Isaia 27:1-13

27  Amin’izany andro izany dia hampiasain’i Jehovah+ ny sabany,+ izay mafy sy lehibe ary mahery, ka hofaiziny ny Leviatana,*+ ilay bibilava mitsoriaka,+ eny, ny Leviatana, ilay bibilava fetsifetsy. Koa hovonoiny ilay biby goavam-be any an-dranomasina.+  Amin’izany andro izany dia mihirà+ hoe: “Tanimboaloboka+ ahazoana divay mandroatra!  Izaho Jehovah no miaro azy.+ Hanondraka azy aho amin’ny fotoana rehetra,+ ary harovako andro aman’alina izy mba tsy hisy hanimba.+  Tsy misy fahatezerana ato amiko.+ Iza no hanome ahy tsilo+ sy ahidratsy any an’ady? Hohitsakitsahiko ireny, ary hataoko indray mandoro.+  Aoka anefa ny olona hifikitra amin’ilay fiarovana mafy omeko sy hitady fihavanana amiko. Eny, aoka izy hitady fihavanana amiko.”+  Amin’ny andro ho avy dia hiorim-paka i Jakoba, ary hamony sy hitsimoka tokoa i Israely.+ Dia hofenoiny vokatra ny tany lonaka.+  Voatery hokapohina mafy toy izany ve izy, sa voatery hovonoina toy ny namonoana an’ireo voavono teo aminy?+  Hifanandrina aminy izy sady hanao kiakiaka mampahatahotra ka handroaka azy. Horoahiny amin’ny rivotra mifofofofo avy any aminy izy, dia rivotra mifofofofo mafy amin’ny andro isian’ny rivotra avy any atsinanana.+  Ho voarakotra ny fahadisoan’i Jakoba+ rehefa hataony toy ny vatosokay nopotipotehina ny vato rehetran’ny alitara, ka tsy hisy hitsangana intsony ny tsato-kazo masina+ sy ny fandoroana emboka manitra.+ Izany daholo no ho vokany rehefa manaisotra ny fahotany izy.+ 10  Ho manirery ilay tanàna voaro mafy, ary havela ho irery sy hilaozana toy ny tany efitra ny kijana.+ Hiraoka ahitra any ny zanak’omby, ary hatory any. Hihinana ny tsimoka rehetra any izy.+ 11  Rehefa maina ireo rantsana kely any, dia vehivavy no ho tonga hanapaka sy handrehitra an’ireny.+ Fa tsy mba mahira-tsaina ilay vahoaka.+ Koa tsy hamindra fo aminy ny Mpanao azy, ary tsy hiantra azy ny Mpamolavola azy.+ 12  Amin’izany andro izany dia hahintsan’i Jehovah ny voankazo,+ hatrany amin’ny rano mikoriana avy amin’ny Renirano+ ka hatrany amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Ejipta.+ Koa hotsimponina tsirairay toy izany ianareo,+ ry zanak’Israely. 13  Ary hisy anjombona lehibe hotsofina amin’izany andro izany.+ Koa ireo efa ho faty any Asyria+ sy ireo miparitaka any Ejipta,+ dia ho avy hiankohoka+ eo anatrehan’i Jehovah eo amin’ny tendrombohitra masina any Jerosalema.+

Fanamarihana

Na: “voaibe.”