Jaona 16:1-33

16  “Nilaza izany taminareo aho, mba tsy hialanareo amin’ny finoana.+  Horoahin’ny olona hiala amin’ny synagoga+ ianareo. Eny, ho tonga ny fotoana hiheveran’izay rehetra mamono anareo fa manao fanompoana masina ho an’Andriamanitra izy.+  Ary hitranga izany, satria mbola tsy fantany na ny Ray na izaho.+  Niteny izany taminareo aho, ka rehefa mitranga izany, dia hotsaroanareo fa efa nilaza izany taminareo aho.+ “Tsy nolazaiko taminareo anefa izany tamin’ny voalohany, satria mbola teo aminareo aho.  Ankehitriny kosa, ho any amin’ilay naniraka ahy aho,+ kanefa tsy misy manontany ahy ianareo hoe: ‘Ho aiza ianao?’  Vonton’alahelo+ mantsy ny fonareo noho ny nilazako izany taminareo.  Lazaiko aminareo anefa fa raha ny marina dia mahasoa anareo ny fandehanako, satria tsy ho tonga aminareo mihitsy ny mpanampy,+ raha tsy mandeha aho. Fa raha mandeha kosa aho, dia hirahiko ho atỳ aminareo izy.  Ary rehefa tonga izy, dia hanome porofo hampiaiky an’izao tontolo izao ny amin’ny fahotana sy ny fahamarinana ary ny fitsarana.+  Voalohany, porofo ny amin’ny fahotana,+ satria tsy mino ahy izy ireo.+ 10  Avy eo, porofo ny amin’ny fahamarinana,+ satria ho any amin’ny Ray aho ka tsy ho hitanareo intsony. 11  Ary farany, porofo ny amin’ny fitsarana,+ satria efa voatsara ilay mpitondra an’izao tontolo izao.+ 12  “Mbola misy zavatra maro tokony holazaiko aminareo, saingy tsy zakanareo izany ankehitriny.+ 13  Fa rehefa tonga izy, izany hoe ny fanahin’ny fahamarinana,+ dia hitari-dalana anareo ho amin’ny fahamarinana rehetra, satria tsy araka ny nahim-pony no hitenenany, fa izay reny no holazainy, ary hambarany aminareo ny zavatra ho avy.+ 14  Hanome voninahitra ahy izy,+ satria hahazo avy amin’izay ananako, ary hanambara izany aminareo.+ 15  Izay rehetra an’ny Ray dia ahy.+ Izany no nilazako hoe mahazo avy amin’izay ananako izy, ka manambara izany aminareo. 16  Rehefa afaka kelikely dia tsy hahita ahy intsony ianareo,+ ary rehefa afaka kelikely indray dia hahita ahy ianareo.” 17  Koa nifampiresaka ny mpianany sasany hoe: “Inona no dikan’ilay teniny tamintsika hoe: ‘Rehefa afaka kelikely dia tsy hahita ahy ianareo, ary rehefa afaka kelikely indray dia hahita ahy ianareo’, sy ilay hoe: ‘Satria ho any amin’ny Ray aho’?” 18  Ary hoy ireo: “Inona no dikan’ilay teniny hoe: ‘Rehefa afaka kelikely’? Tsy fantatsika izay lazainy.” 19  Fantatr’i+ Jesosy fa te hanontany izy ireo, ka hoy izy: “Mifanontany ny amin’izany ve ianareo, satria izaho nilaza hoe: Rehefa afaka kelikely dia tsy hahita ahy ianareo, ary rehefa afaka kelikely indray dia hahita ahy ianareo? 20  Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa hitomany sy hidradradradra ianareo, fa izao tontolo izao kosa hifaly. Ho ory ianareo,+ nefa hovana ho fifaliana ny fahorianareo.+ 21  Manam-pahoriana ny vehivavy rehefa tonga ny fotoana iterahany.+ Tsy tsaroany intsony anefa ny fahoriany rehefa teraka izy, satria faly izy fa nisy olona nateraka eto an-tany. 22  Ory koa ianareo ankehitriny, nefa mbola hahita anareo indray aho ka ho faly ny fonareo,+ ary tsy hisy hanala aminareo izany fifaliana izany. 23  Tsy hanontany ahy intsony mihitsy ianareo amin’izany andro izany.+ Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa na inona na inona+ angatahinareo amin’ny Ray, dia homeny anareo amin’ny anarako+ izany. 24  Mbola tsy nangataka na inona na inona tamin’ny anarako ianareo, hatramin’izao. Mangataha dia hahazo ianareo, mba ho feno ny fifalianareo.+ 25  “Fanoharana no nilazako izany taminareo.+ Fa tonga ny fotoana tsy hilazako fanoharana aminareo intsony, fa lazaiko tsotra aminareo ny momba ny Ray. 26  Hangataka amin’ny anarako ianareo amin’izany andro izany, nefa izaho tsy milaza aminareo hoe izaho no hangataka amin’ny Ray ho anareo. 27  Tia anareo mantsy ny Ray, satria ianareo efa tia ahy+ ka nino fa avy tamin’ny Ray aho sady solontenan’ny Ray.+ 28  Avy tamin’ny Ray aho, ary tonga teto amin’izao tontolo izao. Ary hiala amin’izao tontolo izao aho, ka ho any amin’ny Ray.”+ 29  Hoy ny mpianany: “Izay fa miteny tsotra tokoa ianao, fa tsy milaza fanoharana. 30  Fantatray izao fa mahalala ny zava-drehetra ianao,+ ary tsy mila olona hanontany anao.+ Izany no inoanay fa avy tamin’Andriamanitra ianao.”+ 31  Ary namaly i Jesosy hoe: “Mino ve ianareo ankehitriny? 32  Ho avy ny fotoana, eny, efa tonga tokoa ny fotoana hanaparitahana anareo ho any amin’izay misy anareo avy,+ ary hilaozanareo ho irery aho. Tsy irery anefa aho satria eo ny Raiko.+ 33  Nilaza izany taminareo aho mba hanananareo fiadanana amin’ny alalako.+ Eo amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana, nefa mahereza! Izaho efa naharesy an’izao tontolo izao.”+

Fanamarihana