Isaia 37:1-38

37  Rehefa ren’i Hezekia Mpanjaka izany, dia norovitiny avy hatrany ny akanjony. Ary nitafy lamba gony+ izy, ka nankao an-tranon’i Jehovah.+  Dia nirahiny ho any amin’i Isaia+ mpaminany+ zanak’i Amoza i Eliakima+ mpiandraikitra ny ankohonan’ny mpanjaka, sy Sebna mpitan-tsoratra,+ ary ny anti-panahy mpisorona.+ Ary nitafy lamba gony daholo ireo.  Dia hoy ireo tamin’i Isaia: “Izao no nolazain’i Hezekia: ‘Andro fahoriana+ sy fanaovana teny henjana ary famingavingana+ ity andro ity, satria efa ho latsaka ny zaza, fa ny hery hiterahana azy no tsy misy.+  Angamba i Jehovah Andriamanitrao handre ny tenin’i Rabsake,+ izay nirahin’ny mpanjakan’i Asyria tompony hihantsy+ an’ilay Andriamanitra velona. Koa rehefa mandre izany teny izany i Jehovah Andriamanitrao,+ dia hanao ampamoaka azy. Ary aoka ianao hanandratra vavaka+ ho an’izay sisa mbola eto.’”+  Koa nankao amin’i Isaia ireo mpanompon’i Hezekia Mpanjaka.+  Ary hoy i Isaia tamin’ireo: “Lazao amin’ny tomponareo hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah:+ “Aza matahotra+ noho ny teny renao, dia izay nanevatevan’ny mpanompon’ny+ mpanjakan’i Asyria ahy.  Fa hanome saina+ azy aho mba hodiany any amin’ny taniny, rehefa mahazo tatitra+ izy. Ary hataoko izay hahalavon-tsabatra azy any.”’”+  Ary ren’i Rabsake+ fa efa niala tany Lakisy+ ny mpanjakan’i Asyria. Koa niverina tany amin’ny mpanjaka izy ka nahita azy niady tamin’i Libna.+  Ary nisy nilaza tamin’ny mpanjaka fa nivoaka hiady aminy i Tiraka+ mpanjakan’i Etiopia. Raha vao nandre izany izy, dia nandefa iraka+ nankany amin’i Hezekia, nanao hoe: 10  “Izao no holazainareo amin’i Hezekia mpanjakan’ny Joda: ‘Aza manaiky ho voafitak’ilay Andriamanitrao itokisanao,+ izay manao hoe: “Tsy hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Asyria i Jerosalema.”+ 11  Efa renao ny nataon’ireo mpanjakan’i Asyria tamin’ny tany rehetra, dia ny nandravany azy.+ Koa ianao indray ve no ho voavonjy?+ 12  Rehefa naringan’ny razako i Gozana+ sy Harana+ sy Rezefa ary ny zanak’i Edena+ tao Tela-asara, angaha nisy nahavonjy+ an’ireny firenena ireny ny andriamaniny?+ 13  Aiza izao ny mpanjakan’i Hamata,+ ny mpanjakan’i Arpada,+ ny mpanjakan’ny tanànan’i Sefarvaima,+ ary ny mpanjakan’i Hena sy Iva?’”+ 14  Ary noraisin’i Hezekia teny an-tanan’ireo iraka ny taratasy ka novakiny.+ Dia niakatra tao an-tranon’i Jehovah izy, ka namelatra izany teo anatrehan’i Jehovah.+ 15  Ary nivavaka tamin’i Jehovah+ i Hezekia hoe: 16  “Ry Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely,+ izay mipetraka eo amin’ny kerobima! Ianao irery no tena Andriamanitry ny fanjakana rehetra eto an-tany.+ Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany.+ 17  Aoka ianao hanongilan-tsofina ka hihaino,+ Jehovah ô! Ahirato ny masonao,+ Jehovah ô, ka mijere, ary henoy ny teny rehetra nampitondrain’i Sankeriba+ mba hihantsiana an’ilay Andriamanitra velona.+ 18  Jehovah ô, marina tokoa fa efa noravan’ireo mpanjakan’i Asyria ny tany rehetra sy ny taniny.+ 19  Ary nodorana ny andriamanitr’ireny,+ satria tsy andriamanitra+ fa vato aman-kazo asa tanan’olona+ ihany, ka naringana.+ 20  Koa ankehitriny, Jehovah Andriamanitray ô,+ vonjeo eo an-tanany izahay,+ mba ho fantatry ny fanjakana rehetra eto an-tany fa ianao irery ihany no Andriamanitra, Jehovah ô!”+ 21  Ary naniraka olona nankany amin’i Hezekia i Isaia zanak’i Amoza, hanao hoe: “Izao no nolazain’i Jehovah Andriamanitry ny Israely: ‘Koa satria nivavaka tamiko momba an’i Sankeriba mpanjakan’i Asyria+ ianao, 22  dia izao no teny fanamelohan’i Jehovah azy: “Manao tsinontsinona anao i Ziona zanakavavy virjiny, sady maneso anao.+Mihivingivin-doha+ ao andamosinao i Jerosalema zanakavavy. 23  Mihantsy+ an’iza ianao, ary manevateva+ an’iza?Mampiaka-peo amin’iza ianao,+Ary mampiandranandrana ny masonao+ amin’iza?Tsy amin’iza fa amin’Ilay Masin’ny Israely!+ 24  Ny mpanomponao no nampiasainao hihantsiana an’i Jehovah, ka hoy ianao:+‘Ny kalesin’adiko maro be+No hiakarako eny amin’ny tendrombohitra avo indrindra,+Any amin’ny faritra lavitra indrindra ao Libanona.+Ary hokapaiko ny hazo sedera avo sy ny hazo zenevrie+ tsara indrindra any.Dia hiditra ao amin’ny toerana avo faran’izay lavitra any aho, any amin’ny alany mahavokatra.+ 25  Handavaka aho ka hisotro rano,Ary ny faladiako no handritako ny lakandrano rehetran’i Neily+ any Ejipta.’+ 26  Angaha tsy renao+ fa izany no fanapahan-kevitro efa hatry ny ela be?+Efa hatramin’ny taloha aho no nikasa hanao izany.+ Koa ankehitriny dia hotanterahiko izany.+Ary ianao no hahatonga ny tanàna voaro mafy ho lasa aolo, toy ny tanàna lasa korontam-bato miavosa.+ 27  Hiraviravy tanana ny mponina ao,+Ka hihorohoro sy ho menatra.+Ho tahaka ny zavamaniry eny an-tsaha sy ny ahi-maitso marefo izy,+Ary ho tahaka ny ahitra eny amin’ny tafo+ sy eny an-tanimboly izay mainan’ny rivotra avy any atsinanana.+ 28  Fantatro tsara izay ataonao+ na mipetraka ianao, na miditra, na mivoaka.+Fantatro tsara koa ny hatezeranao amiko,+ 29  Satria efa tonga atỳ am-poto-tsofiko ny fahatezeranao amiko+ sy ny fieronao.+Koa hasiako faraingo ny oronao, ary hasiako lamboridy eo amin’ny vavanao,+Ka hotaritiko hiverina any amin’ny lalana niavianao ianao.”+ 30  “‘Ary izao no ho famantarana ho anao: Amin’ity taona ity dia ny vokatra avy amin’ny voa latsaka+ tamin’ny tany no hohanin’ny olona, ary mbola ho toy izany koa amin’ny herintaona. Amin’ny taona fahatelo kosa dia mamafaza voa ka mijinjà, ary manaova tanimboaloboka, dia hano izay vokatra avy aminy.+ 31  Ary izay tafavoaka velona amin’ny taranak’i Joda, eny, izay sisa miangana,+ dia hamaka lalina sy hamokatra.+ 32  Fa hisy sisa hivoaka avy ao Jerosalema,+ ary hisy ho tafavoaka velona avy any amin’ny Tendrombohitra Ziona.+ Ny hafanam-pon’i Jehovah Tompon’ny tafika no hanatanteraka izany.+ 33  “‘Koa hoy i Jehovah momba ny mpanjakan’i Asyria:+ “Tsy ho tafiditra ato amin’ity tanàna ity izy,+ na handefa zana-tsipìka ato, na hiady amin’ity tanàna ity miaraka amin’ny ampinga, na hanangana tovon-tany hanaovana fahirano azy.”’+ 34  “‘Ny lalana niaviany ihany no hiverenany, fa tsy ho tafiditra ato amin’ity tanàna ity izy’, hoy i Jehovah.+ 35  ‘Fa hiaro+ an’ity tanàna ity aho, ka hamonjy azy noho ny amiko+ sy noho ny amin’i Davida mpanompoko.’”+ 36  Dia nivoaka ilay anjelin’i+ Jehovah ka nandripaka dimy arivo sy valo alina sy iray hetsy tao an-tobin’ny Asyrianina.+ Ary nony nifoha maraina ny olona, dia indreo fa efa maty daholo ny Asyrianina.+ 37  Koa niala teo i Sankeriba+ mpanjakan’i Asyria, ka lasa niverina+ tany Ninive+ ary nipetraka tany. 38  Ary raha mbola niankohoka tao an-tranon’i Nisroka+ andriamaniny+ izy, dia namono azy tamin’ny sabatra+ i Adrameleka sy Sarezera zanany lahy, ka nandositra tany Ararata.+ Ary i Esara-hadona+ zanany no nanjaka nandimby azy.

Fanamarihana