Jaona 14:1-31

14  “Aoka tsy hitebiteby ny fonareo.+ Minoa an’Andriamanitra+ ary minoa koa ahy.+  Ao an-tranon’ny Raiko misy fonenana+ maro. Raha tsy izany, dia ho efa nilazako ianareo satria handeha hanomana toerana+ ho anareo aho.  Ary rehefa handeha aho ka hanomana toerana ho anareo, dia ho avy indray+ ary handray anareo any amiko,+ ka izay misy ahy no hisy anareo koa.+  Ary fantatrareo ny lalana mankany amin’izay alehako.”  Dia hoy i Tomasy:+ “Tompo ô, tsy fantatray ange izay alehanao e!+ Ahoana moa no ahafantaranay ny lalana?”  Hoy i Jesosy: “Izaho no lalana+ sy fahamarinana+ ary fiainana.+ Tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.+  Raha nahalala ahy ianareo, dia ho efa nahalala ny Raiko koa. Fantatrareo izy manomboka izao, sady efa hitanareo.”+  Hoy i Filipo: “Tompo ô, asehoy anay ny Ray dia ampy ho anay izany.”  Dia hoy i Jesosy: “Izay ela izay no efa niarahako taminareo, ka mbola tsy mahalala ahy ihany ve ianao, ry Filipo? Izay nahita ahy dia nahita ny Ray+ koa. Koa nahoana ianao no manao hoe: ‘Asehoy anay ny Ray’?+ 10  Tsy mino ve ianao fa izaho tafaray amin’ny Ray, ary ny Ray tafaray amiko?+ Tsy araka ny nahim-poko no ilazako ny teny lazaiko aminareo, fa ny Ray izay tafaray foana amiko no manao ny asany.+ 11  Minoa fa izaho tafaray amin’ny Ray ary ny Ray tafaray amiko. Raha tsy izany, dia minoa na dia noho ny asa ataoko ihany aza.+ 12  Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay maneho finoana ahy, dia hanao ny asa ataoko koa. Ary hanao asa lehibe noho+ izany aza izy, satria izaho mankany amin’ny Ray.+ 13  Ary izay rehetra angatahinareo amin’ny anarako, dia hataoko mba hanomezam-boninahitra ny Ray amin’ny alalan’ny Zanaka.+ 14  Raha mangataka zavatra amin’ny anarako ianareo, dia hataoko izany. 15  “Raha tia ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko.+ 16  Hangataka amin’ny Ray aho, ka homeny mpanampy hafa ianareo, mba ho eo aminareo mandrakizay,+ 17  dia ny fanahin’ny fahamarinana,+ izay tsy azon’izao tontolo izao,+ satria tsy hitany na fantany. Ianareo no mahalala azy io, satria eo aminareo foana ilay izy sady ao anatinareo.+ 18  Tsy hamela anareo ho kamboty aho,+ fa hankatỳ aminareo. 19  Kely sisa dia tsy hahita ahy intsony izao tontolo izao,+ fa ianareo no hahita ahy,+ satria velona aho dia ho velona ianareo.+ 20  Ho fantatrareo amin’izany andro izany fa izaho tafaray amin’ny Raiko, ary ianareo tafaray amiko, ary izaho tafaray aminareo.+ 21  Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia ahy.+ Ary izay tia ahy kosa dia ho tian’ny Raiko, ary izaho ho tia azy ka hiseho miharihary aminy.” 22  Hoy i Jodasy,+ tsy Iskariota: “Tompo ô, nahoana no hiseho miharihary aminay ianao, fa tsy amin’izao tontolo izao?”+ 23  Dia namaly i Jesosy hoe: “Raha misy tia ahy, dia hitandrina+ ny teniko izy, ary ho tia azy ny Raiko, ary hankany aminy izahay ka hiara-mipetraka aminy.+ 24  Izay tsy tia ahy dia tsy mba mitandrina ny teniko, ary tsy ahy ny teny renareo fa an’ny Ray izay naniraka ahy.+ 25  “Efa voalazako taminareo izany raha mbola nitoetra teo aminareo aho. 26  Fa ny mpanampy, dia ny fanahy* masina, izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako, izy io no hampianatra anareo ny zava-drehetra, ary hampahatsiaro anareo izay rehetra nolazaiko taminareo.+ 27  Fiadanana no avelako ho anareo. Omeko anareo ny fiadanako.+ Tsy tahaka ny fomba fanomezan’izao tontolo izao no anomezako azy anareo. Aoka tsy hitebiteby na hatahotra ny fonareo. 28  Efa renareo fa nilaza taminareo aho hoe: Handeha aho, ary hiverina eo aminareo indray. Raha tia ahy ianareo, dia ho ravoravo satria handeha ho any amin’ny Ray aho, fa ny Ray dia lehibe noho+ izaho. 29  Ary ankehitriny dia efa nilaza taminareo mialoha aho+ mba hinoanareo rehefa mitranga tokoa izany. 30  Tsy hiteny betsaka aminareo intsony aho, fa avy ilay mpitondra+ an’izao tontolo izao. Tsy manana fahefana amiko anefa izy.+ 31  Fa mba hahafantaran’izao tontolo izao fa tiako ny Ray, dia araka ny nandidian’ny Ray+ ahy no ataoko. Mitsangàna, andao isika hiala eto.

Fanamarihana

Gr.: pneoma. Jereo F.F. 3B.