Isaia 59:1-21

59  Tsy hoe nanjary fohy loatra ny tanan’i Jehovah ka tsy mahavonjy,+ na hoe donto loatra ny sofiny ka tsy mahare.+  Tsia, fa ny fahadisoanareo ihany no mampisaraka anareo amin’Andriamanitrareo,+ ary ny fahotanareo ihany no mahatonga azy hanafina ny tavany mba tsy hihainoany anareo.+  Fa mihosin-dra ny felatananareo,+ ary feno fahadisoana ny rantsantananareo. Miteny lainga+ ny molotrareo, ary mingonongonona tsy fahamarinana ny lelanareo.+  Tsy mba misy miantsoantso hiaro ny fahamarinana,+ ary izay mankeny amin’ny fitsarana dia tsy misy milaza zavatra azo itokisana. Zava-poana no ianteherana,+ ary zavatra tsy misy dikany no lazaina.+ Fampahoriana no miforona ao an-kibo, ary fanaovan-dratsy no ateraka.+  Atodin’ny bibilava misy poizina no kotrehin’izy ireo, ary tranon-kala no tenominy.+ Ho faty izay mihinana ny atodiny, ary menarana+ no ho foy avy ao amin’ny atody novakina.  Tsy ho azo atao fitafiana ny tranon-kalany, ary tsy ho azony irakofana ny zavatra ataony.+ Fanaovan-dratsy no asany, ary herisetra no ataon’ny tanany.+  Mihazakazaka ho amin’ny ratsy ny tongony,+ ary dodona handatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny izy ireo.+ Ny hanao ratsy no ao an-tsainy,+ ary fandrobana sy fandravana no eny amin’ny lalambeny.+  Tsy miraharaha ny lalan’ny fiadanana+ izy ireo, ary tsy misy rariny eny amin’ny lalany.+ Ataony miolakolaka ny alehany.+ Koa tsy hahita fiadanana mihitsy izay mandeha amin’izany.+  Izany no mahatonga ny rariny ho lavitra anay, sy ny fahamarinana tsy hahatratra anay. Manantena hazavana foana izahay kanjo haizina no hitanay, ary manantena famirapiratana kanjo mbola ao anatin’ny haizim-pito ihany izahay no mandeha.+ 10  Mitsapatsapa manara-drindrina toy ny jamba izahay, eny, mitsapatsapa toy ny olona tsy mana-maso.+ Amin’ny mitataovovonana izahay dia tafintohina toy ny amin’ny takariva maizimaizina, ary toy ny maty+ izahay eo anatrehan’ireo tomady. 11  Mierona toy ny orsa izahay rehetra, ary mitoreo amin’alahelo toy ny voromailala.+ Manantena rariny+ izahay nefa tsy misy izany, ary manantena famonjena nefa lavitra anay izany.+ 12  Fa maro ny fikomianay eo anatrehanao,+ ary samy miampanga anay ny fahotanay.+ Tsapanay ny fikomianay, ary fantatray tsara ny fahadisoanay.+ 13  Mandika lalàna sy mandà an’i Jehovah+ izahay, ary mihemotra miala amin’Andriamanitray. Fampahoriana sy fikomiana+ no resakay, ary mamoron-dainga ao am-ponay izahay ka mingonongonona an’izany.+ 14  Koa voatery mihemotra ny rariny,+ ary mijanona eny lavitra eny ny hitsiny.+ Fa tafintohina eny amin’ny tany malalaky ny tanàna ny fahamarinana, ary tsy tafiditra eny ny fahitsiana.+ 15  Tsy eo tokoa ny fahamarinana,+ ary voaroba izay mifady ny ratsy.+ Nahita izany i Jehovah, ary ratsy eo imasony ny tsy fisian’ny rariny.+ 16  Hitany fa tsy nisy olona sahy nijoro, ary gaga izy fa tsy nisy nisalovana.+ Nanao famonjena ho an’ny tenany ny sandriny, ary ny fahamarinany ihany no nanohana azy.+ 17  Dia nanaovany toy ny akanjo mifono vy ny fahamarinana,+ ary nataony teo amin’ny lohany ny fiarovan-dohan’ny famonjena.+ Notafiny koa ny akanjon’ny famaliana,+ ary nisalorany toy ny akanjo tsy misy tanany+ ny zotom-po. 18  Araka izay ataon’ny olona ihany no hamaliany azy,+ ka hampiharany fahatezerana ny mpandrafy azy, ary homeny ny sahaza azy ny fahavalony.+ Hovaliany araka izay sahaza azy koa ireo nosy.+ 19  Hatahotra ny anaran’i Jehovah ireo any amin’ny filentehan’ny masoandro,+ ary hatahotra ny voninahiny ireo any amin’ny fiposahan’ny masoandro.+ Fa ho avy toy ny renirano mampahory izay asesiky ny fanahin’i Jehovah,+ izy. 20  “Ho tonga ao Ziona+ ny Mpanavotra,+ sady ho tonga amin’ireo miala amin’ny fandikan-dalàna, izany hoe ireo anisan’i Jakoba”,+ hoy i Jehovah. 21  “Ary izao no fifanekena ataoko amin’izy ireo”,+ hoy i Jehovah: “Ny fanahiko izay ao aminao+ sy ny teniko izay nataoko teo am-bavanao,+ dia tsy hesorina eo am-bavanao, na eo am-bavan’ny taranakao, na eo am-bavan’ny taranaky ny taranakao, manomboka izao ka hatramin’ny fotoana tsy voafetra”,+ hoy i Jehovah.

Fanamarihana