Jaona 21:1-25

21  Taorian’izany, dia niseho indray tamin’ny mpianatra i Jesosy teo amin’ny Ranomasin’i Tiberiasy. Toy izao anefa no fomba nisehoany:  Niaraka i Simona Petera, sy Tomasy izay atao koa hoe Ikambana,+ sy Natanaela+ avy any Kana, any Galilia, sy ireo zanak’i Zebedio+ ary ny mpianatra roa hafa.  Hoy i Simona Petera: “Handeha hanarato aho.” “Izahay koa hiaraka aminao”, hoy ny hafa. Dia lasa niakatra tao an-tsambokely izy ireo, kanjo tsy nahazo na inona na inona iny alina iny.+  Rehefa nihanazava anefa ny andro, dia nijoro teo amin’ny torapasika i Jesosy, saingy tsy fantatry ny mpianatra hoe izy io.+  “Manan-kohanina ve ianareo, anaka?”, hoy i Jesosy. Namaly ireo hoe: “Tsia!”  Hoy izy: “Atsipazo eo ankavanan’ny sambokely ny harato fa hahazo ianareo.”+ Dia natsipin’ireo ny harato, ary tsy zakany nakarina intsony noho ny habetsahan’ny trondro.+  Koa hoy ilay mpianatra tian’i Jesosy+ tamin’i Petera:+ “Ny Tompo io!” Vao ren’i Simona Petera fa ny Tompo io, dia nanaovany ny akanjony ka nafatony teo amin’ny andilany, satria tsy niakanjo* izy. Ary nitsoraka tao anaty ranomasina izy.  Nandeha an-tsambokely kosa ny mpianatra hafa, sady nisintona ny harato feno trondro. Tsy lavitra ny tanety mantsy no nisy azy ireo, fa sivifolo metatra teo ho eo monja.  Rehefa niakatra an-tanety anefa ireo, dia nahita afon-tsaribao+ nisy trondro teo amboniny, ary mofo. 10  Hoy i Jesosy: “Itondray amin’ny trondro vao azonareo aho.” 11  Nankao an-tsambokely àry i Simona Petera, ka nitaritarika ilay harato ho eo an-tanety. Feno trondro vaventy telo amby dimampolo amby zato ilay izy. Tsy triatra anefa ny harato na dia betsaka toy izany aza ny trondro. 12  Hoy i Jesosy: “Avia hisakafo maraina.”+ Tsy nisy sahy nanontany hoe: “Iza ianao?”, satria fantatr’ireo fa ny Tompo io. 13  Dia avy i Jesosy, ka nandray ny mofo ary natolony azy ireo,+ ary toy izany koa ny trondro. 14  Io no fanintelony+ nisehoan’i Jesosy tamin’ny mpianany taorian’ny nananganana azy tamin’ny maty. 15  Rehefa avy nisakafo izy ireo tamin’iny maraina iny, dia hoy i Jesosy tamin’i Simona Petera: “Ry Simona zanak’i Jaona, tia ahy mihoatra noho ny itiavanao an’iretsy ve ianao?”+ Hoy izy: “Eny, Tompo ô, fantatrao fa miraiki-po aminao aho.”+ Dia hoy izy: “Fahano àry ny zanak’ondriko.”+ 16  Hoy indray izy fanindroany: “Ry Simona zanak’i Jaona, tia+ ahy ve ianao?” Hoy izy: “Eny, Tompo ô, fantatrao fa miraiki-po aminao aho.” Hoy izy: “Andraso àry ny ondrikeliko.”+ 17  Hoy izy fanintelony: “Ry Simona zanak’i Jaona, miraiki-po amiko ve ianao?” Dia nalahelo i Petera noho ilay fanontaniany fahatelo hoe: “Miraiki-po amiko ve ianao?” Koa hoy izy: “Tompo ô, ianao mahalala ny zava-drehetra.+ Fantatrao fa miraiki-po aminao aho.” Hoy i Jesosy: “Fahano ny ondrikeliko.+ 18  Ary lazaiko aminao marina dia marina tokoa fa fony mbola tanora kokoa ianao, dia ianao ihany no nampiakanjo ny tenanao, ary nankany amin’izay tianao haleha ianao. Fa rehefa mihantitra kosa ianao, dia hanatsotra ny tananao, ka olon-kafa no hampiakanjo*+ anao sy hitondra anao any amin’izay tsy tianao haleha.”+ 19  Izany no nolazainy mba hanambarana ny fomba hahafatesan’i+ Petera izay hanomezany voninahitra an’Andriamanitra.+ Rehefa avy nilaza izany izy, dia niteny tamin’i Petera hoe: “Manaraha ahy mandrakariva.”+ 20  Nitodika i Petera, ary hitany fa nanaraka teo ilay mpianatra tian’i Jesosy,+ dia ilay niankina teo an-tratrany tamin’ilay sakafo hariva, ka nilaza hoe: “Tompo ô, iza ilay hamadika anao?” 21  Raha vao nahita an’ilay mpianatra i Petera, dia hoy izy tamin’i Jesosy: “Tompo ô, inona kosa no hataon’itsy?” 22  Hoy i Jesosy: “Mampaninona anao moa raha tiako hitoetra mandra-piaviko+ izy, na tsia? Fa ianao kosa, manaraha ahy mandrakariva.” 23  Vokatr’izay, dia nandeha ny resaka teo amin’ireo rahalahy fa tsy ho faty, hono, ilay mpianatra. Tsy nilaza anefa i Jesosy hoe tsy ho faty izy, fa hoe: “Mampaninona anao moa raha tiako hitoetra+ mandra-piaviko izy, na tsia?” 24  Io mpianatra+ io ilay nanambara sy nanoratra izany zavatra izany. Ary fantatsika fa marina ny fanambarany.+ 25  Misy zavatra maro hafa koa nataon’i Jesosy, ary raha nosoratana tamin’ny an-tsipiriany daholo izy ireny, dia ataoko fa na izao tontolo izao aza tsy ho omby ny horonam-boky voasoratra.+

Fanamarihana

“zara raha nitafy.”
Na: ‘hamatotra ny akanjonao ho eo amin’ny andilanao.’