Isaia 45:1-25

45  Izao no nolazain’i Jehovah tamin’ilay voahosony,+ dia i Kyrosy, izay notantanako tamin’ny tanany ankavanana,+ mba handreseko firenena eo anoloany+ ka hamahako ny fehikibo eo amin’ny andilan’ny mpanjaka, ary mba hanokafako ny varavarana kopa-droa eo anoloany ka na ny vavahady aza dia tsy hikatona:  “Handeha eo alohanao aho+ ka handravona ny mikitoantoana.+ Hopotipotehiko ny vavahady varahina, ary hotapahiko ny bara hidiny vy.+  Homeko anao ny harena+ voatahiry ao amin’ny haizina, sy ny harena afenina ao amin’ny toeram-piafenana, mba hahalalanao fa izaho no Jehovah, Ilay miantso anao amin’ny anaranao,+ ilay Andriamanitry ny Israely.  Noho ny amin’i Jakoba mpanompoko sy Israely izay nofidiko,+ dia antsoiko amin’ny anaranao ianao. Omeko anarana be voninahitra ianao, na dia tsy nahalala ahy akory aza.+  Izaho no Jehovah, ary tsy misy hafa.+ Tsy misy Andriamanitra afa-tsy izaho.+ Homeko hery* ianao na dia tsy mahafantatra ahy aza,  mba hahalalan’ny olona avy any amin’ny fiposahan’ny masoandro sy avy any amin’ny filentehany, fa tsy misy afa-tsy izaho.+ Izaho no Jehovah, ary tsy misy hafa.+  Izaho Jehovah no manao ny hazavana+ sy mamorona ny haizina,+ ary mampisy fiadanana+ sy mahatonga loza,+ eny, izaho no manao izany rehetra izany.+  “Mandrotsaha fahamarinana avy any ambony, ry lanitra!+ Aoka ny lanitra feno rahona hampikoriana fahamarinana.+ Aoka ny tany hisokatra, ka hamokatra famonjena sady hampitsimoka fahamarinana.+ Izaho Jehovah no namorona izany.”+  Lozan’izay miady amin’ny Mpamolavola azy,+ ka manao toy ny vakim-bilany tanimanga miady amin’ny vakim-bilany hafa eo amin’ny tany! Ny tanimanga+ ve dia hilaza amin’ny mpamolavola azy hoe: “Inona ity ataonao”? Ary ny zava-bitanao ve hilaza hoe: “Tsy manan-tanana izy”? 10  Lozan’izay milaza amin-drainy hoe: “Inona ity naterakao?”, sy milaza amin’ny vadin-drainy hoe: “Nihetsi-jaza niteraka inona ity ianao?”+ 11  Izao no nolazain’i Jehovah, Ilay Masin’ny Israely+ sy Mpamolavola+ azy: “Anontanio ahy ny momba ny zavatra hitranga+ amin’ny zanako.+ Ary omeo baiko aho momba ny asan’ny tanako.+ 12  Izaho no nanao ny tany+ sy namorona ny olona eo amboniny.+ Izaho, eny, ny tanako no namelatra ny lanitra,+ sy nanome baiko ny tafiny manontolo.”+ 13  “Nentaniko araka ny fahamarinana+ ny olona iray, ary hataoko mahitsy+ ny lalany rehetra. Izy no hanorina ny tanànako,+ sy hamela ny oloko any an-tsesitany handeha,+ nefa tsy noho ny vola+ na ny tsolotra no hanaovany izany”, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika. 14  Izao no nolazain’i Jehovah: “Ho tonga any aminao ka ho lasanao ny mpiasa avy any Ejipta+ izay tsy nahazo karama, sy ny mpivarotra avy any Etiopia, ary ny Sabeanina+ izay lehilahy ranjanana.+ Handeha ao aorianao izy ireo. Hisy gadra vy+ ny tongony rehefa mankany aminao izy. Hiankohoka eo anatrehanao izy,+ ary hitalaho aminao ka hilaza hoe: ‘Momba anao tokoa Andriamanitra,+ ary tsy misy ankoatra azy. Tsy misy Andriamanitra afa-tsy izy.’”+ 15  Andriamanitra miafina+ tokoa ianao, ry Andriamanitry ny Israely, izay Mpamonjy.+ 16  Ho menatra sy ho afa-baraka daholo ny mpanamboatra sampy. Handeha amin-kenatra daholo izy ireo.+ 17  Fa ny Israely kosa hovonjena noho izy tafaray amin’i Jehovah,+ eny, hahazo famonjena mandritra ny fotoana tsy voafetra.+ Tsy ho menatra+ ianareo na ho afa-baraka,+ mandritra ny fotoana tsy voafetra, eny, mandrakizay. 18  Fa izao no nolazain’i Jehovah, ilay Mpamorona ny lanitra,+ Ilay tena Andriamanitra,+ ilay Mpamolavola ny tany sy Mpanao azy,+ Ilay nanao azy ho mafy orina,+ ary tsy hoe tsy misy antony ny namoronany azy fa nataony honenana:+ “Izaho no Jehovah, ary tsy misy hafa.+ 19  Tsy tao amin’ny toeram-piafenana maizina teny ambonin’ny tany no nitenenako,+ ary tsy nilaza tamin’ny taranak’i Jakoba aho hoe: ‘Mitadiava ahy, nefa ho sasa-poana ianareo.’+ Izaho no Jehovah, ary izay marina sy mahitsy no lazaiko.+ 20  “Miangòna ka avia!+ Mivoria ianareo sisa niangana avy any amin’ireo firenena.+ Samy tsy nisy nahazo fahalalana ireo mitondra ny sary sokitra hazo sy ireo mivavaka amin’ny andriamanitra tsy mahavonjy.+ 21  Manaova fanambarana ka arosoy ny porofonareo.+ Dia avelao izy ireo hiara-mikaon-doha. Iza no nanambara izany hatry ny fahagola?+ Iza no nilaza izany nanomboka tamin’izay fotoana izay?+ Tsy izaho Jehovah ve? Tsy misy Andriamanitra afa-tsy izaho.+ Tsy misy Andriamanitra marina sy Mpamonjy+ ankoatra ahy.+ 22  “Mitadiava ahy dia ho voavonjy+ ianareo rehetra any amin’ny faran’ny tany, fa izaho no Andriamanitra, ary tsy misy hafa.+ 23  Nianiana tamin’ny tenako aho,+ ary avy tamin’ny vavako no nivoahan’ny teny araka ny fahamarinana+ ka tsy hiverina izany,+ eny, nianiana tamin’ny anarako aho fa izaho no handohalehan’ny lohalika rehetra+ sy hianianan’ny lela rehetra,+ 24  ka hilazany hoe: ‘Ao amin’i Jehovah tokoa no misy fahamarinana sy hery+ be dia be. Ho tonga any aminy izay rehetra tezitra aminy, ka ho menatra.+ 25  Ho marina ny taranak’Israely+ manontolo noho ny fanampian’i Jehovah,+ ary izy no ho reharehan’izy ireo.’”+

Fanamarihana

A.b.t.: “Hataoko misikina tsara.”