Jakoba 4:1-17

4  Avy aiza ny ady, ary avy aiza ny fifandirana eo aminareo? Moa ve izany tsy avy amin’ny+ fanirianareo fatratra fahafinaretan’ny nofo, dia faniriana miady ao amin’ny vatanareo?+  Maniry hahazo ianareo, nefa tsy manana ihany. Mamono olona+ sy mitsiriritra+ foana ianareo, nefa tsy mety mahazo ihany. Mifanditra+ sy miady foana ianareo. Tsy manana ianareo, satria tsy mangataka.  Mangataka ianareo nefa tsy mahazo ihany, satria ratsy ny anton’ny fangatahanareo,+ dia ny handanianareo izany ho amin’ny fanirianareo fatratra fahafinaretan’ny nofo.+  Ry mpanitsakitsa-bady,+ tsy fantatrareo ve fa fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao?+ Koa na iza na iza te ho naman’izao+ tontolo izao, dia mitsangan-ko fahavalon’Andriamanitra izy.+  Sa heverinareo ho tsy misy antony ny ilazan’ny Soratra Masina hoe: “Tsy mety afa-po mihitsy ilay fitsiriritana ao anatintsika ao”?+  Lehibe kokoa anefa ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa asehon’Andriamanitra.+ Koa hoy ny Soratra Masina: “Andriamanitra manohitra ny olona manambony tena,+ fa maneho hatsaram-panahy tsy manam-paharoa kosa amin’ny manetry tena.”+  Koa maneke+ an’Andriamanitra, fa tohero kosa ny Devoly,+ dia handositra anareo izy.+  Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.+ Diovy ny tananareo, ry mpanota,+ ary diovy ny fonareo,+ ry mpisalasala.+  Aoka ianareo ho ory, ary malahelova sy mitomania.+ Aoka ny fihomehezanareo hanjary ho alahelo, ary ny fifalianareo ho fahakiviana.+ 10  Manetre tena eo anatrehan’i Jehovah,+ dia hanandratra anareo izy.+ 11  Aza mifanaratsy intsony, ry rahalahy.+ Izay manaratsy rahalahy na mitsara+ ny rahalahiny, dia manaratsy ny lalàna sady mitsara ny lalàna. Raha mitsara ny lalàna anefa ianao, dia tsy mpankatò lalàna fa mpitsara.+ 12  Iray monja ny mpanome lalàna sy mpitsara,+ dia ilay afaka mamonjy sy mandringana.+ Fa iza moa ianao no mitsara ny namanao?+ 13  Ianareo manao hoe: “Hankany an-tanàna hafa izahay anio na rahampitso, ka hitoetra any herintaona, ary hanao raharaham-barotra ka hahazo tombony.”+ 14  Tsy fantatrareo akory anefa izay hitranga aminareo rahampitso.+ Zavona miserana vetivety ianareo, ary levona rehefa avy eo.+ 15  Fa tokony hilaza kosa ianareo hoe: “Raha sitrapon’i Jehovah+ ka velona izahay, dia hanao izao na izao.”+ 16  Izao anefa ianareo dia mirehareha ny amin’izay zavatra ieboeboanareo.+ Ratsy ny fireharehana rehetra toy izany. 17  Koa raha misy mahafantatra izay tokony hataony, nefa tsy manao,+ dia manota+ izy.

Fanamarihana