Isaia 4:1-6

4  Amin’izany andro izany dia hisy vehivavy fito hihazona lehilahy iray,+ ka hiteny hoe: “Ny sakafonay ihany no hohaninay, ary ny lamba fitafinay ihany no hanaovanay, fa avelao fotsiny izahay hantsoina amin’ny anaranao, mba tsy ho afa-baraka intsony.”+  Amin’izany andro izany dia ho lasa ravaka sy voninahitra+ ny zavatra ataon’i Jehovah mitsimoka,+ ary ny vokatry ny tany dia ho zavatra mampirehareha+ sy ho zavatra tsara tarehy ho an’ireo sisa niangana tamin’ny Israely.+  Ary holazaina fa masina amin’Andriamanitra ny sisa tavela ao Ziona sy ireo sisa tafajanona ao Jerosalema,+ dia izay voasoratra mba ho velona ao Jerosalema.+  Hosasan’i Jehovah ny zanakavavin’i Ziona mba hanesorana ny dikiny,*+ ary hosasany+ hiala amin’i Jerosalema ny ra nalatsaka+ tao, ka ny herin’ny fitsarana sy ny herin’ny fahatezerana mirehitra+ no hampiasainy amin’izany.  Rehefa vitan’i Jehovah izany, dia hanisy rahona sy setroka eo ambonin’ny Tendrombohitra Ziona+ manontolo sy ny toerana fanaovana fivoriambe izy mandritra ny andro, ary fahazavan’ny afo mirehitra+ kosa mandritra ny alina,+ fa hisy fialofana hanarona an’ireo zavatra be voninahitra.+  Ary hisy trano rantsankazo ho fialokalofana amin’ny hafanana migaingaina,+ mandritra ny andro, sady ho fialofana sy fierena amin’ny oram-baratra sy ny ranonorana.+

Fanamarihana

Jereo De 23:13 f.a.p.