Jakoba 2:1-26

2  Ry rahalahiko, manam-pinoana an’i Jesosy Kristy Tompontsika sy voninahitsika+ ve ianareo, nefa mizaha tavan’olona?+  Raha miditra ao amin’ny fivorianareo,+ ohatra, ny olona iray manao peratra volamena sy akanjo mirenty, ary miditra koa ny mahantra iray maloto akanjo,+  dia ilay manao akanjo mirenty no tianareo kokoa,+ ka ilazanareo hoe: “Mipetraha eto amin’ny toerana tsara eto ianao.” Fa ilay mahantra kosa ilazanareo hoe: “Mijoroa eo ihany ianao”, na hoe: “Mipetraha etsy ambany etsy, eo akaikin’ny fitoeran-tongotro.”  Raha izany, tsy misy fanavakavahana ve eo aminareo,+ ka lasa mpitsara+ miangatra+ ianareo?  Henoy izao, ry rahalahy malala: Tsy ny mahantra+ eo amin’izao tontolo izao ve no nofidin’Andriamanitra hanan-karena+ amin’ny finoana, sy ho mpandova ilay fanjakana nampanantenainy an’ireo tia azy?+  Ianareo anefa tsy manome voninahitra ny mahantra. Tsy ny manankarena ve no mampahory+ anareo sy mitaritarika anareo ho any amin’ny fitsarana?+  Tsy manevateva+ an’ilay anarana tsara niantsoana anareo+ ve izy?  Tena tsara anefa ny ataonareo raha ankatoavinareo hatrany izao mpanjakan’ny lalàna*+ izao, araka ny voalaza ao amin’ny Soratra Masina hoe: “Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.”+  Raha mbola mizaha tavan’olona foana anefa ianareo+ dia manota, satria asehon’ny lalàna+ fa mpandika lalàna ianareo. 10  Na iza na iza mitandrina ny Lalàna rehetra, nefa diso amin’ny iray monja, dia manjary meloka amin’izy rehetra.+ 11  Fa ilay nilaza hoe: “Aza manitsakitsa-bady”,+ no nilaza koa hoe: “Aza mamono olona.”+ Raha tsy manitsakitsa-bady ianao nefa mamono olona, dia lasa mpandika lalàna. 12  Asehoy hatrany eo amin’izay lazainareo sy ataonareo fa hotsarain’ny lalàn’ny olona afaka ianareo.+ 13  Hotsaraina tsy misy indrafo izay olona tsy mpamindra fo.+ Fa ny famindram-po dia mandresy ny fitsarana. 14  Inona no soa azo, ry rahalahiko, raha misy milaza fa manam-pinoana,+ nefa tsy asehony amin’ny ataony izany?+ Hahavonjy azy ve izany finoana izany?+ 15  Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sady tsy ampy sakafo isan’andro,+ 16  nefa misy aminareo milaza aminy hoe: “Mirary soa e! Enga anie ka hafana sy ho voky tsara foana ianareo!”, kanefa tsy omenareo azy izay ilain’ny vatany, inona moa no soa azo avy amin’izany?+ 17  Toy izany koa ny finoana, raha tsy aseho amin’ny atao,+ dia maty. 18  Hisy anefa hilaza hoe: “Finoana fotsiny ny anao, fa ny ahy kosa finoana aseho amin’ny atao. Asehoy amiko amin’izao fotsiny ny finoanao, fa izaho kosa haneho aminao ny finoako amin’ny ataoko.”+ 19  Mino ve ianao fa misy Andriamanitra tokana?+ Tena tsara izany. Ny demonia koa anefa mba mino ka mangovitra.+ 20  Mba fantatrao moa, ry adala, fa tsy miasa ny finoana raha tsy aseho amin’ny atao? 21  Tsy nambara ho marina ve i Abrahama raintsika+ noho izay nataony, rehefa avy nanolotra an’i Isaka zanany teo ambony alitara izy?+ 22  Hitanao fa ny finoany dia niara-niasa tamin’izay nataony, ary nanjary lavorary ny finoany noho izay nataony.+ 23  Tanteraka àry ny voalaza ao amin’ny Soratra Masina hoe: “I Abrahama naneho finoana an’i Jehovah, ka neken’Andriamanitra ho isan’ny olo-marina izy.”+ Koa nantsoina hoe “naman’i Jehovah” izy.+ 24  Hitanareo àry fa hambara ho marina+ ny olona noho izay ataony,+ fa tsy noho ny finoany fotsiny.+ 25  Toy izany koa i Rahaba+ mpivaro-tena: Tsy nambara ho marina ve izy noho izay nataony rehefa avy noraisiny tsara ireo iraka, ka nalefany tany amin’ny lalan-kafa?+ 26  Eny tokoa, maty ny vatana raha tsy misy aina,*+ ary maty toy izany koa ny finoana raha tsy aseho amin’ny atao.+

Fanamarihana

A.b.t.: “lalàn’ny mpanjaka.”
Gr.: pneoma. Jereo F.F. 3B.