Isaia 26:1-21

26  Amin’izany andro izany,+ dia hohiraina+ eto Joda+ izao hira izao: “Manana tanàna mahery+ isika, satria ataony manda sy tovon-tany fiarovana ho antsika ny famonjena.+  Vohay ny vavahady+ mba hidiran’ny firenena marina sy mendri-pitokisana.+  Harovanao ka hanana fiadanana+ foana izay manana toe-tsaina tsy miovaova, satria ianao no itokisany.+  Matokia an’i Jehovah+ mandrakariva, fa i Jah Jehovah no Vatolampy+ mandritra ny fotoana tsy voafetra.  “Fa aetriny ireo mipetraka eny amin’ny toerana ambony,+ eny amin’ny tanàna avo.+ Aetriny ilay tanàna, eny, aetriny amin’ny tany, ka azerany amin’ny vovoka.+  Hanitsakitsaka azy ny tongotry ny ampahorina sy ny faladian’ny mahantra.”+  Fahitsiana+ no lalan’ny olo-marina. Mahitsy ianao, ka hataonao mitovy tantana ny lalan’ny olo-marina.+  Jehovah ô, ianao no antenainay mba hitarika anay ho amin’ny lalana atoron’ny didinao.+ Ny anaranao sy ny fahatsiarovana+ anao no irin’ny fonay.+  Maniry anao amin’ny foko manontolo aho amin’ny alina,+ ary mitady anao fatratra aho, ao anatiko ao.+ Rehefa mitsara ny tany+ mantsy ianao, dia hianatra fahamarinana+ ny mponina eto an-tany.+ 10  Tsy hianatra fahamarinana kosa ny ratsy fanahy, na dia iantrana aza.+ Tsy hanao ny rariny izy, na dia ao amin’ny tanin’ny fahitsiana aza.+ Ary tsy hahita ny fahambonian’i Jehovah izy.+ 11  Manainga ny tananao ianao, Jehovah ô,+ nefa tsy jeren’izy ireo izany.+ Hijery ihany anefa izy ireo ka ho menatra,+ noho ny hafanam-ponao ho an’ny olonao. Ary handevona azy ireo ny afo+ natokana ho an’ny fahavalonao. 12  Hampihatra ny rariny ianao, Jehovah ô, mba hanomezana fiadanana ho anay,+ satria noho ianao no mahatomombana izay rehetra ataonay.+ 13  Jehovah Andriamanitray ô, misy tompo hafa ankoatra anao lasa mifehy anay.+ Noho ny fanampianao ihany no hahafahanay hanambara ny anaranao.+ 14  Maty izy ireo ka tsy ho velona intsony.+ Maty tsy mahefa na inona na inona+ izy ireo ka tsy ho tafatsangana intsony.+ Koa nandinika azy ireo ianao mba handringana azy sy hanafoana tanteraka ny fahatsiarovana azy.+ 15  Nampitomboinao ilay firenena, Jehovah ô, eny, nampitomboinao ilay firenena.+ Efa nomenao voninahitra ny tenanao,+ ary efa nitarinao lavitra avokoa ny sisin’ilay tany.+ 16  Jehovah ô, nitodika tany aminao izy ireo tao anatin’ny fahoriany.+ Namboraka ny tao am-pony izy ireo rehefa nibitsibitsika nivavaka, tamin’izy nofaizinao.+ 17  Toy ny vehivavy bevohoka efa ho teraka ka mihetsi-jaza sy mitaraina noho ny fanaintainany, dia nanjary toy izany izahay noho ny aminao, Jehovah ô!+ 18  Bevohoka izahay, ary nihetsi-jaza,+ kanefa toy ny niteraka rivotra. Tsy tena misy famonjena vitanay eto amin’ity tany ity,+ ary tsy misy mponina eo amin’ny tany lonaka satria tsy misy nateraka.+ 19  “Ho velona ny olonao izay efa maty.+ Hitsangana ny fatinay.+ Mifohaza ka mihobia ianareo izay mitoetra ao amin’ny vovoka!+ Fa ny andonao+ dia ho toy ny ando eny amin’ny fiandrilavenona,+ ary havelan’ny tany hateraka ny maty+ tsy mahefa na inona na inona. 20  “Mandehana miditra ao amin’ny efitranonao anatiny, ry oloko, ka hidio ny varavarana.+ Miafena kely vetivety, mandra-pahalasan’ny fanamelohana.+ 21  Fa mivoaka avy any amin’ny toerany i Jehovah mba hanao ampamoaka ny mponina amin’ny tany, noho ny fahadisoana nataon’izy ireo taminy.+ Dia hasehon’ny tany ny ra nalatsak’ilay tanàna,+ ary tsy hafeniny intsony ireo novonoina tao.”+

Fanamarihana