Jaona 20:1-31

20  Tamin’ny andro voalohany+ amin’ny herinandro, dia nankany am-pasana vao maraina be, mbola maizimaizina, i Maria Magdalena.+ Hitany fa efa nisy nanala ilay vato teo amin’ny fasana,  ka nihazakazaka izy nankany amin’i Simona Petera sy ilay mpianatra anankiray+ tian’i Jesosy, ka nanao hoe: “Nisy naka tao am-pasana+ ny Tompo, ary tsy fantatray izay nametrahany azy.”  Dia lasa i Petera+ sy ilay mpianatra nankany am-pasana.  Eny, nihazakazaka izy roa lahy, saingy haingana kokoa noho i Petera ilay mpianatra, ka nihoatra azy ary tonga voalohany teo am-pasana.  Niondrika hijery izy ka ny fehim-paty nipetraka teo no hitany,+ nefa tsy niditra izy.  Tonga nanaraka azy koa i Simona Petera, ary niditra tao am-pasana. Hitany nipetraka teo ny fehim-paty+  sy ilay lamba natao teo amin’ny lohany, nivalona nitokana fa tsy niara-nipetraka tamin’ny fehim-paty.  Tamin’izay dia niditra koa ilay mpianatra anankiray tonga voalohany teo am-pasana, ary nahita ka nino.  Mbola tsy takatr’izy ireo mantsy ny Soratra Masina milaza fa tsy maintsy hitsangana amin’ny maty izy.+ 10  Koa lasa nody tany aminy avy ireo mpianatra. 11  Mbola nijoro nitomany teo ivelan’ny fasana anefa i Maria. Mbola nitomany izy raha niondrika hijery tao am-pasana 12  ka nahita anjely+ roa niakanjo fotsy nipetraka teo amin’ilay nametrahana ny fatin’i Jesosy: Ny iray teo an-doha, ary ny iray teo an-tongotra. 13  Hoy ireo: “Nahoana no mitomany ianao, ravehivavy?” Hoy izy: “Nisy naka ny Tompoko, ary tsy fantatro izay nametrahany azy.” 14  Nitodika izy rehefa avy nilaza izany, ka nahita an’i Jesosy nijoro teo, saingy tsy fantany hoe i Jesosy io.+ 15  Hoy i Jesosy: “Nahoana no mitomany ianao, ravehivavy? Fa iza no tadiavinao?”+ Noheverin’i Maria fa mpanao zaridaina izy, ka hoy izy: “Mba lazao amiko, tompoko, izay nametrahanao azy hakako azy, raha ianao no naka azy.” 16  Hoy i Jesosy: “Maria!”+ Ary nihodina izy ka nilaza tamin’ny teny hebreo hoe: “Rabôny!”,+ izay midika hoe “Mpampianatra!” 17  Dia hoy i Jesosy: “Aza mamikitra amiko fa mbola tsy niakatra tany amin’ny Ray aho. Fa mandehana any amin’ny rahalahiko+ ary lazao aminy hoe: ‘Miakatra ho any amin’ny Raiko+ sy ny Rainareo aho, ary ho any amin’Andriamanitro+ sy Andriamanitrareo.’”+ 18  Tonga nitondra izany vaovao izany tany amin’ny mpianatra i Maria Magdalena, ka hoy izy: “Nahita ny Tompo aho!” Ary nilaza koa izy fa nanambara ireo zavatra ireo taminy i Jesosy.+ 19  Ny androtr’iny ihany, izany hoe tamin’ny harivan’ilay andro voalohany amin’ny herinandro,+ dia tonga+ i Jesosy ka nitsangana teo afovoan’ny mpianatra, na dia nihidy tao an-trano aza izy ireo noho ny fahatahorany+ ny Jiosy. Hoy i Jesosy: “Ho aminareo anie ny fiadanana!”+ 20  Rehefa avy nilaza izany izy, dia nasehony azy ireo ny tanany sy ny takibany.+ Koa ravoravo+ ny mpianatra nahita ny Tompo. 21  Hoy indray i Jesosy: “Ho aminareo anie ny fiadanana! Tahaka ny nanirahan’ny Ray ahy+ no anirahako anareo koa.”+ 22  Nitsoka rivotra tamin’izy ireo izy, avy eo, ka nanao hoe: “Raiso ny fanahy masina.+ 23  Izay fahotana avelanareo+ dia ho voavela, ary izay tsy avelanareo kosa tsy ho voavela.”+ 24  Tsy niaraka tamin’ny mpianatra anefa i Tomasy+ tamin’i Jesosy tonga. Anisan’ny roa ambin’ny folo lahy io Tomasy io, ary atao koa hoe Ikambana. 25  Hoy ny mpianatra taminy: “Nahita ny Tompo izahay!” Hoy anefa izy: “Raha tsy hitako ny mariky ny fantsika eo amin’ny tanany ka ataoko eo amin’ilay marika ny rantsantanako, ary ataoko eo amin’ny takibany ny tanako,+ dia tsy hino+ mihitsy aho.” 26  Tao an-trano indray ny mpianany, valo andro taorian’izay, ary tao koa i Tomasy. Dia tonga i Jesosy, na dia nihidy aza ny varavarana, ka nitsangana teo afovoan’ireo, ary nanao hoe: “Ho aminareo anie ny fiadanana!”+ 27  Hoy izy avy eo tamin’i Tomasy: “Ataovy eto ny rantsantananao, ary jereo ny tanako, ary ataovy eto amin’ny takibako ny tananao.+ Ary aza mba anisan’ny tsy mino intsony fa minoa.” 28  Hoy ny navalin’i Tomasy: “Ry Tompoko sy Andriamanitro!”+ 29  Dia hoy i Jesosy: “Noho ianao nahita ahy ve no inoanao? Sambatra izay tsy mahita nefa mino.”+ 30  Ary nanao famantarana maro hafa koa i Jesosy teo anatrehan’ny mpianatra, saingy tsy voasoratra ato amin’ity horonam-boky ity+ izany. 31  Nosoratana anefa ireo+ mba hinoanareo fa i Jesosy no Kristy Zanak’Andriamanitra, ary mba hahazoanareo fiainana amin’ny anarany, satria mino+ ianareo.

Fanamarihana