Jakoba 5:1-20

5  Ry mpanankarena,+ mitomania ka midradradradrà noho ny fahoriana efa hanjo anareo.+  Efa lo ny harenanareo, ary lanin’ny koroka ny akanjonareo ivelany.+  Harafesenina tanteraka ny volamenanareo sy ny volafotsinareo, ary hiampanga anareo sy hihinana ny nofonareo ny harafesina aminy. Zavatra toy ny afo+ no angoninareo+ amin’ny andro farany.+  Tsy mitsahatra miantsoantso+ ny karaman’ny mpiasa nijinja ny sahanareo, dia ny karamany izay tsy omenareo.+ Efa mby any an-tsofin’i+ Jehovah Tompon’ny tafika ny antso vonjy+ ataon’ny mpijinja.  Manana fiainana mirenty ianareo eto an-tany, ary manaram-po amin’ny fahafinaretan’ny nofo.+ Ny fonareo dia tahaka ny biby hatavezina ho amin’ny andro famonoana.+  Melohinareo sy vonoinareo ho faty ny olo-marina. Tsy manohitra anareo ve izy?+  Mahareta àry, ry rahalahy, mandra-pahatongan’ny fanatrehan’ny+ Tompo. Jereo ange ny mpamboly e! Maharitra miandry ny vokatra sarobidy avy amin’ny tany izy, mandra-pahatongan’ny orana, dia ny orana aloha sy ny orana aoriana.+  Mahareta koa ianareo,+ ary hatanjaho ny fonareo, satria efa akaiky ny fanatrehan’ny Tompo.+  Ry rahalahy, aza mifampimenomenona ianareo mba tsy hohelohina.+ Efa mijoro eo anoloan’ny varavarana+ ny Mpitsara. 10  Ry rahalahy, aoka ny mpaminany+ izay niteny tamin’ny anaran’i Jehovah,+ no halainareo ho modely+ amin’ny fiaretana fahoriana+ sy ny faharetana.+ 11  Ambarantsika fa sambatra ireo efa niaritra.+ Efa renareo ny niaretan’i Joba,+ ary efa fantatrareo ny fitahiana nomen’i Jehovah azy.+ Araka izany, dia be fitiavana tokoa i Jehovah sady mamindra fo.+ 12  Ambonin’ny zava-drehetra anefa, ry rahalahiko, dia aza mianiana intsony, na amin’ny lanitra izany, na amin’ny tany, na amin-javatra hafa+ akory aza, fa rehefa Eny dia Eny, rehefa Tsia dia Tsia, mba tsy hiharan’ny fanamelohana ianareo.+ 13  Misy mizaka fahoriana ve aminareo? Aoka izy hivavaka foana.+ Misy falifaly ve? Aoka izy hihira fiderana.+ 14  Misy marary ve aminareo?+ Aoka izy hiantso ny anti-panahin’ny+ fiangonana, ary aoka ireo hivavaka ho azy sy hanosotra menaka+ azy amin’ny anaran’i Jehovah. 15  Fa hanasitrana ilay marary ny vavaka+ atao amim-pinoana, ary i Jehovah hanarina azy.+ Raha nanota koa izy, dia havela ny helony.+ 16  Koa aoka àry ianareo hifampiaiky heloka+ imasoimaso, ary mifampivavaha, mba ho sitrana ianareo.+ Misy heriny lehibe sady tena misy vokany ny fitalahoan’ny olo-marina.+ 17  Olona nanana fihetseham-po toa antsika ihany+ i Elia. Nivavaka mafy anefa izy mba tsy hilatsahan’ny orana,+ dia tsy nilatsaka telo taona sy enim-bolana teo amin’ilay tany ny orana. 18  Ary nivavaka indray izy, dia nandatsaka orana ny lanitra, ka nahavokatra ilay tany.+ 19  Ry rahalahiko, raha misy aminareo voafitaka ka miala amin’ny fahamarinana, ary misy hafa mampiverina azy,+ 20  dia fantaro fa izay mampiverina mpanota hiala amin’ny lalan’ny fahadisoany+ dia hamonjy azy* tsy ho faty+ sady hanarona fahotana maro be.+

Fanamarihana

Gr.: psykè. Jereo F.F. 3A.