Isaia 34:1-17

34  Manatòna mba hihaino, ry firenena!+ Mihainoa, ry firenena samy hafa!+ Mihainoa, ry tany+ sy izay rehetra eo aminy, ary koa ny tany lonaka+ sy ny zavamiaina rehetra eo aminy.+  Fa tezitra amin’ny firenena rehetra i Jehovah+ sady misafoaka amin’ny tafik’izy ireo manontolo.+ Hatokany haringana ireny, ka hovonoiny ho faty.+  Hariana ireo voavono eo amin’izy ireo, ary hidofaka ny fofon’ny fatiny.+ Hampitsonika ny tendrombohitra ny ran’izy ireo.+  Ho lo daholo ny ao amin’ny tafiky ny lanitra.+ Ary hahorona toy ny horonam-boky ny lanitra.+ Halazo ny tafik’izy ireo manontolo, ka hihintsana toy ny ravim-boaloboka malazo sy toy ny aviavy malazo.+  “Hihosin-dra eny amin’ny lanitra ny sabatro.+ Jereo fa hidina hamely an’i Edoma izy io,+ ka hamely ny olona efa natokako haringana,+ ary ara-drariny izany.  Manana sabatra i Jehovah, ary ho feno ra+ sy hihoso-menaka izy io, noho ny ran’ondrilahy sy ran’osilahy ary noho ny tavin’ny+ voan’ondrilahy. Fa misy sorona hataon’i Jehovah ao Bozra, ary be dia be no hovonoiny ao Edoma.+  Hiara-midina amin’ireny ny ombidia,+ ary ny vantotr’ombilahy hiaraka amin’ireo matanjaka.+ Ho vonton-dra ny tanin’izy ireo, ary ny vovo-taniny ho feno menaky ny tavy.”+  Fa manana andro famaliana i Jehovah,+ sady manana taona hamaliana noho izay natao tamin’i Ziona.+  Dia hovana ho godorao ranony ny reniranon’i Bozra, ary hovana ho solifara ny vovoka ao aminy. Ho toy ny godorao mirehitra ny taniny.+ 10  Tsy hovonoina izany afo izany na andro na alina, ary hiakatra mandritra ny fotoana tsy voafetra ny setroka avy aminy.+ Ho lasa karakaina hatramin’ny taranaka fara mandimby izy,+ ary tsy hisy olona handalo intsony eo aminy mandrakizay mandrakizay.+ 11  Hitoetra ao ny gisandrano sy ny sokina, ary honina ao ny vorondolo lava sofina sy ny goaika.+ Hohenjaniny eo amin’ilay tany ny tady andrefesana+ ny fahafoanana, sy ny pilaon’ny fahafonganana. 12  Tsy misy hatao mpanjaka ny olona ambony ao aminy, ary tsy hisy intsony ny andrianany rehetra.+ 13  Hanirian’ny tsilo ny tilikambo fonenany, ary hisy tsilo sy ahidratsy eny amin’ny toerany voaro mafy.+ Ho fonenan’ny alikadia+ koa izy, ary ho tokotany hikarenjen’ny aotirisy.+ 14  Hifankahita amin’ny biby minaonaona ny biby mpirenireny eny amin’ny faritra karakaina, ary hiantso ny namany ny demonia miendrika osy.+ Hipetrapetraka any ny matoriandro, ka hahita toeram-pialan-tsasatra.+ 15  Any ny bibilava miantoraka no hanao ny tranony, sy hanatody, sy hikotrika, ary hanangona sy hiaro an’ireo zanany. Hitangorona any koa ny papango,+ samy miaraka amin’ny vadiny avy. 16  Manaova fikarohana ao amin’ny bokin’i+ Jehovah, ka vakio mafy izany. Tsy misy tsy eo ireny biby ireny+ ary samy manana ny vadiny avy, satria ny vavan’i Jehovah no efa nandidy+ momba izany, ary ny fanahiny no nanangona+ an’ireny. 17  Izy no nanao antsapaka ho an’ireny, ary ny tanany no nitsinjara an’ilay toerana ho an’ireny tamin’ny alalan’ny tady fandrefesana.+ Hitoetra ao mandritra ny fotoana tsy voafetra ireny, ary honina ao hatramin’ny taranaka fara mandimby.

Fanamarihana