Jaona 19:1-42

19  Tamin’izay, dia nalain’i Pilato i Jesosy ka nokaravasiny.+  Ary nandrandrana fehiloha tsilo ny miaramila, ka nataony teo amin’ny lohan’i Jesosy, sady nampitafiany lamba volomparasy izy.+  Dia nanatona izy ireo, ka niteny hoe: “Arahaba, ry Mpanjakan’ny Jiosy!” Ary namely tehamaina azy koa ireo.+  Nivoaka indray i Pilato, ka hoy izy tamin’ny vahoaka: “Io àry izy fa entiko mivoaka eto aminareo mba ho fantatrareo fa tsy hitako izay fahadisoany.”+  Dia nivoaka tokoa i Jesosy, nisy fehiloha tsilo teo amin’ny lohany, ary nitafy lamba volomparasy izy. Ary hoy i Pilato tamin’ny olona: “Indro ny lehilahy!”  Rehefa hitan’ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpiambina anefa izy, dia niantsoantso ireo hoe: “Fantsiho amin’ny hazo fijaliana izy! Fantsiho!”+ Hoy i Pilato: “Entonareo izy ka fantsiho amin’ny hazo fijaliana, fa izaho tsy mahita izay fahadisoany.”+  Hoy ny navalin’ny Jiosy: “Izahay manana lalàna,+ ary araka izany lalàna izany, dia tokony ho faty izy, satria nanao ny tenany ho zanak’Andriamanitra.”+  Vao mainka natahotra i Pilato rehefa nandre izany,  ka niditra indray tao an-dapa ary nilaza tamin’i Jesosy hoe: “Avy aiza ianao?” Tsy namaly anefa i Jesosy.+ 10  Koa hoy i Pilato: “Tsy miteny amiko ve ianao?+ Tsy fantatrao angaha fa manana fahefana hanafaka anao aho, ary manana fahefana hamantsika anao amin’ny hazo fijaliana?” 11  Dia namaly i Jesosy hoe: “Tsy ho nanana fahefana amiko velively ianao raha tsy nomena anao avy tany ambony izany.+ Koa izay nanolotra ahy taminao no meloka kokoa.” 12  Izany no nahatonga an’i Pilato hitady foana izay fomba hanafahana azy. Niantsoantso anefa ny Jiosy hoe: “Tsy naman’i Kaisara ianao raha hafahanao io, satria izay manao ny tenany ho mpanjaka dia manohitra an’i Kaisara.”+ 13  Nentin’i Pilato nivoaka àry i Jesosy rehefa reny izany, ary nipetraka teo amin’ny fitoeran’ny mpitsara izy, teo amin’ny toerana antsoina hoe Tokotany Vato, fa Gabata kosa amin’ny teny hebreo. 14  Andro fiomanana+ ho amin’ny Paska tamin’izay, ary tamin’ny ora fahenina teo ho eo. Hoy i Pilato tamin’ny Jiosy: “Io ny mpanjakanareo!” 15  Niantsoantso mafy anefa ireo hoe: “Vonoy io! Vonoy io! Fantsiho amin’ny hazo fijaliana izy!” Fa hoy i Pilato: “Hofantsihako amin’ny hazo fijaliana ve ny mpanjakanareo?” Dia namaly ny lehiben’ny mpisorona hoe: “Tsy manana mpanjaka ankoatra an’i Kaisara izahay.”+ 16  Tamin’izay dia natolony azy ireo izy mba hofantsihana amin’ny hazo fijaliana.+ Koa nentin’ireo i Jesosy. 17  Ary ny tenany ihany+ no nitondra ny hazo fijaliany nivoaka+ ho eo amin’ilay toerana atao hoe Ikarandoha, na Golgota amin’ny teny hebreo.+ 18  Teo no namantsihan’ireo azy,+ sy ny lehilahy roa, ka ny iray teo ankavanany ary ny iray teo ankaviany, ary i Jesosy teo afovoany.+ 19  Nisy soratra nataon’i Pilato ka napetany teo amin’ilay hazo fijaliana. Izao no voasoratra: “Jesosy avy any Nazareta, Mpanjakan’ny Jiosy.”+ 20  Jiosy maro àry no namaky ilay soratra, satria teo akaikin’ny tanàna no namantsihana an’i Jesosy,+ sady nosoratana tamin’ny teny hebreo sy latinina ary grika ilay izy. 21  Hoy anefa ny lehiben’ny mpisoron’ny Jiosy tamin’i Pilato: “Aza soratana hoe ‘Mpanjakan’ny Jiosy’, fa hoe: Izy no nilaza hoe: ‘Mpanjakan’ny Jiosy aho.’” 22  Fa namaly i Pilato hoe: “Izay voasoratro dia voasoratro.” 23  Rehefa voafantsiky ny miaramila tamin’ny hazo fijaliana i Jesosy, dia nalain’ireo ny akanjony ivelany ary nozarainy efatra ka samy nahazo tsirairay avy izy ireo. Ary nalain’ireo koa ny fitafiany anankiray, izay tsy nisy zaitra, fa tenona iray ihany hatrany ambony ka hatrany ambany.+ 24  Nifampiresaka izy ireo hoe: “Aleo tsy horovitintsika ity, fa andao isika hanao antsapaka hahitana izay hahazo azy.” Izany dia mba hahatanteraka ny Soratra Masina manao hoe: “Nifampizaran’izy ireo ny fitafiako, ary nanaovany antsapaka ny akanjoko.”+ Ary izany tokoa no nataon’ny miaramila. 25  Nitsangana teo akaikin’ny hazo fijalian’i Jesosy ny reniny,+ sy ny rahavavin-dreniny, sy Maria+ vadin’i Klopa ary Maria Magdalena.+ 26  Rehefa hitan’i Jesosy nijoro teo ny reniny sy ilay mpianatra tiany,+ dia hoy izy tamin-dreniny: “Io ny zanakao, ravehivavy!” 27  Hoy indray izy avy eo, tamin’ilay mpianatra: “Io ny reninao!” Ary nentin’ilay mpianatra tany aminy ravehivavy nanomboka tamin’izay. 28  Avy eo, rehefa fantatr’i Jesosy fa efa tanteraka daholo tamin’izay fotoana izay ny zava-drehetra, dia izao no nolazainy mba hahatanteraka ny Soratra Masina: “Mangetaheta aho.”+ 29  Nisy divay marikivy eran’ny siny teo. Koa nataon’ireo tamin’ny tahona hysopa* ny spaonjy efa vonton’ilay divay marikivy ka natohony tamin’ny vavany.+ 30  Rehefa avy nahazo izany i Jesosy, dia hoy izy: “Vita!”,+ ary nanondrika ny lohany izy ka tapitra ny ainy.+ 31  Ary nangataka tamin’i Pilato ny Jiosy mba hasaina hotapahina ny ranjon’ireo natao teo amin’ny hazo fijaliana ka hesorina ny faty, satria Andro Fiomanana tamin’izay,+ ka tsy tokony havela+ eo amin’ny hazo fijaliana ny faty, amin’ny andro sabata—fa Sabata lehibe io.+ 32  Tonga àry ny miaramila ka nanapaka ny ranjon’ilay voalohany sy ny an’ilay anankiray izay natao teo amin’ny tsato-kazo, teo anilan’i Jesosy. 33  Rehefa tonga teo amin’i Jesosy anefa ireo, dia nahita fa efa maty izy ka tsy notapahiny ny ranjony. 34  Mbola nolefonin’ny iray tamin’ireo miaramila ihany anefa ny takibany,+ ka tonga dia nisy ra sy rano nivoaka. 35  Ary vavolombelon’izany ilay nahita maso, sady marina ny fanambarany, ary fantatr’izany lehilahy izany fa marina izay lazainy, mba hinoanareo koa.+ 36  Nitranga izany mba hahatanteraka ny Soratra Masina manao hoe: “Tsy hisy ho torotoro ny taolany.”+ 37  Eo koa ilay andininy manao hoe: “Hijery an’Ilay nolefoniny izy ireo.”+ 38  Taorian’izany, dia nangataka tamin’i Pilato i Josefa avy any Arimatia, mba ho afaka hanaisotra ny fatin’i Jesosy. Mpianatr’i Jesosy io Josefa io, saingy tsy niseho ho mpianany noho ny fahatahorany ny Jiosy.+ Nanome alalana azy hanao izany i Pilato,+ ka lasa i Josefa nanaisotra an’ilay faty.+ 39  Ary tonga koa i Nikodemosy nitondra miora sy hazo manitra iray fehezana nilanja tokony ho zato livatra.* Izy ilay lehilahy tonga alina tao amin’i Jesosy tamin’ny voalohany.+ 40  Nalain’izy roa lahy ny fatin’i Jesosy, ka nofonosiny fehim-paty niaraka tamin’ny zavamaniry mani-pofona,+ araka ny fanaon’ny Jiosy rehefa mikarakara faty halevina. 41  Nisy zaridaina teo amin’ilay toerana namantsihana azy, ary nisy fasana vaovao+ mbola tsy nandevenana mihitsy tao amin’ilay zaridaina. 42  Noho ny andro fiomanan’ny+ Jiosy, dia tao no nandevenany an’i Jesosy, satria teo akaiky teo ilay fasana.

Fanamarihana

Jereo Ek 12:22 f.a.p.
100 livatra = 30 kg eo ho eo.