Jaona 2:1-25

2  Tamin’ny andro fahatelo, dia nisy fanasambe tao Kana,+ any Galilia, satria nisy fampakaram-bady. Tao amin’io fanasambe io ny renin’i+ Jesosy.  Nasaina ho amin’ilay fanasambe tamin’io fampakaram-bady io koa i Jesosy sy ny mpianany.  Rehefa lany ny divay, dia hoy ny renin’i+ Jesosy taminy: “Tsy manana divay ry zareo.”  Hoy anefa i Jesosy: “Misy zavatra iombonako aminao angaha moa,* ravehivavy?+ Mbola tsy tonga ny fotoana voatondro ho ahy.”+  Hoy ny reniny tamin’ireo mpanompo: “Ataovy izay rehetra lazainy aminareo.”+  Ary nisy sinibe vato enina fitoeran-drano teo, araka ny notakin’ny lalàna momba ny fidiovana+ izay narahin’ny Jiosy. Mahalany indroa na intelon’ny daba ny sinibe tsirairay.  Hoy i Jesosy tamin’ny mpanompo: “Fenoy rano ireo sinibe ireo.” Dia nofenoin’ireo hatreo amin’ny molony izany.  Koa hoy i Jesosy: “Tovozy amin’izay, ka itondray ny mpiandraikitra an’ity fanasana ity.” Dia nentin’ireo tany ilay izy.  Koa nanandrana an’ilay rano niova ho divay+ ilay mpiandraikitra, nefa tsy fantany izay niaviany, fa ireo mpanompo nanovo ny rano no nahalala. Dia niantso ny mpampakatra ilay mpiandraikitra, 10  ka nanao taminy hoe: “Ny an’ny olona rehetra, ny divay tsara aloha no avoaka,+ ary rehefa mamo ny olona vao avoaka ny ratsiratsy. Ny anao kosa, ny divay tsara no notehirizinao hatramin’izao.” 11  Tany Kana, any Galilia, no nanaovan’i Jesosy izany, ho fiandohan’ireo famantarana nataony, ary nasehony ny voninahiny+ ka nino azy ny mpianany. 12  Taorian’izany, dia nidina nankany Kapernaomy+ izy sy ny reniny sy ny rahalahiny+ ary ny mpianany, saingy tsy nijanona andro maro tao. 13  Efa akaiky ny Paskan’ny+ Jiosy, ka niakatra tany Jerosalema i Jesosy.+ 14  Ary hitany tao amin’ny tempoly ireo nivarotra omby aman’ondry sy voromailala,+ ary ireo mpanakalo vola izay nipetraka teo. 15  Koa nanamboatra karavasy tady izy, ka noroahiny hiala tao amin’ny tempoly izay rehetra niaraka tamin’ny ondry sy omby, ary nararany ny vola madiniky ny mpanakalo vola sady nazerany ny latabany.+ 16  Dia hoy izy tamin’ireo nivarotra voromailala: “Ento mivoaka any ireo! Aza atao trano fivarotana+ intsony ny tranon’ny+ Raiko!” 17  Ary tsaroan’ny mpianany fa voasoratra hoe: “Handany tanteraka ny heriko ny hafanam-poko ho an’ny tranonao.”+ 18  Fa namaly kosa ny Jiosy, ka nanao hoe: “Inona àry no famantarana+ hasehonao anay mba hanaporofoanao fa manana fahefana hanao izao ianao?” 19  Dia namaly i Jesosy hoe: “Ravao ity tempoly ity,+ fa hatsangako izy ao anatin’ny telo andro.” 20  Koa hoy ny Jiosy: “Enina amby efapolo taona ange no nanorenana ity tempoly ity e! Koa ianao ve hahatsangana azy ao anatin’ny telo andro?” 21  Ny vatany anefa ilay tempoly+ noresahiny. 22  Rehefa natsangana tamin’ny maty àry izy, dia tsaroan’ny mpianany+ fa efa nilaza izany matetika izy, ka nino ny Soratra Masina sy ny tenin’i Jesosy ireo. 23  Maro no nino ny anarany+ raha nahita ny famantarana nataony,+ tamin’izy tany Jerosalema, tamin’ny fetin’ny+ Paska. 24  Tsy natoky+ azy ireo anefa i Jesosy, satria fantany daholo izy rehetra 25  ary satria koa tsy nila na iza na iza hilaza aminy momba ny olona izy, fa ny tenany ihany dia efa nahalala izay tao am-pon’ny olona.+

Fanamarihana

Tsy natao hanamavoana na hanambaniana io karazam-panontaniana io, fa nampiasaina kosa fahiny mba handavana soso-kevitra iray.