Jaona 4:1-54

4  Ary fantatry ny Tompo fa ren’ny Fariseo hoe maro kokoa noho ny an’i Jaona ny mpianatra azon’i Jesosy sy nataony batisa.+  Tsy i Jesosy anefa no nanao batisa fa ny mpianany.  Koa niala tany Jodia izy ka nankany Galilia indray.  Tsy maintsy hamakivaky an’i Samaria+ anefa izy,  ka tonga tao amin’ny tanàna samaritanina atao hoe Sykara, akaikin’ilay tany nomen’i Jakoba an’i Josefa zanany.+  Tao, raha ny marina, no nisy ny fantsakan’i Jakoba.+ Reraky ny dia i Jesosy, ka nipetraka teo amin’ilay fantsakana. Tokony ho tamin’ny ora fahenina* tamin’izay.  Tonga hantsaka ny vehivavy samaritanina iray, ary hoy i Jesosy taminy: “Mba omeo rano aho hosotroiko.”  Fa lasa nividy hanina tany an-tanàna ny mpianany.  Dia hoy ilay vehivavy samaritanina: “Jiosy ianao, koa nahoana no mangataka amiko rano hosotroina, nefa izaho vehivavy samaritanina?”—Fa tsy mifandray amin’ny Samaritanina ny Jiosy.+ 10  Dia hoy i Jesosy: “Raha mba fantatrao mantsy ny fanomezana+ maimaim-poana avy amin’Andriamanitra, sy ilay+ milaza aminao hoe: ‘Mba omeo rano aho hosotroiko’, dia ianao no ho nangataka taminy, ka ho nomeny rano velona.”+ 11  Hoy ravehivavy: “Tsy manana fanovozana ianao, tompoko, sady lalina ny lavadrano, koa avy aiza no ahazoanao izany rano velona izany? 12  Ianao angaha lehibe noho+ i Jakoba razanay, izay nanome anay ity lavadrano ity, sady izy sy ny zanany ary ny biby fiompiny no nisotro teto?” 13  Ary namaly i Jesosy hoe: “Izay rehetra misotro ity rano ity dia mbola hangetaheta indray, 14  fa izay rehetra misotro ny rano homeko azy kosa tsy hangetaheta intsony mihitsy.+ Fa ilay rano homeko azy dia ho loharano+ ao anatiny, izay hiboiboika mba hanome fiainana mandrakizay.”+ 15  Koa hoy ravehivavy: “Omeo izany rano izany aho, tompoko, mba tsy hangetaheta na hiverimberina hantsaka eto intsony.” 16  Dia hoy izy: “Mandehana, antsoy ny vadinao ary mankanesa atỳ.” 17  “Tsy manambady aho”, hoy ny navaliny. Dia hoy i Jesosy: “Marina ny teninao hoe: ‘Tsy manambady aho.’ 18  Fa efa nanana vady dimy ianao, ary tsy vadinao ilay lehilahy miara-mipetraka aminao izao. Koa marina izany voalazanao izany.” 19  Dia hoy ravehivavy: “Fantatro izao fa mpaminany+ ianao, tompoko. 20  Ny razanay nivavaka teto amin’ity tendrombohitra ity,+ nefa ianareo milaza fa any Jerosalema no tokony hivavahana.”+ 21  Hoy i Jesosy: “Minoa ahy ianao, ravehivavy fa ho avy ny fotoana ka tsy ho eto amin’ity tendrombohitra ity na any Jerosalema+ no hivavahanareo+ amin’ny Ray. 22  Ianareo mivavaka amin’izay tsy fantatrareo,+ fa izahay kosa mivavaka amin’izay fantatray, satria avy amin’ny Jiosy ny famonjena.+ 23  Na izany aza, ho avy ny fotoana, ary tonga izany ankehitriny, ka ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray araka ny fanahy+ sy ny fahamarinana.+ Fa olona toy izany tokoa no tadiavin’ny Ray mba hivavaka aminy.+ 24  Andriamanitra dia Fanahy,*+ ka izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka araka ny fanahy sy ny fahamarinana.”+ 25  Hoy ravehivavy: “Fantatro fa ho avy ny Mesia,+ izay atao hoe Kristy,+ ary rehefa tonga izy, dia hambarany mazava amintsika ny zava-drehetra.” 26  Hoy i Jesosy: “Izaho izay miresaka aminao izao no izy.”+ 27  Tamin’izay no tonga ny mpianany ka gaga, satria niresaka tamim-behivavy izy. Mazava ho azy fa tsy nisy niteny taminy hoe: “Inona no tadiavinao?” na hoe: “Nahoana ianao no niresaka taminy?” 28  Navelan’ilay vehivavy àry ny sininy, ary lasa nankany an-tanàna izy ka nanao tamin’ny lehilahy tao hoe: 29  “Avia ange ianareo e! Atsy misy lehilahy nilaza tamiko ny zava-drehetra nataoko. Izy angamba no Kristy!”+ 30  Dia nivoaka ny tanàna ireo ka nankeo amin’i Jesosy. 31  Nandritra izay fotoana izay, dia nandrisika azy ny mpianany hoe: “Mihinàna, Raby+ ô!” 32  Hoy anefa izy: “Izaho manan-kanina izay tsy fantatrareo.” 33  Nifanontany àry ny mpianatra hoe: “Fa angaha nisy nitondra zavatra hohaniny teo?” 34  Hoy i Jesosy: “Ny haniko+ dia ny manao ny sitrapon’ilay+ naniraka ahy sy ny mahavita ny asany.+ 35  Tsy voalazanareo ve fa mbola misy efa-bolana vao ho tonga ny fijinjana? Izaho kosa milaza aminareo hoe: Atopazo ny masonareo ka jereo ny saha, fa efa masaka hojinjaina ny vokatra.+ Efa 36  mahazo karama sahady ny mpijinja sady efa mamory ny vokatra ho amin’ny fiainana mandrakizay,+ mba hiara-miravoravo ny mpamafy sy ny mpijinja.+ 37  Marina tokoa àry ilay teny hoe: Ny iray mpamafy, ary ny iray kosa mpijinja. 38  Naniraka anareo hijinja izay tsy nisasaranareo aho. Ny hafa no nisasatra,+ nefa ianareo no nanjary nandray soa tamin’izay nisasarany.” 39  Ary maro ny Samaritanina avy ao amin’io tanàna io no nino+ an’i Jesosy noho ny tenin’ilay vehivavy, izay nanambara hoe: “Nolazainy tamiko daholo ny zava-drehetra nataoko.”+ 40  Rehefa tonga teo aminy àry ny Samaritanina, dia nangataka azy mba hijanona teo amin’izy ireo, ka nijanona tao roa andro izy.+ 41  Vokatr’izany, dia nisy hafa koa nino noho ny tenin’i Jesosy.+ 42  Ary hoy ireo tamin’ilay vehivavy: “Tsy noho ny filazanao intsony izao no inoanay, fa ny tenanay mihitsy no nandre,+ ka fantatray fa io tokoa no mpamonjy+ an’izao tontolo izao.” 43  Niala tao i Jesosy, rehefa afaka roa andro, ka nankany Galilia.+ 44  Izy mihitsy anefa no nanambara fa tsy hajaina ny mpaminany raha ao amin’ny taniny.+ 45  Rehefa tonga tany Galilia àry izy, dia nandray azy ny Galilianina, satria efa hitany izay rehetra nataony tany Jerosalema tamin’ny andro fety.+ Tany amin’ilay fety koa mantsy izy ireo.+ 46  Tonga tany Kana+ any Galilia indray àry izy, dia tany amin’ilay nanovany rano ho divay.+ Ary nisy tandapa iray tao nanana zanakalahy narary tany Kapernaomy.+ 47  Ren’io lehilahy io fa niala tany Jodia i Jesosy ary tonga tany Galilia. Koa nandeha tany amin’i Jesosy izy ka nangataka azy hidina hanasitrana ny zanany izay efa ho faty. 48  Hoy anefa i Jesosy: “Tsy hino mihitsy mantsy ianareo raha tsy mahita famantarana+ sy fahagagana.”+ 49  Hoy ilay tandapa: “Midìna re, Tompo ô, dieny mbola tsy maty ny zanako.” 50  Hoy i Jesosy: “Mandehana+ fa velona ny zanakao.”+ Nino ny tenin’i Jesosy ilay lehilahy ka lasa nandeha. 51  Raha iny izy mbola teny an-dalana hidina iny anefa, dia nitsena azy ny mpanompony mba hilaza taminy fa velona ny zanany.+ 52  Nanontaniany azy ireo àry ny ora nahasitranany, ka hoy ireo: “Omaly tamin’ny ora fahafito no nialan’ny fanaviana+ taminy.” 53  Fantatr’ilay rainy àry fa tamin’izay ora+ izay indrindra i Jesosy no nilaza taminy hoe: “Velona ny zanakao.” Koa lasa mpino izy sy ny ankohonany manontolo.+ 54  Izany no famantarana faharoa+ nataon’i Jesosy fony izy niala tany Jodia ka tonga tany Galilia.

Fanamarihana

Tamin’ny 12 antoandro teo ho eo.
Gr.: pneoma. Jereo F.F. 3B.