Isaia 8:1-22

8  Ary hoy i Jehovah tamiko: “Makà takela-kazo+ lehibe ka izao no soraty amin’ny penina* tsotra: ‘Mahera-salala-hasi-baza.’  Koa aoka aho homena fanamarinana+ avy amin’ny vavolombelona mendri-pitokisana,+ dia i Oria mpisorona+ sy Zakaria zanak’i Jeberekia.”  Ary nanao firaisana tamin’ilay mpaminanivavy aho. Dia bevohoka izy ka niteraka zazalahy.+ Ary hoy i Jehovah tamiko: “Ataovy hoe Mahera-salala-hasi-baza ny anarany,  fa raha mbola tsy mahay miantso+ ‘Dada’ sy ‘Neny’ ilay zaza, dia hoentin’ny olona eo anatrehan’ny mpanjakan’i Asyria ny fananan’i Damaskosy sy ny zavatra nobaboina tany Samaria.”+  Hoy koa i Jehovah tamiko:  “Koa satria nolavin’ity+ vahoaka ity ny ranon’i Siloa+ izay misononòka, ary faly+ izy ireo noho ny amin’i Rezina sy ny zanak’i Remalia,+  dia hampiakarin’i Jehovah hamely azy+ ny rano be mahery fiavy avy any amin’ny Renirano,+ dia ny mpanjakan’i Asyria+ sy ny voninahiny rehetra.+ Ho tondraka hihoatra ny morony rehetra izy.  Dia hamakivaky an’i Joda izy, ka hanafotra azy.+ Mbola hiroso ihany izy ka hisondrotra hatreny am-bozona.+ Ary ny fivelaran’ny elany+ dia handrakotra ny sakan’ny taninao, ry Imanoela+ ô!”  Asio izy ireo, ry firenena ô! Ho montsamontsana koa anefa ianareo. Mihainoa ianareo rehetra any lavitra any!+ Ataovy vonona ny fiadianareo,+ nefa ianareo ho montsamontsana ihany!+ Ataovy vonona ny fiadianareo, nefa ianareo ho montsamontsana ihany! 10  Manaova tetika, nefa ho rava izany!+ Mitenena, nefa tsy ho tanteraka izany, satria momba anay Andriamanitra!+ 11  Fa nihazona ahy ny tana-maherin’i Jehovah, ary mba hisakanana ahy tsy hanaraka ny ataon’ity firenena ity dia hoy izy: 12  “Aza miteny hoe: ‘Andao hikomy!’, isaky ny miteny ity vahoaka ity hoe: ‘Andao hikomy!’+ Ary aza matahotra na mihorohoro amin’izay zavatra atahorany.+ 13  I Jehovah Tompon’ny tafika irery no tokony ho masina+ aminareo. Izy no tokony hatahoranareo,+ ary Izy no tokony hahatonga anareo hihorohoro.”+ 14  Dia ho toerana masina Izy,+ nefa koa ho vato mahatafintohina sy vatolampy mahalavo+ ho an’ny fanjakana roan’ny Israely, sady ho vela-pandrika sy fandrika ho an’ny mponin’i Jerosalema.+ 15  Koa maro amin’izy ireo no ho tafintohina sy ho lavo sy ho potipotika, ary ho voafandrika sy ho voasambotra.+ 16  Ahoròny ny taratasy fanamarinana,+ ary asio tombo-kase ny lalàna eo amin’ny mpianatro!+ 17  Ary izaho hiandry an’i Jehovah,+ izay manafina ny tavany tsy ho hitan’ny taranak’i Jakoba.+ Dia hanantena Azy aho.+ 18  Indreto izaho sy ireo zaza nomen’i Jehovah ahy!+ Famantarana+ sy fahagagana eo amin’ny Israely izahay, eny, famantarana sy fahagagana avy amin’i Jehovah Tompon’ny tafika izay mitoetra eo amin’ny Tendrombohitra Ziona.+ 19  Mety hisy hiteny aminareo hoe: “Manontania mpamoha angatra+ na olona itoeran’ny fanahy mpilaza ny hoavy, izay samy manao feom-boronkely+ sy mibitsibitsika.” Tsy ny Andriamaniny anefa ve no tokony hanontaniany?+ Ny maty indray ve no hanontaniana mba hahasoa ny velona?+ 20  Ao amin’ny lalàna sy ny teny fanamarinana+ ihany! Hamerimberina izany teny izany+ tokoa izy ireo, nefa tsy hahazo ny fahazavan’ny maraina.+ 21  Ary samy hivezivezy ao amin’ilay tany ny olona efa ory sady noana.+ Koa satria noana izy sady tezitra, dia hozoniny ny mpanjakany sy ny Andriamaniny.+ Ary hiandrandra ny lanitra izy. 22  Rehefa hiondrika hijery ny tany anefa izy, dia hahita fahoriana sy haizina+ sy haizim-pito sy fotoan-tsarotra ary andro manjombona tsy misy mangirana.+

Fanamarihana

Mety ho bararata kely marani-doha io.