Isaia 61:1-11

61  Ny fanahin’i Jehovah Tompo Fara Tampony no ato amiko,+ satria i Jehovah nanosotra ahy+ hilaza vaovao tsara amin’ny mpandefitra.+ Naniraka ahy izy mba hamehy ny ratran’ny torotoro fo;+ hanambara fahafahana amin’ny babo+ sy fampahiratana ny mason’ny voafonja;+  hanambara ny taona fanehoan’i Jehovah fankasitrahana+ sy ny andro famalian’Andriamanitsika;+ hampionona an’izay ory rehetra;+  ary hanome fehiloha ho solon’ny lavenona ho an’ireo ory+ noho ny amin’i Ziona, sy menaka fifaliana+ ho solon’ny fahoriam-po, ary akanjo fiderana ho solon’ny harerahan-tsaina.+ Izy ireo dia hantsoina hoe hazon’ny fahamarinana,+ izay nambolen’i Jehovah+ mba hahatsara tarehy azy.+  Dia haorin’izy ireo indray ny toerana efa rava+ hatry ny ela be, ary hatsangany indray ny toerana efa aolo hatramin’ny taloha.+ Hohavaoziny koa ny tanàna rava,+ dia ireo toerana aolo nandritra ny taranaka nifandimby.  “Vahiny no ho avy hiandry ny andian’ondrinareo,+ ary ny hafa firenena+ no ho mpambolinareo sy mpikarakara ny tanimboalobokareo.+  Ary hantsoina hoe mpisoron’i Jehovah ianareo,+ sady hatao hoe mpanompon’Andriamanitsika.+ Hohaninareo ny fananan’ny firenena,+ ary ho faly ianareo hiresaka momba anareo noho ny harena be voninahitra azonareo avy aminy.+  Hahazo anjara avo roa heny+ ny oloko ho solon’ny henatra, ary tsy ho afa-baraka intsony izy fa hihoby noho ny anjarany.+ Koa hahazo anjara avo roa heny+ izy ireo ao amin’ny taniny, ka hifaly mandritra ny fotoana tsy voafetra.+  Fa izaho Jehovah dia tia ny rariny+ sady mankahala ny fandrobana sy ny tsy fahamarinana.+ Manao ny rariny aho ka hanome ny karaman’izy ireo,+ ary fifanekena mandritra ny fotoana tsy voafetra no hataoko aminy.+  Ho fantatry ny firenena ny zanak’izy ireo,+ ary ho fantatry ny vahoaka ny taranany. Koa izay mahita azy dia hahafantatra+ fa izy ireo no taranaka notahin’i Jehovah.”+ 10  Hifaly amin’i Jehovah+ tokoa aho, ary hiravoravo amin’Andriamanitro.+ Fa efa nampanaoviny ahy toy ny akanjo ny famonjena,+ ary efa nampitafiany ahy toy ny akanjo tsy misy tanany ny fahamarinana,+ ka hoatran’ny mpampakatra manao fehiloha+ toy ny mpisorona aho, ary hoatran’ny ampakarina manao ny firavany.+ 11  Toy ny tany mampitsiry ny tsimoka eo aminy, ary toy ny tanimboly mampitsimoka an’izay nafafy teo aminy,+ dia hampitsimoka fahamarinana+ sy fiderana eo anatrehan’ny firenena rehetra+ i Jehovah Tompo Fara Tampony.

Fanamarihana