Isaia 48:1-22

48  Henoy izao, ry taranak’i Jakoba, dia ianareo izay maka ny anarana hoe Israely,+ eny, ianareo avy amin’ny loharanon’i Joda,+ sy mianiana amin’ny anaran’i Jehovah+ ary miresaka momba an’ilay Andriamanitry ny Israely,+ nefa tsy manao izany amim-pahatsorana sy amim-pahamarinana.+  Lazain’izy ireo fa avy any amin’ilay tanàna masina,+ hono, izy ireo sady miantehitra amin’ny Andriamanitry ny Israely,+ izay atao hoe Jehovah Tompon’ny tafika.+  “Efa nolazaiko hatry ny ela ny zavatra tany am-boalohany. Naloaky ny vavako ireny, ary nambarako foana.+ Tampoka teo dia nanao zavatra aho, ka tanteraka izay nolazaiko.+  Fantatro fa maditra+ ianao, ka vy ny hozatry ny hatokao+ ary varahina ny handrinao.+  Noho izany, dia efa hatry ny ela aho no tsy nitsahatra nilaza taminao ny zava-drehetra. Mbola tsy nitranga izany dia efa nambarako taminao,+ mba tsy hitenenanao hoe: ‘Ny sampiko no nanao izany, ary ny sary sokitro sy ny sarivongana metaliko no nandidy momba izany.’+  Efa renao+ izany, ka tazano daholo.+ Tsy hiresaka momba izany ve ianareo?+ Hanambara zava-baovao aminao aho manomboka izao, dia zavatra notehirizina ka mbola tsy fantatrao.+  Ankehitriny izany vao hoforonina fa tsy taloha, eny, zavatra mbola tsy renao talohan’ny androany, mba tsy hilazanao hoe: ‘Efa fantatro izany.’+  “Ankoatra izany dia mbola tsy nandre ianao+ sady tsy nahalala, ary efa hatry ny ela ny sofinao no tsy nisokatra. Fantatro tsara mantsy fa mivadika foana ianao,+ sady nantsoina hoe ‘mpandika lalàna hatrany am-bohoka.’+  Hifehy ny fahatezerako anefa aho noho ny anarako,+ ary hifehy tena aho mba hahazoako fiderana. Amin’izay dia tsy ho ringana ianao.+ 10  Koa nodioviko ianao, nefa tsy nataoko toy ny fanadiovana volafotsy.+ Nofidiko ianao fony ianao tao anatin’ny fatana fandrendrehana, eny, tao anatin’ny fahoriana.+ 11  Hanao zavatra aho noho ny amiko, eny, noho ny amiko.+ Fa nahoana no havelako hozimbazimbaina ny anarako?+ Tsy homeko ho an’olon-kafa mihitsy ny voninahitro.+ 12  “Mihainoa ahy, ry Jakoba, sy ianao, ry Israely izay nantsoiko! Tsy miova Aho.+ Izaho no voalohany,+ ary izaho no farany.+ 13  Ny tanako no nametraka ny fototry ny tany,+ ary ny tanako ankavanana no namelatra ny lanitra.+ Antsoiko izy ireo dia miara-tonga.+ 14  “Miangòna ianareo rehetra, ka mihainoa!+ Iza amin’izy ireo no nilaza izany zavatra izany? I Jehovah dia tia azy.+ Hanao izay sitrak’Andriamanitra amin’i Babylona izy,+ ary ny sandriny hamely ny Kaldeanina.+ 15  Izaho no nilaza izany, ary izaho no niantso azy+ sy nanao izay hahatongavany. Dia hahomby izay ataony.+ 16  “Manatòna ahy, ka henoy izao! Hatrany am-piandohana, dia tsy tao amin’ny toeram-piafenana no nitenenako.+ Efa teo aho hatramin’ny fotoana nitrangan’izany.” Nirahin’i Jehovah Tompo Fara Tampony aho, ary nirahiny koa ny fanahiny.+ 17  Izao no nolazain’i Jehovah Mpanavotra+ anao, Ilay Masin’ny Israely:+ “Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Ilay mampianatra anao mba hahitanao soa,+ Ilay mampandeha anao amin’ny lalana tokony halehanao.+ 18  Raha mitandrina ny didiko+ tokoa mantsy ianao, dia ho toy ny renirano ny fiadananao+ ary ho toy ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao!+ 19  Ho maro be toy ny fasika ny taranakao, ary ho toy ny vovo-pasika ny aloaky ny kibonao.+ Tsy hovonoina na hofoanana tsy ho eo anatrehako ny anaranao.”+ 20  Mivoaha avy ao Babylona!+ Andosiro ny Kaldeanina!+ Lazao amim-pihobiana sy ambarao+ hatrany amin’ny faran’ny tany+ hoe: “Navotan’i Jehovah i Jakoba mpanompony.+ 21  Tsy nangetaheta izy ireo,+ na dia nampandehaniny namakivaky tany efitra+ aza. Nampikoriana rano avy tamin’ny harambato izy mba hosotroin’izy ireo, ary nampitresaka harambato mba hamoaka rano.”+ 22  “Tsy misy fiadanana ho an’ny ratsy fanahy”, hoy i Jehovah.+

Fanamarihana