Jaona 15:1-27

15  “Izaho no tena voaloboka,+ ary ny Raiko no mpamboly.+  Izay sampany rehetra tsy mamoa eo amiko dia esoriny daholo.+ Ary izay mamoa kosa rantsanany hadio+ mba hamoa bebe kokoa.+  Efa madio ianareo, noho ny teny nolazaiko taminareo.+  Aoka ianareo ho tafaray foana amiko, dia ho tafaray aminareo koa aho.+ Tsy afaka mamoa irery ny sampam-boaloboka, raha tsy tafaray amin’ny voaloboka. Tsy afaka mamoa koa ianareo, raha tsy tafaray foana amiko.+  Izaho no voaloboka ary ianareo no sampany. Izay tafaray foana amiko, ary izaho tafaray aminy, no mamoa be.+ Tsy afaka manao na inona na inona mihitsy mantsy ianareo, raha misaraka amiko.  Raha misy miala amiko, dia toy ny sampany ariana eny ivelany izy ka malazo. Ary angonin’ny olona ireny ka atsipiny ao anaty afo, ary may.+  Angataho izay tianareo fa ho tonga aminareo izany, raha tafaray foana amiko ianareo ka mitoetra ao am-ponareo ny teniko.+  Raha mamoa be hatrany ianareo ka asehonareo fa mpianatro ianareo, dia izany no anomezam-boninahitra ny Raiko.+  Tahaka ny itiavan’ny Ray ahy+ no itiavako anareo. Koa aza miala amin’ny fitiavako. 10  Tsy miala amin’ny fitiavako ianareo, raha mitandrina ny didiko+ toy ny itandremako ny didin’ny Ray+ sy tsy ialako amin’ny fitiavany. 11  “Lazaiko aminareo izany mba ho ao aminareo koa ny fifaliako, ary mba ho feno ny fifalianareo.+ 12  Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo toy ny nitiavako anareo.+ 13  Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny mahafoy ny ainy* ho an’ny namany.+ 14  Ianareo no namako raha manao araka ny nandidiako anareo.+ 15  Tsy antsoiko hoe mpanompo intsony ianareo, satria ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony. Fa antsoiko hoe namana kosa ianareo,+ satria ampahafantariko anareo izay rehetra reko avy tamin’ny Raiko.+ 16  Tsy ianareo no nifidy ahy, fa izaho no nifidy anareo. Ary nanendry anareo aho mba handehananareo sy hamokaranareo hatrany,+ eny, hamokaranareo voa izay haharitra eo foana. Amin’izay, dia homen’ny Ray anareo izay rehetra angatahinareo aminy amin’ny anarako.+ 17  “Izany zavatra izany no andidiako anareo mba hifankatiavanareo.+ 18  Raha halan’izao tontolo izao ianareo, dia fantatrareo fa izaho efa halany talohanareo.+ 19  Raha anisan’izao tontolo izao ianareo, dia ho tia ny azy izao tontolo izao.+ Fa satria tsy anisan’izao tontolo izao ianareo,+ fa izaho efa nifidy anareo avy tamin’izao tontolo izao, dia halan’izao tontolo izao ianareo.+ 20  Tadidio ny teny nolazaiko taminareo hoe: Ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony. Raha nanenjika ahy izy dia hanenjika anareo koa.+ Ary raha nitandrina ny teniko izy, dia hitandrina ny teninareo koa. 21  Noho ny anarako anefa no hanaovany izany rehetra izany aminareo, satria tsy fantany ilay naniraka ahy.+ 22  Raha ohatra ka tsy tonga aho ary tsy niteny taminy, dia tsy ho nanan-keloka izy.+ Izao anefa izy tsy manana fialan-tsiny ny amin’ny helony.+ 23  Izay mankahala ahy dia mankahala ny Raiko.+ 24  Tsy ho nanan-keloka izy,+ raha tsy nataoko teo aminy ny asa mbola tsy nataon’iza na iza.+ Sady nahita ahy anefa izy izao no nankahala ahy sy ny Raiko koa.+ 25  Fa mitranga izany mba hahatanteraka ny teny voasoratra ao amin’ny Lalàna hoe: ‘Mankahala ahy tsy amin’antony izy ireo.’+ 26  Ho tonga ny mpanampy, izay hirahiko ho aminareo avy amin’ny Ray.+ Rehefa tonga izy io, izany hoe ny fanahin’ny fahamarinana avy amin’ny Ray, dia hanome porofo momba ahy.+ 27  Ary ianareo indray avy eo no hanome porofo momba ahy,+ satria ianareo efa niaraka tamiko hatrany am-boalohany.

Fanamarihana

Gr.: psykè. Jereo F.F. 3A.