Isaia 41:1-29

41  “Mangìna ka mihainoa ahy, ry nosy.+ Aoka hahazo hery indray ireo firenena.+ Aoka izy ireo hanatona,+ ka hiteny. Ary andao isika ho any amin’ny fitsarana.+  “Iza no nanentana an’ilay avy any amin’ny fiposahan’ny masoandro?+ Iza no niantso azy araka ny fahamarinana mba ho eo an-tongony, sy nanolotra an’ireo firenena ho eo anatrehany, ary nahatonga azy handresy mpanjaka?+ Iza no nanolotra an’ireo firenena ho amin’ny sabany mba hotorotoroina toy ny vovoka ireny, ka nataon’ny tsipìkany niely toy ny mololo?+  Iza no nanenjika an’ireny, sy afaka nandeha an-tongotra soa aman-tsara tamin’ny lalana tsy niaviany?  Iza no nanao+ sy nahavita izany, ka niantso an’ireo taranaka hatrany am-piandohana?+ “Tsy iza fa izaho Jehovah, Ilay Voalohany.+ Ary tsy miova aho+ na dia hatrany amin’ny taranaka farany aza.”  Nahita izany ireo nosy+ ka natahotra. Nangovitra koa ny faran’ny tany.+ Dia nihananatona ireo ka tonga.  Samy manampy ny namany izy ireo, ary samy milaza amin’ny rahalahiny hoe: “Mahereza!”+  Ny mpanao asa tanana dia mampahery ny mpanefy,+ ary ilay mikapokapoka amin’ny marotoan’ny mpanefy kosa mampahery an’ilay mively eo amin’ny riandriana, sady hoy izy momba ilay asa vita: “Tsara tsingina izy izany.” Farany dia fantsihana ilay sampy mba tsy hihozongozona.+  “Fa ianao kosa, ry Israely, dia mpanompoko,+ ary ianao, ry Jakoba izay nofidiko,+ dia taranak’i Abrahama+ namako.+  Ianao ilay notantanako avy any amin’ny faran’ny tany,+ ary ianao ilay nantsoiko avy any lavitra.+ Koa hoy aho aminao: ‘Mpanompoko ianao.+ Efa nifidy anao aho,+ ka tsy manary anao.+ 10  Aza matahotra fa momba anao aho.+ Aza miherikerika noho ny tahotra, fa izaho no Andriamanitrao.+ Hanatanjaka anao aho+ ka hanampy anao.+ Hihazona anao mafy amin’ny tanako ankavanana+ aho, dia ny tanako feno fahamarinana.’+ 11  “Ho menatra sy ho afa-baraka izay rehetra tezitra aminao,+ ary ho lasa tsinontsinona sy ho levona+ ny olona mifanditra aminao. 12  Hitady an’ireo mamely anao ianao, fa tsy hahita.+ Ho lasa toy ny tsy misy sy toy ny tsinontsinona+ ireny miady aminao ireny. 13  Fa izaho Jehovah Andriamanitrao no mitantana anao amin’ny tananao ankavanana,+ eny, izaho Ilay milaza aminao hoe: ‘Aza matahotra+ fa hanampy anao aho.’+ 14  “Aza matahotra, ry Jakoba kankana,+ ry lehilahy israelita,+ fa hanampy anao aho”, hoy i Jehovah Mpanavotra+ anao, Ilay Masin’ny Israely. 15  “Nataoko toy ny fitaovana fanosihosena+ varimbazaha ianao, dia fitaovana vaovao sy maranitra fanosihosena varimbazaha. Koa hohitsakitsahinao ny tendrombohitra ka hotorotoroinao, ary hataonao toy ny akofa ny havoana.+ 16  Hokororohinao+ ireny ka hopaohin’ny rivotra,+ ary haelin’ny tafio-drivotra.+ Dia hifaly amin’i Jehovah ianao,+ ary Ilay Masin’ny Israely no ho reharehanao.”+ 17  “Mitady rano+ ny ory sy ny mahantra nefa tsy misy. Mainan’ny hetaheta+ ny lelan’izy ireo.+ Izaho Jehovah no hamaly azy ireo,+ ary izaho Andriamanitry ny Israely dia tsy mba handao azy.+ 18  Hampiboiboika renirano eny amin’ny havoana mangadihady aho, ary hampiboiboika loharano eny amin’ny lemaka.+ Hovako ho kamory anirian’ny bararata ny tany efitra, ary hovako ho loharano ny tany tsy misy rano.+ 19  Hampaniriko any an-tany efitra ny sedera sy ny akasia sy ny mirta ary ny hazo mitera-menaka,+ ary hataoko miara-maniry any amin’ny lemaka karakaina ny hazo zenevrie sy ny hazo volondavenona ary ny siprey,+ 20  mba hahatonga ny olon-drehetra hahita sy hahafantatra sy handinika ary hahatakatra fa ny tanan’i Jehovah no nanao izany, ary Ilay Masin’ny Israely no namorona izany.”+ 21  “Ento atỳ amiko ny adinareo”,+ hoy i Jehovah. “Arosoy ny porofonareo”,+ hoy ilay Mpanjakan’i Jakoba.+ 22  “Asehoy ka lazao aminay izay zavatra hitranga. Lazao koa izay zavatra tany am-boalohany, mba handinihanay tsara sy hahafantaranay ny hoavy. Na ambarao aminay izay zavatra ho avy.+ 23  Lazao izay zavatra hitranga any aoriana, mba hahafantaranay fa andriamanitra+ ianareo. Manaova soa na manaova ratsy mba hojerentsika sy ho hitantsika miaraka.+ 24  Jereo anefa fa toy ny tsy misy ianareo ary tsinontsinona ny zava-bitanareo.+ Maharikoriko izay mifidy anareo.+ 25  “Nanentana an’ilay avy any avaratra aho, ka ho avy izy.+ Avy any amin’ny fiposahan’ny masoandro+ no hiantsoany ny anarako. Toy ny atao amin’ny tanimanga no hataony amin’ireo solontenam-panjakana,+ ary toy ny mpanefy tanimanga manosihosy tanimanga mbola lena izy. 26  “Iza no afaka nanambara zavatra hatrany am-piandohana mba hahafantaranay, na nanambara hatramin’ny taloha mba hilazanay hoe: ‘Marina ny azy’?+ Tsy misy na iray aza. Tsy misy afaka manambara. Ary tsy misy mandre an’izay lazainareo.”+ 27  Izaho no voalohany, ka hoy aho amin’i Ziona: “Indreny ry zareo!”+ Ary homeko mpitondra vaovao tsara+ i Jerosalema. 28  Nijery foana aho, nefa tsy nahita olona, ary tsy nisy tamin’izy ireo afaka nanoro hevitra.+ Nanontany foana aho mba hovalian’izy ireo. 29  Toy ny tsy misy anefa izy rehetra, ary tsinontsinona ny zavatra ataony. Rivotra sy zava-poana ny sarivongana metaly nataony.+

Fanamarihana