Isaia 54:1-17

54  “Mihobia, ry vehivavy momba izay tsy niteraka!+ Mifalia sy mihobia ary mihorakoraha+ ianao izay tsy mba narary nihetsi-jaza!+ Fa ny zanaky ny vehivavy nilaozam-bady dia betsaka noho ny zanaky ny vehivavy manambady”,+ hoy i Jehovah.  “Halalaho ny tranolainao,+ ary aoka hohenjanina ireo lamban’ny tranolainao lehibe. Aza mihafihafy mihitsy rehefa manao izany. Halavao ny tady manenjana ny lainao, ary hamafiso ireo fantsika be fanenjanan-day.+  Fa hiely hiankavanana sy hiankavia ianao,+ ary ho lasa fananan’ny taranakao ireo firenena.+ Honenan’izy ireo koa ny tanàna aolo.+  Aza matahotra+ fa tsy ho menatra ianao.+ Aza mahatsiaro tena ho afa-baraka, fa tsy ho diso fanantenana+ ianao. Fa hohadinoinao ny henatrao tamin’ny fahatanoranao,+ ary tsy hotsaroanao intsony ny fahafaham-barakanao nandritra ny fotoana ela naha mpitondratena anao.”  “Fa Ilay Be Voninahitra Mpanao+ anao no vadinao sy tomponao.+ Jehovah Tompon’ny tafika no anarany.+ Ary Ilay Masin’ny Israely no Mpanavotra+ anao. Hantsoina hoe Andriamanitry ny tany manontolo izy.+  Fa nampodin’i Jehovah ianao, izay toy ny vady nafoy tanteraka sy ory dia ory,+ ary toy ny vadin’ny fahatanorana+ izay nolavina+ tatỳ aoriana”, hoy ny Andriamanitrao.  “Vetivety ihany no nahafoizako anao tanteraka,+ fa amin’ny famindram-po lehibe kosa no hanangonako anao.+  Tao anatin’ny fahatezerana lehibe no nanafenako vetivety ny tavako taminao,+ fa amin’ny hatsaram-panahy feno fitiavana maharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra kosa no hamindrako fo aminao”,+ hoy i Jehovah Mpanavotra+ anao.  “Amiko, dia toy ny tamin’ny andron’i Noa izao.+ Toy ny nianianako fa tsy hanafotra ny tany intsony ny ranon’i Noa,+ no ianianako koa fa tsy ho tezitra aminao intsony aho na hiteny mafy anao.+ 10  Fa na hesorina aza ny tendrombohitra, ary na hihozongozona aza ny havoana,+ dia tsy hesorina aminao kosa ny hatsaram-panahiko feno fitiavana,+ ary tsy hihozongozona ny fifanekem-pihavanana ataoko”,+ hoy i Jehovah, Ilay mamindra fo aminao.+ 11  “Ry vehivavy ory+ sy asafotofoton’ny rivo-mahery,+ sady tsy misy mampionona!+ Hampiasa rihitra mafy aho hanakambanako ireo vato+ eo aminao, ary safira+ no hataoko fototrao.+ 12  Vatosoa robia no hanaovako ny tampon’ny mandanao, vatosoa mena midorehitra no hanaovako ny vavahadinao,+ ary vatosoa tena tsara ny sisin-taninao rehetra. 13  Ny zanakao rehetra+ dia hampianarin’i Jehovah,+ ka ho be ny fiadanan’ny zanakao.+ 14  Hiorina tsara amin’ny fahamarinana ianao.+ Ho lavitra anao ny fampahoriana+ satria tsy hisy hatahoranao ireny, ary ho lavitra anao ny zavatra mampihorohoro satria tsy hanatona anao ireny.+ 15  Raha misy tonga manafika anao, dia tsy noho ny baiko avy amiko izany.+ Izay manafika anao dia ho lavo noho ny aminao.”+ 16  “Izaho no namorona ny mpanao asa tanana, izay mitsoka+ ny afon-tsaribao+ ka mahavita fitaovam-piadiana. Izaho koa no namorona ny mpandringana+ mandravarava. 17  Tsy hisy hahomby izay fiadiana amboarina hamelezana anao,+ ary homelohinao eo amin’ny fitsarana ny lela rehetra manohitra anao.+ Izany no lovan’ny mpanompon’i Jehovah,+ sy fahamarinany avy amiko”, hoy i Jehovah.+

Fanamarihana