Jakoba 3:1-18

3  Tsy tokony ho maro ianareo, ry rahalahiko, no ho tonga mpampianatra,+ satria fantatrareo fa ho mafimafy kokoa no hitsarana antsika mpampianatra.+  Manao fahadisoana* imbetsaka mantsy isika rehetra.+ Raha misy tsy manao fahadisoana amin’izay lazainy,+ dia izy no olona lavorary,+ mahafehy ny tenany manontolo koa.  Raha asiantsika lamboridy+ ny vavan’ny soavaly mba hanekeny antsika,+ dia ny vatany manontolo koa no ho azontsika baikoina.  Jereo ange ny sambo e! Na ngezabe sady atosiky ny rivotra mahery aza izy, dia familiana+ kely no itondran’ny mpanamory azy ho any amin’izay tiany.  Toy izany koa ny lela: Kely izy io, kanefa mirehareha fatratra.+ Jereo ange ny afo e! Kely fotsiny dia efa mampirehitra ala be.  Afo ny lela.+ Eo amin’ny vatantsika, dia ny lela no feno ny tsy fahamarinana rehetra, satria manisy pentimpentina ny vatana manontolo+ sy mandrehitra ny fizotran’ny fiainana manontolo sady arehitry ny Gehena.*  Azo folahina avokoa rehefa mety ho bibidia, na vorona, na biby mandady, na bibin-dranomasina, ary efa voafolaky ny olombelona ireny.+  Tsy misy olombelona mahafolaka ny lela anefa. Manimba sy tsy hay fehezina izy io sady feno poizina mahafaty.+  Izy io no iderantsika an’i Jehovah+ Raintsika,+ nefa izy io koa no anozonantsika+ ny olona izay noforonina “mba hisy hitovizana amin’Andriamanitra.”+ 10  Avy amin’ny vava iray ihany no ivoahan’ny fiderana sy ny fanozonana. Tsy mety, ry rahalahiko, raha mbola mitohy foana izany.+ 11  Ny loharano+ ve miboiboika rano mamy sy mangidy eo amin’ny vavany iray ihany? 12  Ry rahalahiko, mety hamoa oliva ve ny aviavy, na hamoa aviavy ny voaloboka?+ Ny rano masira koa tsy mety hanome rano mamy. 13  Iza aminareo no hendry sy mahira-tsaina? Aoka izy haneho izany amin’ny alalan’ny fitondran-tena tsara, ka ho hita eo amin’izay ataony+ fa maneho fahalemem-panahy avy amin’ny fahendrena izy. 14  Raha be fialonana+ sy tia mifanditra+ anefa ianareo ao am-ponareo, dia aza mirehareha+ na mandainga hanohitra ny fahamarinana.+ 15  Tsy mba fahendrena avy any ambony+ izany, fa fahendrena avy eto an-tany+ sy araka ny nofo ary araka ny demonia+ kosa. 16  Fa eo amin’izay mialona+ sy tia mifanditra, dia misy korontana mbamin’ny zava-dratsy rehetra+ koa. 17  Ny fahendrena+ avy any ambony kosa dia madio+ aloha, ary avy eo tia fihavanana,+ mahay mandanjalanja,*+ vonona hankatò, be famindram-po sy be voka-tsoa,+ tsy manavakavaka na miangatra,+ ary tsy mihatsaravelatsihy.+ 18  Ambonin’izany, dia afafin’ny mpampihavana+ ny voan’ny+ fahamarinana,+ ary ao anatin’ny toe-tsaina tia fihavanana no anaovany izany.+

Fanamarihana

A.b.t.: “tafintohina na lavo.”
Jereo F.F. 3E.
A.b.t.: “mandefitra.”