Isaia 53:1-12

53  Iza no mba nino ny zavatra renay?+ Ary tamin’iza no naharihary+ ny sandrin’i Jehovah?+  Hitsiry toy ny rantsana+ eo anatrehany izy, ary ho toy ny faka maniry eo amin’ny tany tsy misy rano. Tsy manana bika aman’endrika manintona izy, na manana famirapiratana.+ Tsy hahita an’ilay bika aman’endrika anirianay azy izahay rehefa mijery azy.+  Natao tsinontsinona sy nihatakatahan’ny olona izy,+ ary lehilahy nahalala fanaintainana sady nahafantatra tsara ny atao hoe aretina.+ Nihodina izahay mba tsy hijery ny endriny.+ Natao tsinontsinona izy, ary nohamavoinay.+  Ny aretinay tokoa no nentiny,+ ary ny fanaintainanay no nozakainy.+ Nihevitra anefa izahay fa niharan’ny loza+ sy kapoka ary fampahoriana+ avy tamin’Andriamanitra+ izy.  Notrobarana+ noho ny helokay+ anefa izy, ary notorotoroina noho ny fahadisoanay.+ Nihatra taminy ilay sazy nahazoanay fihavanana,+ ary ny ratrany+ no nahazoanay fanasitranana.+  Nirenireny toy ny ondry izahay rehetra,+ ka samy nivily nanaraka ny lalanay avy. Ary nampitondrain’i Jehovah azy ny fahadisoanay rehetra.+  Voageja mafy+ sy nanaiky hampahorina izy,+ nefa tsy niloa-bava akory. Nentina toy ny ondry hovonoina izy,+ ary tsy niloa-bava toy ny ondrivavy izay nanjary moana teo anoloan’ny mpanety azy.+  Nampahorina izy ary tsy nomena rariny.+ Iza no handinika ny tsipiriany momba ny taranaka nipoirany?+ Fa nesorina hiala+ tamin’ny tanin’ny velona+ izy. Nokapohina+ koa izy noho ny heloky+ ny oloko.  Rehefa maty izy, dia hatao eo amin’ny ratsy fanahy+ sy ny mpanankarena ny fasany,+ na dia tsy nanao herisetra+ aza izy sady tsy nisy fitaka teo am-bavany.+ 10  Sitrak’i Jehovah anefa ny hanorotoro azy.+ Nataony narary koa izy.+ Raha atolotrao ho fanatitra noho ny heloka+ izy, dia hahita an’izay ho taranany+ sady hanalava ny androm-piainany,+ ary ny tanany no hanatanteraka an-tsakany sy an-davany+ izay sitrak’i+ Jehovah. 11  Noho ny fahoriany, dia hahita zava-tsoa izy+ ka ho afa-po.+ Ny fahalalana azon’ilay olo-marina mpanompoko+ no hanampiany olona maro ho tonga olo-marina.+ Ary hozakainy ny fahadisoan’izy ireo.+ 12  Koa homeko anjara miaraka amin’ny maro izy.+ Hifampizara babo miaraka amin’ireo mahery izy,+ noho izy nanolotra* ny ainy ho amin’ny fahafatesana.+ Ary natao ho anisan’ny mpandika lalàna izy.+ Nitondra ny fahotan’ny maro koa izy,+ ary mpanelanelana+ eo amin’ireo mpandika lalàna.

Fanamarihana

A.b.t.: “nandraraka.”