Isaia 62:1-12

62  Noho ny amin’i Ziona dia tsy hangina aho,+ ary noho ny amin’i Jerosalema+ dia tsy hipetra-potsiny aho, mandra-piposaky ny fahamarinany hoatran’ny hazavana,+ ary ny famonjena azy hoatran’ny fanilo mirehitra.+  “Hahita ny fahamarinanao ny firenena,+ ravehivavy,+ ary hahita ny voninahitrao ny mpanjaka rehetra.+ Homena anaram-baovao,+ izay hotononin’ny vavan’i Jehovah, ianao.  Ho satroboninahitra tsara tarehy eo an-tanan’i Jehovah ianao,+ ary ho fehilohan’ny mpanjaka, eo am-pelatanan’Andriamanitrao.  Tsy holazaina intsony hoe vady nafoy tanteraka ianao,+ ary tsy hatao intsony hoe lao ny taninao.+ Hantsoina kosa ianao hoe Sitrako Izy,+ ary ny taninao hoe Manan-tompo Satria Manambady. Fa hankasitraka anao i Jehovah, ary ny taninao hanan-tompo satria manambady.+  Fa toy ny tovolahy maka virjiny ho vady ka lasa tompony, dia haka anao ho vady koa ny zanakao ka ho lasa tomponao.+ Ary tahaka ny fifalian’ny mpampakatra amin’ny ampakarina+ no hifalian’Andriamanitrao aminao.+  Efa nanendry mpitily+ ho eny ambonin’ny mandanao aho, ry Jerosalema ô! Aoka izy ireo tsy hangina mihitsy, na andro na alina.+ “Aoka tsy hangina mihitsy ianareo+ izay miresaka momba an’i Jehovah,+  ary aoka ianareo tsy hamela azy ao anatin’ny fanginana, mandra-panoriny mafy tsara an’i Jerosalema ho fiderana eto an-tany.”+  Efa nanangana ny tanany ankavanana+ sy ny sandriny+ mahery i Jehovah ka nianiana hoe: “Tsy homeko ho sakafon’ny fahavalonao intsony ny varimbazahanao,+ ary tsy hosotroin’ny hafa firenena intsony ny divainao vaovao,+ izay efa nisasaranao.  Fa izay mijinja ihany no hihinana, ka hidera an’i Jehovah. Ary izay manangona ihany no hisotro eo amin’ny tokotaniko masina.”+ 10  Mivoaha, mivoaha amin’ny vavahady! Karakarao ny lalan’ny olona!+ Manamboara, manamboara lalambe! Esory ny vato eny.+ Manangàna tsato-kazo famantarana ho an’ny olona.+ 11  Izao no nambaran’i Jehovah hatrany amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany:+ “Lazao amin’i Ziona+ zanakavavy hoe: ‘Efa ho avy ny famonjena anao.+ Efa eny aminy ny valisoa omeny,+ ary efa eo anatrehany ny karama aloany.’”+ 12  Dia hantsoin’ny olona hoe vahoaka masina+ navotan’i Jehovah+ izy ireo. Ary ianao koa hantsoina hoe Ilay Tadiavina, Tanàna Tsy Nafoy Tanteraka.+

Fanamarihana