Isaia 3:1-26

3  Fa i Jehovah Tompon’ny tafika, ilay tena Tompo,+ no hanaisotra ao Jerosalema+ sy Joda ny andry sy tohana rehetra ianteheran’izy ireo, dia ny sakafo sy ny rano,+  ny lehilahy mahery sy ny mpiady, ny mpitsara sy ny mpaminany,+ ny mpisikidy sy ny anti-panahy,+  ny lehiben’ny dimampolo,+ ny olo-manan-kaja, ny mpanolo-tsaina, ny mpampiasa herin’ny maizina, ary ny olona mahay mibaiko bibilava.+  Ankizilahy no hataoko ho andrianan’izy ireo, ary fitondrana jadona no hanjaka eo aminy.+  Dia samy ho lozabe amin’ny namany avy ny olona.+ Ny zatovolahy hitratrevatreva amin’ny lahiantitra,+ ary ny olon-tsotra hitratrevatreva amin’ny olona tokony hohajaina.+  Samy hisambotra ny rahalahiny ao an-tranon-drainy ny olona, ka hanao hoe: “Manana lamba fitafy ianao. Tokony ho mpitondra jadona+ eo aminay ianao, ka hiandraikitra an’ity antontan-javatra rava ity.”  Hiteny anefa izy amin’izany andro izany hoe: “Tsy afaka ny ho mpitsabo fery aho, ary tsy misy sakafo na lamba fitafy ao an-tranoko. Koa tsy tokony hataonareo mpitondra jadona eo amin’ny vahoaka aho.”  Fa lavo i Jerosalema ary nianjera i Joda,+ satria nanohitra an’i Jehovah tamin’ny teniny sy ny ataony izy ireo,+ ka nikomy teo imason’Ilay Be Voninahitra.+  Na ny endrik’izy ireo aza dia efa miampanga ny tenany.+ Lazain’izy ireo ny fahotany izay toy ny an’i Sodoma,+ fa tsy nafeniny. Lozan’izy ireo, fa izy ihany no nitady loza ho an’ny tenany!+ 10  Lazao hoe hahita soa ny olo-marina,+ satria hihinana ny vokatry ny asany izy.+ 11  Lozan’ny ratsy fanahy! Hahita loza izy, fa hatsingerina aminy izay nataony!+ 12  Masiaka be amin’ny oloko ireo mpanery azy hiasa, ary vehivavy no mifehy azy.+ Mampirenireny anareo ny mpitarika anareo,+ ry oloko, ary nataony tsy hitanareo ny lalana.+ 13  Mijoro mba hiady i Jehovah, ary mitsangana mba hamoaka didim-pitsarana hampiharina amin’ireo firenena izy.+ 14  Hifandahatra amin’ireo anti-panahy sy andrianan’ny vahoakany i Jehovah, eo amin’ny fitsarana.+ “Nodoranareo ny tanimboaloboka, ary ao an-tranonareo ny zavatra nalaina an-keriny tany amin’ny olona ory.+ 15  Fa maninona no torotoroinareo toy izao ny oloko ary ampijalinareo mafy ny olona ory?”,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika, ilay Tompo Fara Tampony. 16  Hoy koa i Jehovah: “Koa satria lasa miavonavona ireo zanakavavin’i Ziona, ary manalava tenda sy manao maso mambabo izy ireo rehefa mandeha, sady jejojejo famindra ka mampaneno ny korintsana eny an-tongony,+ 17  dia hataon’i Jehovah feno takopery ny tampon-dohan’ireo zanakavavin’i Ziona,+ ary hataon’i Jehovah mihanjahanja ny tampon-kandriny.+ 18  Amin’izany andro izany dia hesorin’i Jehovah ny haingon’izy ireo: Ny rojokely haingon-tongotra, ny fehiloha, ny ravaka miendrika volana,+ 19  ny kavina, ny brasele, ny voaly,+ 20  ny saron-doha, ny rojon-tongotra, ny fehikibo,+ ny fitoeran-dranomanitra, ny akorandriaka ody fiaro,+ 21  ny peratra, ny kavin’orona,+ 22  ny akanjo mihaja be, ny akanjo lava, ny akanjo ivelany, ny kitapom-bola, 23  ny fitaratra,+ ny akanjo anatiny, ny satroka lamba,*+ ary ny voaly+ lehibe. 24  “Fofona maimbo no ho solon’ny hanitry ny menaka balsama,+ tady no ho solon’ny fehikibo, loha sola+ no ho solon’ny volo niangaliana fatratra, sikina lamba gony+ no ho solon’ny akanjo lafo vidy, ary tomboka amin’ny vy mahamay+ no ho solon’ny hatsaran-tarehy. 25  Ho lavon-tsabatra ny lehilahy ao aminao, ary ho faty an’ady ny olo-maherinao.+ 26  Hisaona+ sy halahelo ny vavahadin’ny tanàna. Hofoanana daholo ny zavatra ao amin’ilay tanàna, ary hitombina amin’ny tany+ izy.”

Fanamarihana

Jereo F.F. 8.