Isaia 60:1-22

60  “Mitsangàna,+ ry vehivavy! Mandefasa hazavana,+ fa efa tonga ny fahazavanao,+ ary mamirapiratra eo aminao ny voninahitr’i Jehovah!+  Hanarona ny tany ny haizina,+ ary hanarona an’ireo firenena ny haizim-pito. Fa hamirapiratra aminao kosa i Jehovah, ary eo aminao no hisehoan’ny voninahiny.+  Dia hankeo amin’ny fahazavanao ny firenena,+ ary hankeo amin’ny fahazavan’ny famirapiratanao+ ny mpanjaka.+  “Topazo maso ny manodidina anao ka jereo! Nangonina daholo izy rehetra,+ ka tonga eo aminao.+ Tsy mitsahatra ny fahatongavan’ny zanakao lahy avy lavitra, ary toy izany koa ny zanakao vavy izay hokarakaraina sady hosakelehina.+  Hahita izany ianao amin’izay fotoana izay ka ho miramirana.+ Ho ravoravo ny fonao sady ho dibo-kafaliana, satria hankany aminao ny harenan’ny ranomasina, ary ho tonga any aminao ny fananan’ny firenena.+  Handrakotra ny taninao ny andian-drameva izay toa manonjanonja ny fahitana azy mitanjozotra, dia ny ramevalahy tanora avy any amin’ny Midianina sy Efaha.+ Ary ho tonga daholo ny avy any Sheba,+ sady hitondra volamena sy ditin-kazo manitra. Dia hanambara ny fiderana an’i Jehovah izy ireo.+  Hangonina ho eo aminao ny andian’ondry rehetran’i Kedara,+ ary hanompo anao+ ny ondrilahin’i Nebaiota.+ Hankeo ambony alitarako ireny ka hankasitrahana.+ Ary hohatsaraiko ilay tranoko tsara tarehy.+  “Iza ireny tamy manidina toy ny rahona ireny,+ sy toy ny voromailala mirohotra ho eny amin’ny tranony?  Fa hanantena ahy foana ny nosy,+ ary hanantena ahy toy ny tamin’ny voalohany koa ny sambon’i Tarsisy,+ mba hitondra ny zanakao lahy avy lavitra,+ miaraka amin’ny volafotsiny sy ny volamenany,+ ho an’ny anaran’i+ Jehovah Andriamanitrao sy Ilay Masin’ny Israely.+ Fa hataony lasa tsara tarehy ianao.+ 10  Hafa firenena no hanangana ny mandanao,+ ary hanompo anao ny mpanjakany.+ Tao anatin’ny fahatezerako no nikapohako anao,+ fa noho ny fankasitrahako kosa no hamindrako fo aminao.+ 11  “Hatao misokatra foana ny vavahadinao,+ ka tsy hohidiana na andro na alina, mba hampidirana ao aminao ny fananan’ny firenena.+ Ny mpanjakany no ho loha laharana amin’ny fanaovana an’izany.+ 12  Fa ho ringana izay firenena sy fanjakana tsy hanompo anao, ary ho rava tokoa ireo firenena.+ 13  “Ho tonga any aminao ny voninahitr’i Libanona, mbamin’ny hazo zenevrie sy ny hazo volondavenona ary ny siprey,+ mba hahatsara tarehy ny toerako masina.+ Dia homeko voninahitra ny fitoeran-tongotro.+ 14  “Hanatona ka hiankohoka eo anatrehanao ny zanak’ireo mpampahory anao,+ ary hihohoka eo an-tongotrao izay rehetra maniratsira anao.+ Dia hantsoin’izy ireo hoe tanànan’i Jehovah, Zionan’Ilay+ Masin’ny Israely, ianao. 15  “Nafoy tanteraka sy nankahalaina ianao taloha ary tsy nisy mpandalo teo aminao,+ nefa izao kosa ianao hataoko ho antony ireharehana hatramin’ny fotoana tsy voafetra, sy ho antom-pifaliana hatramin’ny taranaka fara mandimby.+ 16  Hinono amin’ny firenena+ ianao, sady hinono amin’ny mpanjaka.+ Dia ho fantatrao fa izaho Jehovah+ no Mpamonjy+ anao, ary Ilay Maherin’i+ Jakoba no Mpanavotra+ anao. 17  Volamena+ no hoentiko ho solon’ny varahina, volafotsy ho solon’ny vy, varahina ho solon’ny hazo, ary vy ho solon’ny vato. Dia hotendreko ho mpiandraikitra+ anao ny fiadanana ary ho mpampiasa anao ny fahamarinana.+ 18  “Tsy ho re ao amin’ny taninao intsony ny herisetra, ary tsy ho re ao anatin’ny faritry ny taninao ny fandrobana sy ny fandravana.+ Ny mandanao hantsoinao hoe Famonjena,+ ary ny vavahadinao hantsoinao hoe Fiderana. 19  Tsy ho fahazavana mandritra ny andro ho anao intsony ny masoandro, ary tsy hanome hazavana ho anao intsony ny volana mamirapiratra. Fa i Jehovah no ho fahazavana ho anao mandritra ny fotoana tsy voafetra,+ ary ny Andriamanitrao no ho hatsaran-tarehinao.+ 20  Tsy hilentika intsony ny masoandronao ary tsy hihena ny volana manazava anao, satria i Jehovah no ho fahazavanao+ mandritra ny fotoana tsy voafetra, ary ho tapitra ny andro fisaonanao.+ 21  Ho olo-marina avokoa ny vahoakanao,+ ary ho fananan’izy ireo mandritra ny fotoana tsy voafetra ilay tany.+ Tsimoka avy amin’izay namboleko+ izy ireo sady asan’ny tanako,+ mba hahatsara tarehy ahy.+ 22  Ny vitsy ho lasa arivo, ary ny kely ho lasa firenena mahery.+ Izaho Jehovah no hanafaingana izany amin’ny fotoanany.”+

Fanamarihana