotra tanteraka ilay tany! Mihozongozona tanteraka ilay tany!+ 20  Mivembena tanteraka toy ny lehilahy mamo ilay tany, ka mihetsiketsika tahaka ny trano rantsankazo.+ Mitambesatra amin’ilay tany ny fahadisoany,+ dia hianjera izy ka tsy ho tafarina intsony.+ 21  Amin’izany andro izany dia hotsarain’i Jehovah eny amin’ny avo ny tafiky ny avo, ary hotsarainy eto ambonin’ny tany ny mpanjakan’ny tany.+ 22  Dia hangonina toy ny fanangona voafonja ho ao an-davaka izy ireo, ka hohidiana ao amin’ny lakaly figadrana.+ Hojerena indray+ anefa izy ireo rehefa afaka andro maro. 23  Koa hangaihay ny volana fenomanana, ary ho menatra ny masoandro mamirapiratra,+ satria i Jehovah Tompon’ny tafika dia lasa mpanjaka+ be voninahitra eny amin’ny Tendrombohitra Ziona,+ sy any Jerosalema,+ ary eo anatrehan’ny anti-panahiny.

Fanamarihana