Jaona 18:1-40

18  Rehefa avy nilaza izany i Jesosy, dia lasa nandeha izy sy ny mpianany, ka nankany ampitan’ny lohasahan’i Kidrona.+ Nisy zaridaina tany, ary nankao izy sy ny mpianany.+  Nahafantatra an’io toerana io koa i Jodasy, ilay namadika azy, satria mpankao matetika i Jesosy sy ny mpianany.+  Ary i Jodasy naka andia-miaramila, sy mpiambina avy tamin’ny lehiben’ny mpisorona sy ny Fariseo, ka tonga tao nitondra fanilo sy jiro ary fiadiana.+  Fantatr’i Jesosy àry izay rehetra hanjo azy,+ ka nanatona izy ary nanao hoe: “Iza no tadiavinareo?”  Hoy ireo taminy: “I Jesosy, avy any Nazareta.”+ Dia hoy izy: “Izaho no izy.” Ary nijoro niaraka tamin’izy ireo teo koa i Jodasy, ilay namadika azy.+  Rehefa nilaza anefa i Jesosy hoe: “Izaho no izy”, dia nihemotra ireo+ ka lavo tamin’ny tany.  Noho izany, dia hoy indray izy tamin’ireo: “Iza no tadiavinareo?” Dia hoy ireo: “I Jesosy, avy any Nazareta.”  Hoy ny navalin’i Jesosy: “Efa nolazaiko taminareo fa izaho no izy. Koa avelao handeha ireto raha izaho no tadiavinareo.”  Nilaza izany izy mba hahatanteraka ilay teniny hoe: “Tsy navelako hisy ho very izay nomenao ahy, na iray aza.”+ 10  Ary nanana sabatra i Simona Petera ka nanatsoaka izany, ary namely an’ilay mpanompon’ny mpisoronabe ka nahatapaka ny sofiny havanana.+ Malko no anaran’ilay mpanompo. 11  Hoy anefa i Jesosy tamin’i Petera: “Ampidiro ao amin’ny tranony ny sabatrao.+ Ny kaopy nomen’ny Raiko ahy ve tsy tokony hisotroako?”+ 12  Koa nisambotra an’i Jesosy ilay andia-miaramila sy ny mpitari-tafika ary ny mpiambina teo amin’ny Jiosy, ka namatotra azy. 13  Nentiny tany amin’i Anasy aloha izy, satria rafozandahin’i Kaiafa mpisoronabe tamin’izany taona izany i Anasy.+ 14  Io Kaiafa io ilay nanoro hevitra ny Jiosy hoe tsara ho azy ireo raha olona iray no maty ho an’ny vahoaka.+ 15  Ary nanaraka an’i Jesosy i Simona Petera+ sy ny mpianatra iray fantatry ny mpisoronabe. Dia niditra tao an-tokotanin’ny mpisoronabe niaraka tamin’i Jesosy ilay mpianatra, 16  fa i Petera kosa nijanona tao ivelany, teo am-bavahady.+ Koa nivoaka àry ilay mpianatra fantatry ny mpisoronabe, ka niresaka tamin’ny mpiandry vavahady ary nitondra an’i Petera niditra. 17  Ary hoy ilay mpanompovavy mpiandry vavahady, tamin’i Petera: “Tsy anisan’ny mpianatr’io lehilahy io koa ve ianao?” Hoy i Petera: “Tsy mpianany aho.”+ 18  Nijoro nanodidina teo ny mpanompo sy ny mpiambina, satria nandrehitra afon-tsaribao+ teo ireo noho ny hatsiaka, ka namindro. Ary mba nijoro namindro teo koa i Petera. 19  Dia nanontany an’i Jesosy momba ny mpianany sy ny fampianarany ny lehiben’ny mpisorona. 20  Hoy ny navalin’i Jesosy: “Niresaka tamin’ny olona rehetra ampahibemaso aho. Nampianatra foana tao amin’ny synagoga sy ny tempoly aho,+ dia tany amin’izay nivorian’ny Jiosy rehetra. Ary tsy niafina mihitsy aho rehefa niteny. 21  Fa nahoana no manontany ahy ianareo? Ireo nihaino ny teniko no anontanio fa ireny no mahalala izay nolazaiko.” 22  Rehefa avy nilaza izany izy, dia namely tehamaina+ azy ny mpiambina iray nijoro teo, ka nanao hoe: “Izany ve no fomba famalinao ny lehiben’ny mpisorona?” 23  Fa hoy i Jesosy: “Raha diso izay nolazaiko, dia porofoy izay diso. Fa raha marina kosa, nahoana no mamely ahy ianao?” 24  Nasain’i Anasy nentina nifatotra ho any amin’i Kaiafa mpisoronabe i Jesosy avy eo.+ 25  Ary raha mbola nijoro namindro teo i Simona Petera, dia nisy nanontany azy hoe: “Tsy mpianany koa moa ianao?” Dia nanda izy ka nanao hoe: “Tsy mpianany aho.”+ 26  Hoy ny iray tamin’ny mpanompon’ny mpisoronabe, havan’ilay nokapain’i Petera ny sofiny:+ “Tsy efa hitako tao amin’ny zaridaina niaraka taminy ve ianao?” 27  Nanda indray anefa i Petera, ary avy hatrany dia nisy akoho naneno.+ 28  Dia nentin’ireo niala tao amin’i Kaiafa i Jesosy, ho any an-dapan’ny governora.+ Vao maraina tamin’izay. Tsy niditra tao an-dapan’ny governora anefa ireo, mba tsy ho voaloto+ ka ho afaka hihinana ny Paska. 29  Nivoaka ho eo amin’izy ireo teo ivelany àry i Pilato, ka nanao hoe: “Inona no iampanganareo an’io lehilahy io?”+ 30  Dia namaly ireo hoe: “Tsy ho natolotray anao izy raha tsy mpanao ratsy.” 31  Hoy àry i Pilato: “Ento izy, ary tsarao araka ny lalànareo.”+ Dia hoy ny Jiosy: “Tsy azonay atao ny mamono olona.”+ 32  Izany dia mba hahatanteraka ny teny efa nolazain’i Jesosy ny amin’ny fomba tsy maintsy hahafatesany.+ 33  Niditra tao an-dapa indray i Pilato ary niantso an’i Jesosy, ka nanao hoe: “Ianao ve no mpanjakan’ny Jiosy?”+ 34  Dia namaly i Jesosy hoe: “Hevitrao samirery ve izany, sa nisy nilaza taminao ny momba ahy?”+ 35  Hoy ny navalin’i Pilato: “Izaho ange tsy Jiosy e! Ny firenenao sy ny lehiben’ny mpisorona no nanolotra anao tamiko.+ Fa inona no nataonao?” 36  Hoy i Jesosy:+ “Tsy anisan’ity tontolo ity ny fanjakako.+ Raha anisan’ity tontolo ity ny fanjakako, dia ho niady+ ny oloko mba tsy ho natolotra tamin’ny Jiosy aho. Tsy avy amin’izany anefa ny fanjakako.” 37  Hoy i Pilato: “Mpanjaka àry ve ianao?” Dia namaly i Jesosy hoe: “Voalazanao fa mpanjaka aho.+ Izao no nahaterahako, ary izao no nahatongavako ho amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina.+ Ary mihaino ny feoko+ izay rehetra miandany amin’ny marina.”+ 38  Hoy i Pilato: “Inona ny marina?” Nivoaka teo amin’ny Jiosy indray i Pilato rehefa avy nilaza izany, ka nanao hoe: “Tsy hitako izay fahadisoany.+ 39  Araka ny fombanareo koa ange dia tokony hanafaka olona iray ho anareo aho rehefa Paska e!+ Koa tianareo hafahako ho anareo ve ilay mpanjakan’ny Jiosy?” 40  Dia niantsoantso mafy indray ireo hoe: “Tsy iny lehilahy iny, fa i Barabasy!” Jiolahy anefa io Barabasy io.+

Fanamarihana