Isaia 46:1-13

46  Miondrika+ i Bela,+ miforitra i Nebo, ary ataingina eo ambonin’ny bibidia sy ny biby fiompy ny sampiny,+ ka lasa enta-mavesatra ho an’ny biby efa reraka.  Hiforitra izy ireo, ary samy hiondrika. Tsy mahavonjy+ an’ilay enta-mavesatra izy ireo, ary ho lasa babo tokoa.+  “Henoy aho, ry taranak’i Jakoba, sy ianareo rehetra sisa tavela amin’ny taranak’i Israely,+ dia ianareo izay nentiko hatrany an-kibo, eny, hatrany am-bohoka.+  Na mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho,+ ary na mandra-pahafotsin’ny volonareo aza dia mbola hanohana anareo foana aho.+ Hanao zavatra tokoa aho,+ ka hitondra sy hanohana ary hamonjy+ anareo.  “Iza no hampitovinareo amiko+ na hoharinareo amiko na hampitahainareo amiko, mba hahitana ny fitovianay?+  Misy olona mandraraka volamena be dia be avy ao amin’ny kitapom-bola, sy mandanja volafotsy amin’ny mizana, ary manakarama mpanefy mba hanamboatra izany ho andriamanitra.+ Dia miondrika eo izy ireo, ary miankohoka.+  Lanjain’izy ireo eny an-tsorony izany,+ ka entiny ary apetrany eo amin’ny toerany mba tsy hihetsiketsika. Tsy miala eo amin’ny toerany eo izany.+ Na misy mitaraina aminy aza, dia tsy mamaly izy. Tsy mahavonjy amin’ny fahoriana izy.+  “Tadidio izany mba hanananareo herim-po. Diniho tsara+ izany, ry mpandika lalàna.+  Tsarovy ny zavatra tany am-boalohany izay nisy fahiny ela be,+ eny, tsarovy fa izaho no Andriamanitra+ ary tsy misy hafa,+ sady tsy misy mitovy amiko,+ 10  dia Ilay manambara hatrany am-piandohana izay hitranga amin’ny farany,+ sy manambara hatry ny ela ny zavatra mbola tsy natao,+ Ilay milaza hoe: ‘Tsy hiova ny fikasako,+ ary hataoko izay sitrako rehetra’,+ 11  Ilay miantso vorona mpihaza avy any amin’ny fiposahan’ny masoandro,+ sy miantso avy any lavitra ilay olona hanatanteraka ny fikasako.+ Efa nolazaiko izany ka hotanterahiko.+ Efa nokasaiko izany ka hataoko.+ 12  “Mihainoa ahy, ianareo mafy loha+ izay lavitra ny fahamarinana.+ 13  Nampanatoniko ny fahamarinako.+ Tsy lavitra+ izany, ary tsy ho tara ny famonjeko.+ Hanome famonjena ao Ziona aho, ary hanome ny hatsaran-tarehiko ho an’i Israely.”+

Fanamarihana