Jaona 12:1-50

12  Enina andro talohan’ny Paska no tonga tao Betania+ i Jesosy. Tao no nisy an’i Lazarosy,+ ilay natsangany tamin’ny maty.  Koa nasaina tamin’ny sakafo hariva i Jesosy, ary i Marta+ no nandroso sakafo+ fa i Lazarosy kosa anisan’ireo nandry ilika hisakafo niaraka tamin’i Jesosy.+  Ary naka menaka manitra nilanja iray livatra* i Maria. Narda+ tena izy ilay menaka sady lafo vidy be. Dia nataony tamin’ny tongotr’i Jesosy izany. Ary nohamaininy tamin’ny volon-dohany ny tongotr’i Jesosy.+ Dia namerovero eran’ny trano ilay menaka.  Hoy anefa i Jodasy Iskariota,+ anisan’ny mpianany, ilay efa hamadika azy:  “Fa nahoana no tsy namidy denaria telonjato iny menaka manitra+ iny, ka nomena ny mahantra?”+  Tsy noho ny fiahiany ny mahantra anefa no nilazany izany, fa noho izy mpangalatra,+ sady izy no nitana ny boatim-bola+ ka nakany ny tao anatiny.  Dia hoy i Jesosy ho fiarovana an’i Maria: “Avelao izy, fa mba hitandremany ny fomba fanao ho amin’ny andro handevenana ahy no anaovany izao.+  Fa eo aminareo foana ny mahantra,+ fa izaho kosa tsy ho eo aminareo foana.”  Fantatry ny Jiosy maro be àry fa tao Betania izy, ka tonga ireo. Tsy noho i Jesosy ihany anefa no nahatongavany, fa mba hahita koa an’i Lazarosy, ilay natsangany tamin’ny maty.+ 10  Ary nikaon-doha hamono an’i Lazarosy koa ny lehiben’ny mpisorona,+ 11  satria izy no nankanesan’ny Jiosy maro tany, ka ninoan’ireo an’i Jesosy.+ 12  Ny ampitso, dia ren’ilay vahoaka be tonga hamonjy ny fety fa hankany Jerosalema i Jesosy. 13  Dia naka sampana palmie+ ireo, ka nandeha nitsena azy ary niantsoantso+ hoe: “Mba vonjeo re e!+ Mahazo fitahiana ilay tonga amin’ny anaran’i Jehovah,+ eny, ilay mpanjakan’ny+ Israely!” 14  Ary nahita zanak’ampondra+ i Jesosy ka nitaingenany, araka ny voasoratra hoe: 15  “Aza matahotra, ry Ziona zanakavavy. Iny avy iny ny mpanjakanao,+ mitaingina zanak’ampondra.”+ 16  Tsy tsikaritry ny mpianany izany tamin’ny voalohany,+ fa rehefa nomem-boninahitra i Jesosy+ vao tsaroan’izy ireo fa izany no voasoratra momba an’i Jesosy. Tamin’izay koa vao tsaroan’izy ireo fa nanao izany zavatra izany taminy ireny.+ 17  Ary tsy nitsahatra nanambara izay hitany+ ilay vahoaka, izay teo tamin’izy niantso an’i Lazarosy+ hivoaka ny fasana sy nanangana azy tamin’ny maty. 18  Izany no nitsenan’ny vahoaka azy, satria reny fa nanao io famantarana+ io izy. 19  Koa nifampiresaka ny Fariseo+ hoe: “Hitanareo izao fa tsy misy na inona na inona vitanareo mihitsy. Jereo fa lasa manaraka azy izao tontolo izao!”+ 20  Nisy Grika+ koa anisan’ireo niakatra hivavaka tamin’ny andro fety. 21  Dia nohatonin’izy ireo i Filipo+ avy any Betsaida any Galilia, ka niangaviany hoe: “Mba te hahita an’i Jesosy+ izahay, tompoko.” 22  Ary lasa nilaza tamin’i Andrea i Filipo. Ary i Andrea sy Filipo kosa lasa nilaza tamin’i Jesosy. 23  Hoy anefa ny navalin’i Jesosy azy ireo: “Tonga ny fotoana hanomezam-boninahitra ny Zanak’olona.+ 24  Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa raha tsy latsaka amin’ny tany ny voa ka maty, dia mitoetra ho voa iray monja izy. Fa raha maty+ kosa izy, dia mamokatra betsaka. 25  Izay tia ny ainy* no hamoy azy, fa izay mankahala ny ainy+ eo amin’izao fiainana izao kosa, no hiaro azy ho amin’ny fiainana mandrakizay.+ 26  Raha misy manompo ahy, dia aoka izy hanaraka ahy, ary izay misy ahy no hisy ny mpanompoko koa.+ Izay manompo ahy dia homen’ny Ray voninahitra.+ 27  Mitebiteby mafy aho izany!+ Koa inona àry no holazaiko? Ray ô, vonjeo ho afaka amin’ity ora ity aho.+ Nefa dia ho amin’ity ora ity no nahatongavako. 28  Ray ô, omeo voninahitra ny anaranao.” Dia nisy feo+ avy any an-danitra nanao hoe: “Efa nanome voninahitra azy aho, ary mbola hanome voninahitra azy indray.”+ 29  Ary ilay vahoaka izay nitsangana teo ka nandre izany dia nilaza fa nikotroka ny andro. Fa ny sasany nanao hoe: “Nisy anjely niteny taminy.” 30  Hoy kosa i Jesosy: “Tsy ho ahy no nahatongavan’izany feo izany, fa ho anareo.+ 31  Tsaraina ankehitriny izao tontolo izao. Ary horoahina+ ankehitriny ilay mpitondra an’izao tontolo izao.+ 32  Izaho kosa anefa, rehefa hasandratra+ hiala amin’ny tany, dia hitaona ny karazan’olona rehetra ho amiko.”+ 33  Niteny izany izy mba hilazana ny fomba hahafatesany tsy ho ela.+ 34  Dia hoy ny vahoaka: “Renay tamin’ny Lalàna fa haharitra mandrakizay i Kristy,+ koa nahoana ianao no milaza fa tsy maintsy asandratra ny Zanak’olona?+ Fa iza izany Zanak’olona+ izany?” 35  Ary hoy i Jesosy: “Kely sisa no itoeran’ny mazava eo aminareo. Mandehana dieny mbola eo aminareo ny mazava, mba tsy ho resin’ny haizina+ ianareo. Ary izay mandeha ao amin’ny haizina dia tsy mahalala izay alehany.+ 36  Minoa ny mazava dieny mbola eo aminareo izy, mba ho tonga zanaky ny mazava ianareo.”+ Nilaza izany i Jesosy, dia lasa ka niafina an’ireo. 37  Na dia nanao famantarana maro be teo anatrehany aza anefa izy, dia tsy ninoan’izy ireo, 38  mba hahatanteraka ny tenin’i Isaia mpaminany hoe: “Jehovah ô, iza no mba nino ny zavatra renay?+ Ary tamin’iza no naharihary ny sandrin’i Jehovah?”+ 39  Tsy afaka ny hino koa izy ireo satria mbola nilaza i Isaia hoe: 40  “Nanajamba ny mason’ireo izy sady nanamafy ny fon’ireo,+ mba tsy hahitan’ny masony sy tsy hahatakaran’ny fony, ary mba tsy hiverenany ka hanasitranako azy.”+ 41  Nilaza izany i Isaia, satria hitany ny voninahiny,+ ary niresaka momba azy izy. 42  Maro tamin’ireo lohandohany teo amin’ny Jiosy anefa no nino azy.+ Fa noho ny Fariseo dia tsy niaiky ny amin’izany ireo, sao ho voaroaka hiala amin’ny synagoga.+ 43  Naleon’izy ireo mantsy ny voninahitra avy tamin’ny olona toy izay ny voninahitra avy tamin’Andriamanitra.+ 44  Niteny mafy anefa i Jesosy hoe: “Izay mino ahy, dia tsy izaho ihany no inoany, fa ilay naniraka ahy.+ 45  Ary izay mahita ahy, dia mahita an’ilay naniraka ahy.+ 46  Tonga aho ho fahazavana eo amin’izao tontolo izao,+ mba tsy hitoetra ao amin’ny maizina+ izay mino ahy. 47  Fa raha misy mandre ny teniko, nefa tsy mitandrina azy, dia tsy mitsara azy aho. Fa tsy tonga hitsara izao tontolo izao aho,+ fa hamonjy izao tontolo izao.+ 48  Izay mandà ahy ka tsy mandray ny teniko, dia manana izay mitsara azy. Ny teny+ nolazaiko no hitsara azy amin’ny andro farany, 49  satria tsy araka ny nahim-poko no nitenenako, fa ny Ray izay naniraka ahy no nandidy ahy ny amin’izay holazaiko sy hoteneniko.+ 50  Ary fantatro fa ny didiny no fiainana mandrakizay.+ Koa ny zavatra lazaiko àry, dia lazaiko araka ny nolazain’ny Ray tamiko.”+

Fanamarihana

327 g eo ho eo.
Gr.: psykè. Jereo F.F. 3A.